Noana Sady An-dàlana Ho Any An-tanànan'i Meksika? Mivingita ‘Harona Tacos ‘

Alejandro Mejía Greene Follow The Park Gang  Sin Edición . Ne Ŝanĝita . Not Edited   Ciudad de México, DF, México

Mpivarotra amoron-dalana mivarotra tacos amin'ny harona ao Meksikô. Sary nalaina tamin'ny kaonty Flickr-n'i Alejandro Mejía Greene, nampiasàna ny Creative Commons

Mampiavaka sy toetra manokan'ny tananan'i Meksikô, renivohitr'i Meksika, ireo sakafo vitsivitsy toy ny tacos de canasta na harona tacos, fantatra ihany koa amin'ny hoe tacos sudados na sweaty tacos. Amidy manerana ny tanàna anatin'ireo harona mahazatra ny sakafo, ny ankamaroany milahatra anatinà plastika mangamanga sy taratasy famonosana mba hitazonana ny hafanàny.

Tamin'ny volana lasa, namerina namoaka lahatsoratra iray mahaliana  avy amin'ny mpiara-miasa Public Radio International ny Global Voices, mikasika ny fifandraisana misy eo amin'ny tacos al pastor sy ny shawarma, ary ny fiavian'izy ireo avy tamin'ny andron'ny Fanjakana Ottoman. Ary taona vitsivitsy lasa izay, nanoratra lahatsoratra mikasika ny sakafo mampiavaka an'i Argentina i Laura Schneider  mpiara-miasa aminay  – isak'izay mamaky an'io izahay, mieronerona ny kibonay ary tsy afaka ny tsy hitelin-drora manoloana ny asado (hena nasaly – natono).

Mba hanohizana ny fitrandrahana ireo sakafo avy ao Amerika Latina, andao jerena ireo harona tacos, izay zavatra kely, mofo tortillas madinika misy karazana hena sy legioma natao saosy nasisika ao anatiny. Araka ny nentim-paharazana, ireo sesika natao saosy amin'ireo harona tacos dia misy tavin-kisoa, adobo, tsaramaso natao saosy amin'ny arôma, ary ovy miaraka amin'ny “saucisson”. Ireo harona sasany mety ahitana karazany maro, miaraka amin'ny akoho tacos amin'ny saosy maitso na cochinita pibil (kisoa natao tamin'ny afo malefaka).

Amin'ny ankapobeny ireo mpivarotra dia mitatitra ny tacos amin'ny harona apetrany eo amin'ny toerana aorian'ny bisikiletany, na indraindray mamelatra fivarotana eny amin'ny toerana maresaka ao an-tanàna. Raha ny tokony ho izy dia eny am-pitsanganana maimaika no hihinan'ny olona azy. Amin'izao fotoana izao, afaka mahazo harona telo ianao amin'ny vola 15 pesos Meksikana, izay mitovy lanja amin'ny iray dolara U.S. eo ho eo.

Noho ny vidiny sy noho izy mora azo, sakafo iombonana fidian'ny mpianatra sy ny olona izy noho ny fahefa-mividiny. Maro amin'ireo mponina ao an-tanànan'i Meksikô, izay laharana faha-efatra amin'ny habetsahan'ny mponina manerana izao tontolo izao, ahitàna vahoaka manodidina ny 21 tapitrisa, no tsy dia manam-potoana hihinanana sakafo maraina na antoandro.

Efa ho herintaona lasa izay, nanao izao fanamarihana manaraka izao i José Ignacio mikasika io sakafo asiantsika resaka io tao amin'ny sampana lakozia an'ny tranonkala ara-kolotsaina Arca:

Los puedes encontrar en muchas esquinas, ya sea en una bicicleta, dentro de una tienda miscelánea o en un puesto improvisado. Estos tacos son una tradición culinaria propia de nuestro país, son conocidos por ser baratos, rápidos y por su manera de preparación: la cocción en una canasta repleta de cebollas matizadas con grasa de chicharrón y aceite.

Todos alguna vez tienen que probar esta delicia que la comida tradicional mexicana nos ofrece.

Afaka ahitanao azy eny amin'ny kihon-dalana maro eny, na izany eo ambony bisikileta, eny amin'ny fivarotana sendra ny maso, na mpivarotra mijorojoro. Ireo tacos ireo no fahaizana mahandro sakafo nentim-paharazana eto amin'ny firenenay, fantatra amin'ny fahamoràny, haingana, sy tamin'ny fomba nikarakaran-dry zareo azy: andrahoina ao anaty harona feno tongolo voalokon'ny tavin-kisoa sy menaka.

Amin'ny fotoana ahafahana manao izany dia mila manandrana io sakafo nentim-paharazan'ny Maksikana io ny rehetra.

Manonona singa fototra iray ao anatin'io sakafo io i José Ignacio: ny tavy hita ao aminy, izay amin'ireo tolotra sasany, dia avy amin'ny tavin-kisoa nampiasaina tamin'ny fikarakarana azy, tsy isalasalana fa singa iray izay mampiasa loha ireo Meksikana mpahay momba ny sakafo sy ireo mpitsabo fo. Tsara ny manamarika fa araka ny torohay ofisialy nozarain'ny distrika federalim-panjakana, hatavezana sy lanja tafahoatra no tena olana fototra ho an'ny fahasalamam-bahoaka any Meksikô. Ny marina, miatrika ny olana henjana indrindra momba ny hatavezana an'ny Amerika Latina ny firenena, araka ny voalazan'ny Forbes.

Fa hoavelantsika ho amin'ny fotoana manaraka ny adihevitra mikasika ny olana ara-pahasalamana ary hovelabelarintsika kosa ny fiavian'ireo tacos ireo. Tao amin'ny lahatsoratra iray an'i El Memo tao anaty gazetiboky Chilango ety anaty aterineto, manamafy ny mpanoratra fa marobe ireo harona tacos jifaina eto andrenivohitra no namboarina avy any amin'ny faritra kely afovoany-atsinanan'i Tlaxcala, indrindra any San Vicente Xiloxochitla:

Ahí, la mitad de los lugareños se dedica a la elaboración del taco y hasta tienen un día dedicado a eso: el 1 de diciembre, cuando desfilan con sus bicicletas por todo el lugar, aventando tacos por doquier. Cargados de su característico frasco de mayonesa lleno de salsa verde, estos tlaxcaltecas han cambiado la agricultura por los tacos sudados.

Dice Jorge Ibargüengoitia que los tacos sudados son como el Volkswagen de los tacos nacionales: prácticos, buenos y económicos, y que constituyen uno de los momentos culminantes de la tecnología mexicana. Su elaboración es sencilla: tortillas recién hechas, guisados preparados al momento, aceite hirviendo con un poco de chile guajillo (y que les da ese toque colorado) y si nos ponemos exquisitos, cebollitas para acompañar.

La salsa se prepara con tomate y chile hervido al que posteriormente se le agrega cilantro y cebolla cruda.

Eto, ny antsasaky ny mponina ao an-toerana no manokan-tena manamboatra taco sady misy andro mihintsy natokan'izy ireo ho azy io: 1 Desambra, rehefa mitondra ny bisikiletany manao matso manodidina ry zareo, mitoraka tacos ankavia sy ankavanana. Feno mayonnaise mampiavaka azy miaraka amin'ny tavoara feno saosy maitso, ireo Tlaxcata tompon-tany no nanova ny fambolena ho tacos mahatera-tsemboka.

[Meksikana mpanoratra tantara sy mpanao tantara an-tsehatra] Jorge Ibargüengoitia milaza fa ireo tacos mahatera-tsemboka no Volkswagen-n'ny tacos-mpirenena: mora atao, tsara sady mitsitsy kokoa, iray amin'ireo zava-misongadin'ny teknolojian'i Meksika. Tsotra ny fikarakarana azy: torillas vao, fangaro nahandroana malefaka vita eo am-pitoerana, menaka mangotraka miaraka amin'ny sakay guajillo kely (izay manome loko azy ireo) ary raha tiana ho raitra, asiana tongolo kely ny sisiny.

Voakarakara tamin'ny voatabia sy sakay iray jobokaty ny saosy, izay aoriana kely vao arotsaka aminy ny kotomila sy tongolo be.

Nibitsika ity hanihany fanamarihana ity i Mónica Robles, tao amin'ny Twitter hoe:

Miaina eto amin'izao tontolo izao isika izay ny antsasaky ny mponina eto amin'ny planeta no maty vokatry ny hanohanana ary ny sasany avy amin'ny fatra avon'ny kôlesterôla sy tavy tafahoatra amin'ny *fihinanany harona tacos dimy*

Nisafidy ny fampanarahana toetrandro koa ny mpivarotra ireo sakafo ireo, namela ny bisikileta nentim-paharazana, hoy ny nanipihan'i Migan Lever mpampiasa Twitter  azy:

Manaraka ny toetrandro na maty, na ireo bandy mpivarotra harona tacos aza mahatakatra ilay fotokevitra.

Nampiasa ity tambajotra sosialy resahana eto ity i Alberto Rojas hireharehana momba ny fikarohana ity sakafo malaza ity:

#TsyTeHanafintohinaAnao saingy antenaiko fa hitsiriritra ny harona tacos-ko ianao

Tsy heverina ho tahaka ny tsiro tsara indrindra any Meksikana ny “Harona tacos” (na farafaha-ratsiny hatreto aloha), fa na izany aza maneho singa iray hita isan'andro amin'ny tontolo ao an-tanànan'i Meksikô izy ireny, ary koa tsy azo lavina fa loharanon'asa sy sakafo ho an'ireo Meksikana an'arivony maro. Noho izany, nahoana no tsy hanandrana azy ireo ianao mandritra ny fitsidihanao manaraka ao andrenivohitr'i Meksika?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.