Mivondrona Aty Anaty Aterineto Ireo Fikambanana Indoneziana Hitaky Ny Rariny Mikasika Ny Famonoana Ilay Mahery Fon'ny Tontolo iainana

Jopi Peranginangin, an environmental activist from Indonesia who was killed last May 23, 2015 by a person who claimed to be a soldier.

Jopi Peranginangin, mpikatroka mpiaro tontolo iainana avy ao Indonezia, maty novonoin'olona iray nitonona ho miaramila, ny 23 May 2015 lasa teo. Sary avy amin'ny pejy Facebook n'i Solidaritas4Jopi

Takian'ireo naman'i Jopi Peranginangin, Indoneziana iray mpiaro ny tontolo iainana izay voatsindron'antsy sy maty tao amin'ny trano fisotroana iray tany avarat'i Jakarta, ny fanjakana mba hanao fanadihadiana haingana sy mangarahara mikasika ny vonon'olona. Matahotra izy ireo sao misy hifandraisany tamin'ny hafanam-pony ilay famonoana. Mba hanaraha-maso ny toe-draharaha, nanao fanentanana antsoina hoe “Solidaritas4Jopi” (Firaisankina ho an'i Jopi) ireo namany sy mpanohana azy.

Nifototra avy amin'ny fitantaran‘ireo naman'i Jopi, nitonona ho miaramila ilay olona ahiahiana ho mpamono :

Ny marainan'ny Sabotsy 23 May 2015, tao atsimon'i Jakarta, alina taorian'ny nivoahana nijery ny Navicula, tarika iray izay manohana ny asan'i Sawit Watch, maty voatsatoka antsy nitrobaka tamin'ny havokavony i Jopi. Tsy voatsatok'antsy noho ny korontana nentiny na noho ny filàny ady izy. Novonoina izy rehefa nandeha nanampy namana iray izay natonin'ny olona iray nilaza ho miaramila Indoneziana ka io no namono azy avy eo.

Photo from Facebook page of Solidaritas4Jopi

Sary avy amin'ny pejy Facebook  Solidaritas4Jopi

Mpianatra mahery fo tao amin'ny Anjerimanontolon'i Tadulako Sampana Lalàna i Peranginangin. Nahavita Bakalaorea izy ny taona 2003.

Taorian'ny fianarany, lasa mpikambana mafàna fo sy mpitarika fikambanana isankarazany tsy miankina amin'ny fanjakàna i Peranginangin. Izy no mpandrindra ny Sampana Fanabeazana sy Fisoloana Vava tao amin'ny Ivontoerana Fanohanana Araka ny Lalàna tao Palu, Sulawesi Afovoany. Tahaka ny mpandrindra koa izy tao amin'ny Departemanta misahana ny Fifanolanana tao amin'ny People's Education Foundation, tao Palu ihany. Lohany izy tamin'ireo fanentanana tao amin'ny Seha-piresahanho an'ny Tontolo iainana tao Sulawesi Afovoany ary ltalen'ny famoahan-dahatsoratra tamin'ny fanotàna biletàn'ny Tanah Merdeka Foundation. Nandritry anatin'ny folo taona, Talen'ny Fampitàm-baovao sy serasera tao amin'ny Vovonan'ireo Vahoaka Indizeny tao amin'ilay vondronosy izy.

Ny taona 2012, nanjary mpitarika hetsika faobe mikasika ny Greenpeace Indonesia tao amin'ny firenena izy. Mialohan'ny nahafatesany, niasatahaka ny mpiasa mpanao fanentanana ihany koa izy tao amin'ny Sawit Watch, fikambanana iray izay mpanara-maso ny doroala sy ny fiantraikan'ny fambolena voanio fakàna menaka.

Mpirotsaka antsitrapo izay nanao fampielezan-kevitra hoan'ny Filoha Indoneziana Jokowi ihany koa i Peranginangin, tamin'ny fifidianana ny taona 2014, .

Ny Filoha Lefitra Jusuf Kalla manokana dia nandidy ny mpitandro ny filaminana mba hanadihady ny famonoana an'i Peranginangin.

Mandritra izany, nangatahan'ny Sawit Watch ny mpitari-tafika Indoneziana iray mba hanampy hiantoka fa ny rariny no hanjaka. Nandrisika ny mpitandro filaminana ilay vondrona, mba hanadihady ny tsirairay izay mety ho nandray anjara tamin'ilay fanafihana ary hanome antoka fiarovana ireo vavolombelona izay afaka mijoro momba ilay tsindron'antsy. Niantso ny Komisionam-pirenena misahana ny zon'olombelona ihany koa ny Sawit Watch mba hanampy hanara-maso ny fizotry ny fanadihadiana.

Voalaza ho tantsambo ilay voarohirohy ho mpamono. Ho famaliana io filazana io, nanentana ny vahoaka ny Biraon'ny Filazambaovaon'ny Tafika An-dranomasina mba hiandry ny valin'ny fanadihadiana aloha, nampiany ihany koa fa mety ho fiarovan-tena no nahatonga ny famonoana, na mety ho tsy nomanina mialoha ny famonoana.

Nanosika vondrona maro isankarazany hanangana ny Solidaritas4Jopi ity fanambarana ity. Navoakan’izy ireo avy hatrany ny fanambaràna an-gazety mba handisoana ny sahoan-dresaka milaza fa mety ho fiarovan-tena no nahatonga ny nataon'ilay namono an'i Peranginangin.

Nampiasa ny tenifototra #Solidaritas4Jopi ireo naman'i Peranginangin taoamin'ny Twitter sy ireo mpanohana azy hisaonana ny fahafatesany sy hitakiana ny rariny. Iray amin'ireo izay naneho firaisankina ny lehilahy iray antsoina hoe Rahung, lehibe malaza vao nisandratra:

Sambory, roahy, ary enjeho!!! “Mpikambana maty eritreritra avy amin'ny Tafika an-dranomasina niaiky tamin'ny fanindronana antsy an'i Jopi Peranginangin”

Ireo ambany ireo ny sasany tamin'ireo bitsika avy amin'ireo naman'i Peranginangin:

Ny mangarahara amin'ny vokatr'ireo fanadihadiana vonjimaika momba ilay Mpamono an'i #Jopi irery ihany no hampody ny fitokisan'ny vahoaka

Efa maherin'ny 17.000 sahady ny fanangon-tsonia nitakiana ny rariny momba ny raharaha famonoana an'i Peranginangin.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.