Manana Lisitra Mainty an'Internety Ihany Koa ny ‘Repoblika Entim-Bahoakan'i Donetsk’

Most of the websites on the blacklist are those of Ukrainian media. Images mixed by Tetyana Lokot.

Ny ankamaroan'ny tranonkala tafiditra lisitra mainty dia avy ao amin'ny media okrainiana. sary namboarin'i Tetyana Lokot.

Zava-pitranga iraisaina ao amin'ny firenena tahaka an'i Rosia sy Belarosia ny lisitra mainty amin'ny Internety, ary ankehitriny dia nanapa-kevitra hiditra ao anatin'ny vondrona ihany koa ny mitolo-tena ho “Repoblika Entim-Bahoakan'i Donetsk” [DPR] ao amin'ny faritra Donetsk ao atsinanan'i Ukraine. Ny lisitra mainty vaonatsangan-dry zareo dia ahitana ireo tranonkalam-baovao Okrainiana izay heverin'i “DPR” ho miaty “torohay voarara ao amin'ny repoblika.”

Tamin'ny 3 jona ny “mpikambana ao amin'ny parlemanta” ao amin'ny fanjakana mpisintaka tsy nahazo fankatoavana no nifidy tsy nisy nitsipaka ny lalàna vaovao “Momba ny vaovao sy ny teknolojia vaovao.” Ankoatra ny zavatra hafa, dia atao teny fampidirana ao amin'ny lalàna ny “rejisitra tafarain'ny anaran-tsehatra, rohy [URL] sy adiresin-tambajotra ao amin'ny Internety, izay ahafahana mamantatra tranonkala miaty torohay izay voarara ny fampielezana azy ao amin'ny DPR,” araka ny tatitra nataon'i Zerkalo Nedeli. Nilaza ny mpanoratra ny lalànan'ny “lisitra mainty” fa ny tanjona voalohany dia “hanampiana amin'ny fametrahana lalàna ny fampiasana ny teknolojiam-baovao sy hanolorana fiarovana ara-torohay.”

Nahamarika avy hatrany amin'ny fitovian'ny ity lalàna vaovao ity amin'izay misy amin'ny lalànam-pifehezana Internety any Rosia ny mpiseraseran'ny media sosialy okrainiana.

Any no izorantsika. Mianatra ny fomban'ny Rosiana tsara indrindra isika.

Na dia tsy nametraka rohy manokana izy heverina ho tafiditra ao amin'ny lisitra hosakanana aza ny lalànan'ny “lisitra mainty”, dia namoaka ho hitam-bahoaka ny lisitry ny adiresy Internety izay efa voasakana amin'izao fotoana izao noho ny fangatahan'ny “Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao sy ny Fifandraisana ao amin'ny DPR” ny orinasan-kosina TV iray. Hita ao amin'ny lisitra ny ankamaroan'ny seha-baovao okrainiana nasionaly sy isan-toerana 40, ary ao anatin'izany ny Hromadske TV, Fantsona 24 TV Channel, Segodnya, ary ny Radio Liberty.

Tsy mazava raha ilay “rejisitra tafaray” voalazan'ny lahatsoratra ao amin'ny lalàna ny lisitra navoakan'ny orinasan-kosina na tsia. Na dia ny “Minisitera” tenany aza, rehefa nantsoin'ny RFE/RL tamin'ny finday, dia mitsipaka ny fahalalàna ny fisian'ny lisitra mainty na ny vontoatiny, ary niteny tamin'ny mpanangom-baovao ny “Minisitry ny Fampahalalam-Baovao” fa na ny tenany aza dia “afa-niditra tamin'ny tranonkalan'ny Radio Liberty.” Na izany aza, ireo mpiserasera ao anatin'ny tany fehezin'ny “DPR” te-hiditra amin'ny sasantsasany amin'ireo tranonkala ao anatin'ny lisitra dia milaza fa tsy ao anatin'ny atolotra izy ireo, araka ny nolazain'ny RFE/RL.

Efa niezaka ny hanakana ireo tranonkala okrainiana ihany ireo manampahefana mpisintaka tohanan'i Rosia taloha: tamin'ny Septambra 2014, nahazo taratasy avy amin'ny “manampahefanan'ny DPR ireo orinasa mpivarotra internety ao Donetsk mangataka ny hanakanan'izy ireo tranonkalam-baovao okrainiana miisa 27 “ho fisorohana ny fielezan'ny vaovao diso sy lainga.” Fa nisy tamin'ireo orinasa mpivarotra internety no nanatontosa ny fangatahana, rehefa nitatitra ny mpisera internety ao an-toerana fa tsy afa-miditra ao amin'ny pejin'ireo tafiditra lisitra ao anatin'ny taratasy ry zareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.