Any Afrika Ny Hoavin'ny Haino Aman-jery Frantsay

“Ensemble, nous deviendrons une force” Capture d'écran de la bande-annonce de “Ady Gasy”, un documentaire les façons joindre les deux bouts à Madagascar, par Lova Nantenaina via YouTube

“Tsika Malagasy izao no herin'ny fiainana” saripikan'ny horonantsary fanolorana ny “Ady Gasy” tao amin'ny YouTube, horonantsary fanadihadiana ny momba ny fikirizana any Madagascar, notontosain'i Lova Nantenaina

Nisongadina manokana ny tontolon'ny haino aman-jery amin'ny teny frantsay tato ho ato, tamin'ny fahombiazan'ny sarimihetsika Timbuktu sy ilay horonantsary malagasy fanadihadiana , Ady Gasy. Noho ny fihemoran'ny tsenan'ny haino aman-jery amin'ny teny frantsay amin'izao fotoana izao, dia hitan'ny sasany ho tomba famelonana izany indray Afrika. Nefa na dia manana tombontsoa hahalasa azy ho hoavin'ny fandrosoan'ny haino aman-jery aza ity kontinanta, dia mbola be koa ny tsy ampy. Afrika : tany iray hafa azo antenaina amin'ny tontolon'ny haino aman-jery frantsay ?

[Ity lahatsoratra ity dia fandikàna ny lahatsoratra nivoaka tao amin'ny Economie Afrique ary nahazoana alalana avy amin'ny mpanoratra] 

Tsy hiadian-kevitra ny vinavina : amin'ny 2050, 85 isan-jaton'ireo mpiteny frantsay dia honina ao Afrika avokoa. Mponina mbola tena tanora ary raha ny fahavitrihan'ny tanora amin'ny teknolojia no jerena, dia hitan'ireo mpiasa amin'ny tontolon'ny haino aman-jery frantsay ny fahaiza-manao sy ny fahombiazana azo kendrena ao. Sehatra izay mbola lavitr'ezaka amin'ny resaka serasera : ny fametraham-dalàna hampiroboroboana azy, fametrahana ny “câble” (zara raha misy), fampivoarana ny ADSL…

Ny Frantsay no anisan'ireo voalohany namorona sy nampiroborobo ity tsena ity. Nanomboka tamin'ny taona 2000, maro ireo fiaraha-miasa natao, indrindra amin'ny televiziona TV5 na CanalSat, na koa ny famoronana ireo sampam-pitantanana tahaka ny Filan-kevitra ambony momba ny haino aman-jery. Nanaraka ny dian'izy ireo ny televiziona frantsay sasany ka niezaka nanararaotra izany. Arak'izany dia nanorina ny tambazotrany any ny TraceTV, televiziona mpandefa mozika. Ary soa ihany satria haingana dia haingana ny firoboroboany ary iray ampahatelon'ny fidiram-bolany Afrika ankehitriny. Nitsinjo lavitra mihitsy aza izy ka nanitatra ny tambazotrany ho amin'ny finday sy fampielezam-peo.

Na teo aza izany fahombiazana izany, ary na dia mbola nofinofy aza ny fivoaran'io sehatra io manoloana ny hoavy mamirapiratra antenain'ireo izay nirotsaka tao, dia mbola vitsy ireo orinasa frantsay no sahy nirotsaka. Ankehitriny dia orinasa sinoa sy amerikana izay gaga sy faly tamin'ny fahalalahan'ny sehatra no tena mibahan-toerana !

Tsena saro-takarina ho an'ireo frantsay 

Inona no tena mampisalasala ireo mpandraharaha frantsay ? Korontana ara-politika, kolikoly, raharaha ara-toekarena sarotra loatra, tsy fisian'ny foto-drafitrasa…na dia ny frantsay aza no tsara toerana indrindra na ara-tantara na tenim-pirenena, mbola vitsy dia vitsy izy ireo ankehitriny ary tsy maneho afa-tsy fisalasalàna.

Olana izay manaitra na ny politika frantsay aza ! Noho izany, ny 11 septambra 2014, raha niadihevitra momba ny tetikady ampiharina ny antenimieram-pirenena mba hampidirana indray ny haino aman-jeriny eo amin'ny tsena afrikana, dia nanolo-kevitra i Bernard Chaussegros ny amin'ny fanavaozana ny maodely ara-toekarena : raha toa ka hamatsy vola ireo fikambanana sy orinasa, « tsy aleo ve omen-danja ny fiaraha-miasa amin'ireo orinasa any an-toerany sy ny vondrona frantsay ? ». Raha ny heviny dia hanafaingana ny asa izany. Araka izany, ny orinasa frantsay miandraikitra ny fandraharana ary ny orinasa avy any an-toerana kosa manao ny asa mivantana.

Nefa toa nifoha ihany ny haino aman-jery frantsay ka nanadino ireo fitsaratsaràna nataony. Nananbana birao famokarana fandaharana ny vondrona Lagardère. Tamin'ny volana Oktobra 2014 i Canal + dia nanokatra ny A+, televiziona natokana ho an'ny fandaharana afrikanina izay maniry ny ho « ilay televiziona afrikana goavana ». Nanaraka ny diany ny Euronews ka hanolotra ny Afrikanews amin'ity taona 2015 ity, televizionam-baovao afrikana amin'ny tenim-pirenena samihafa.

Amin'izao fotoana mampikatso ny toekarena eoropeana izao dia toa Afrika no kontinanta tsara ampiasàn'ireo orinasan'ny haino aman-jery vola. Saingy tsy miandry marary ny fivoarana, indrindra amin'ny tontolon'ny teknolojia, sady efa lafo ny toerana ! Mety hanenina ny harena nafoiny sy ny tsy fahasahiany ireo Frantsay. Dia aleo izy ho any !

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.