‘Ny Fandaminana Vahoaka Ratsy Indrindra Hitako Hatrizay': Nasongadin'ny Lalao Baolina Kitra Nifanandrinana Tamin'i Aostralia Ny Olan'ny Filaminam-bahoaka Ao Kyrgyzstana

Kyrgyzstan's national stadium, Spartak, when it is not hosting the Australian national team.

Kianja nasiônalin'i Kyrgyzstana, Spartak, fony tsy nampiantrano ny ekipa Aostraliana. Nalaina avy tamin'ny mpamokatra votoaty Snipview.

“Fantatrao amin'izay ankehitriny hoe nahoana isika no efa nahita fitakiana revôlisiôna roa nahomby tsara,” hoy ny nosoratan’ i Nurlan Bolturukov, ny 16 Jona, tamin'ny fikorontanana tanteraka tany ivelan'ny kianja, raha resin'ny Aostralia i Kyrgyzstana — iray amin'ireo fifanintsanana lehibe indrindra ho an'ireo firenena any Azia Afovoany tao anatin'ny 22 taonan'ny tantarany — tamin'ny lalao fifanintsanana amin'ny Lalaon'ny Tompon-daka Maneran-tany FIFA.

Tamin'ny farany, nanome lalao tsara ho an'ny ‘Socceroos’, izay tompon-dakan'i Azia ankehitriny, i Kyrgyzstan. Nahatonga isa 1-0 tany amin'ny antsasa-potoana, nanolotra baolina maty faharoa ho an'ny Aostraliana indray i Kyrgyzstan tamin'ny ampaham-potoana faharoa, talohan'ny nahafatesany baolina iray ho fampiononana niaraka taminà daka nahavariana– tonga dia avy tamin'ny daka be teny anjoron'ny kianja — tany amin'ny faramparan'ny lalao.

Fa maro ireo tinadin'ny olona ho an'ilay lalao, ary tsy malaza amin'ny fahaizany mandamina vahoaka maro be ireo Kyrgyz tomponandraikitra. Nandritra ny fotoanan'ny lalao, mpankafy an-jatony izay nandoa ny tapakilany — ny sasany avy teo an-toerana, ny sasany kosa avy tany Aostralia mihitsy — no samy tavela nitsangana teny ivelan'ny kianja, nomen'ny polisy lamosina, raha toa ka niporitsaka teny amin'ny fotodrafitrasan'ilay kianja kosa ireo olona izay tsy nandoa na inona na inona.

Ao amin'itsy lahatsary etsy ambony itsy izay nataon'ny media Kyrgyz, Kloop.kg, milaza izao ilay noraisim-peo voalohany, tamin'ny fiteny Rosiana:

Nividy tapakila maro izahay vao haingana, tonga hanohana ny ekipanay amin'ny baolina kitra, fa toa hita ho tsy natao ho amin'izany ilay izy. Nahoana? Satria maro tokoa ireo olona tsy nisy tapakila no niditra tao amin'ny kianja, araka ny eritreritro, nampiasa ny fotodrafitrasa azo ampiasaina manodidina ny kianja. Jereo ny tilikambo – jereo ireo olona eny ireo. Ary tsy nitranga izao rehetra izao raha tsy tamin'ny fanampian'ireo pôlisy mahalala fombantsika ireo.

Sady miteny izy no nisy olona telo nandeha teo anoloana nitsikera ireo mpikarakara.

Ilay olona fahatelo nanontaniana, tamin'ny fiteny Rosiana ihany koa, mampanantena ny hitory any amin'ny fitsaràna ireo mpikarakara sy ireo mpitandro filaminana:

Hitantsika eto mihitsy ny tsy fisian'ny faran'izay ambany indrindra amin'ny lalàna, ny tsy fahaizana mikarakara ary tsy fanarahan-dalàna rehetra eto amin'ity firenena ity. Na tamin'ny lalao mahafinaritra toy ny baolina kitra aza — nanao dokam-barotra goavana izy ireo [an'ity lalao fifandonana ity] na dia tsy vitan'izy ireo aza ny mikarakara azy […] Fitarafana tsara ireo manampahefana ankehitriny sy ireo mpitandro filaminany io.

Ito lahatsary ambany ito dia mampiseho ireo olona mihanika eo ambonin'ny vavahady ho  ao anatin'ny kianja, ary ireo mpankafy tezitra mafy, izay nandoa vola mba hijery ilay lalao miaraka amin'ireo fianakaviany, sorena amin'ireo mpitandro ny filaminana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.