Nahazo Rariny i Cheryl Miller, Raha Notazonina Tsy An-drariny Tany Amin'ny Toerana Fitsaboana Saina

Judge's Gavel; image by Rumble Press, used under a CC BY 2.0 license.

Mariton'ny Mpitsara; sary avy tamin'ny Rumble Press, nampiasàna ny fahazoan-dàlana CC BY 2.0.

Vao roa taona izay, nifamaly mafy tamin'ireo lehibeny i Cheryl Miller, mpiasan'ny Ministera Fampivoarana ny Miralenta, ny Tanora ay ny Zaza ao Trinite sy Tobago. Ny nampidirana azy tao amin'ny Hopitaly Fitsaboana Saina St. Ann no zavatra fantany manaraka, na dia nandà mafy aza izy fa “tsy adala”. Tamin'izany, nahatonga fahatafintohinana lehibe teo amin'ny fiarahamonin'ny mpitoraka bilaogy ilay resaka, maro ireo niasa saina momba ny fomba tokana mety hanitsakitsahana ny zo fototry olombelona — sy ny hoe “tena tsy mahavita na inona na inona isika eo anatrehan'ny hantahanta sy rendrarendran'ireo sampan-draharahan'ny fitondrana izay te-hanararaotra ny fahefàny”.

Taorian'ny namotsorana an'i Miller, tsy nandany fotoana izy fa nametraka fitarainana sy fitoriana noho ilay fanagadrana azy tsy ara-dalàna. Ny herinandro lasa teo, namoaka ny didiny tamin'ilay raharaha ny mpitsara: homena onitra mitentina 835.000 dolara TT (mahery kelin'ny 130.000 dolara Amerikana) i Miller ho tambiny. Haingana ny fanehoan-kevitry ny media sosialy. Naneho hevitra toy izao tao amin'ny Facebook i Rhoda Bharath:

Iray amin'ireo fihetsika lehibe tsy misy fanajàna ataon'ireo mpikambana ao amin'ny asam-panjakana, eo ambany fanarahamason'ny Ministera mifanaraka aminy.
Efa niteny aho.

Notohizany hoe:

Tena sorena tanteraka hoe tokony handoa vola isika ho an'i Verna sy ny Sekretera Maharitra-tainy.
Tena sosotra tanteraka amin'izany.
Ireo vahoaka mpifidy foana no mizaka sy mandoa ho an'ireo fihetsika tsy mety nataon'ny governemanta.
Tokony nivoaka mivantana avy tany amin-paosin-dry zareo izao io 800k dolara io noho ny fihetsiny tsy misy saina, tsy manaja ny maha-olona, sy tsy misy fanajàna.

Fanina tanteraka i Tanya Carr,  iray hafa mpampiasa Facebook, tamin'ny nilazan'ny mpitsara ho tsy meloka ireo olona efatra voampanga ao amin'ny fitorian'i Miller — Ireto avy izy efatra ireo : ny lehiben'ny fampanoavana, ny sekretera maharitra sy ny lefitry ny sekretera maharitry ny ministera izay niasàny, ary i Verna St Rose-Greaves izay Minisitra teo aloha nisahana ny Fampivoarana ny Miralenta, ny Tanora ary ny Zaza:

Ahoana marina moa no tsy ho meloka tamin'io raharaha io ny Minisitra, AG,PS ary ny DPS? Oviana izy ireo no namolavola io korontana ambony ambany io?

Gaga tamin'ny naha-afaka madiodio ny Minisitra St. Rose-Greaves ihany koa ilay mpitoraka bilaogy any am-pielezana Jumbie's Watch, satria tadidiny tsara ny niaiken'io ampahibemaso ny naha-tompon'andraikitra azy tamin'ilay raharaha. Na teo aza izany zava-tsy nampoizina izany, nolazainy ho “fandresena ho an'ny Fanjakana Tan-dalàna” io didim-pitsaràna io.

Nanodidina ilay Lalàna mikasika ny Fahasalaman'ny Saina ao Trinite sy Tobago, ao amin'ny Andiny faha-15 nitazonana an'i Miller, izay milaza hoe “ny olona iray izay hita mirenireny eny amin'ny làlan-dehibe na eny amin'ny toeran'ny daholobe, ary noho ny fitafiny, fihetsiny na ny firesany, izay afaka eritreretin'ny mpiandraikitry ny fahasalaman'ny saina ho marary saina sy mila fitsaboana ary fikarakaràna any amin'ny hopitaly fitsaboana saina na ny sampany, dia afaka tazonina ary entina any amin'ny hopitaly na ny sampana fitsaboana, hojerena araka io andinin-dalàna io.” Nolazain'ny mpitsara nisahana ny raharaha ho tsy ara-dalàna ny fampidirana an'i Miller tao amin'ny St. Ann, satria tsy azo atao ho toeran'ny daholobe ireo biraon'ny ministera. Mandritra izany, mieritreritra ny hanao fampakàrana didy ny Ministeran'ny Fahasalamana, izay notsaraina ho tompon'andraikitra.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.