33 Taty Aoriana, Nesorina Tanaty Lisitr'i Etazonia Misy ireo Firenena Mpanohana Fampihorohoroana i Kiobà

Plaza de la Revolución. Photo taken from Mark Scott Johnson licensed by CC BY 2.0

Plaza de la Revolución. Sary nalaina tany amin'i Mark Scott Johnson, nampiasàna ny lisansa CC by 2.0

Ny Zoma teo, nesorin'i Etazonian'i Amerika tsy ho ao anatin'ny lisitr'ireo firenena tondroiny ho mpanohana ny fampihorohoroana i Kiobà, famaritana iray natokana ho an'ireo firenena izay, ho an'ny governemanta Amerikana, manohana miverimberina ireo fihetsika feno herisetra nomanina mialoha eo amin'ny sehatra iraisampirenena, atosiky ny fironana politika atao amin'ireo tsy mpiady akory.

Araka ny hevitry ny Departemantam-Panjakana Amerikana

Ny Desambra  2014, nandidy ny Sekreteram-Panjakana ny Filoha mba hamoaka avy hatrany famerenana mandinika ny filazàna an'i Kiobà ho firenena iray manohana ny asa fampihorohoroana, ka hanome tatitra azymomba ny fanohanan'i Kiobà ny asa fampihorohoroana erantany ao anatin'ny enina volana. Ny 8 Aprily 2015, vitan'ny Sekreteram-panjakana izay tatitra fandinihana izay ary nanoso-kevitra izy ho an'ny Filoha ny amin'ny tsy maha-voatondro intsony an'i Kiobà ho firenena manohana ny asa fampihorohoroana.

Vokatr'izay, ny 14 Aprily, natolotry ny Filoha ho an'ny Kaongresy ny tatitra nampanaoviny milaza ny fikasàn'ny Fitantanany hanafoana ny filazàna an'i Kiobà ho Firenena Manohana ny Fampihorohoroana, miaraka amin'ny fanamarinana fa tsy nanohana asa fampihorohoroana teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena intsony i Kiobà tao anatin'ny enina volana nialoha ilay tatitra; ary nanome toky i Kiobà fa, amin'ny hoavy, tsy hanohana asa fampihorohoroana eo amin'ny sehatra iraisampirenena. Tapitra ny 45 andro fampilazàna mialoha ny Kaongresy, ka dia nandray ny fanapahankevitra farany ny Sektreteram-Panjakana hanaisotra ny fanondroana an'i Kiobà tsy ho toy ny Firenena Manohana ny Fampihorohoroana, manankery manomboka ny 29 May 2015.

Dindon'ny fandanjalanjàntsika ireo mason-tsivana milaza fa mahafeno ny fepetra ilaina amin'ny fanafoanana azy ny fanesorana ny fanondroana an'i Kiobà ho firenena manohana fampihorohoroana. Raha toa i Etazonia ka mbola manana olana tsy takona afenina sy tsy fifanarahana amin'ny lafiny betsaka amin'ny politika sy fihetsik'i Kiobà, dia any ivelan'ireo mason-tsivana mifanaraka amin'ilay fanafoanana ny fanondrona azy ho Firenena Manohana ny Fampihorohoroana ihany ireny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.