A-WA Hoy i Israely — ‘Eny!’ — Ho An'ireo Mpirahavavy Yemenita Mihira

Tagel, Tair and Liron Haim, the three sisters that make up A-WA. Credit: Tomer Yosef

Tagel, Tair ary Liron Haim, ireo telo mirahavavy mpanangana ny tarika A-WA.  Sary: Tomer Yosef

Nipoitra voalohany tao amin'ny PRI.org ny 4 Jona 2015,  ity lahatsoratra sy tatitra an'onjam-peo avy amin'i Avishay Artsy ho an'ny The World , ampahany aminìny tetikasa Fitetezana ny Fiainan'ireo Vehivavy ary averina avoaka eto indray ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizarana votoaty

Telo mirahavavy manana talenta ara-mozika avy ao Israely no namoronany tarika iray izay nahazo mpanaraka azy teo amin'ny tontolo Miozolmana

Nofohazin'izy ireo ny hira Yemenita fahiny, sady nafangarony amin'ireo feonkira elektronika fandihizana tsy hay tohaina sy ny gadona hip-hop. Nomen'i Tair, Liron sy Tagel Haim (tsy tokony hafangaro amin'ilay tarika Haim, telo mirahavavy mpanao rock any Los Angeles)  anarana ny tarika misy azy ireo hoe A-WA, Teny Arabo Ejipsiana midika hoe “eny.”

“Anarana fohy io, tena manintona, tena tsara,” hoy Tair Haim. “Sahala amin'ny zavatra izay tianao antsoina mandritra ny fankalazana iray mba hampihorakoraka hampifaly olona”

Manintona sy tsara ihany koa ny “Habib Galbi”, rakikira voalohany tsy nahitana afa-tsy hira tokan'i A-WA :  Ao anatin'ilay lahatsarin-kira, miakanjo mavokely mamirapiratra sady manao fehintenda, ary mitaingina jeep fotsy manerana ny tany efitra ireo tanora vehivavy. Avy eo mifaninana mandihy aminà tanora tovolahy telo manao akanjo ambony miloko manga Adidas ry zareo.

Tonga tany Isiraely avy any Yemen ireo ray aman-drenibe an'izy ireo. Fony fahakeliny, tao ampianarany tao amin'ny tanàna kelin'i Shaharut, ao amin'ny tany efitra atsimon'i Isiraely, nihira ireo hira Yemenita nentim-paharazana ireo mpirahavavy ireo.

“Sahala amin'ny Trano Kely Eny an-Tany Lemaka io, fantatrao?  Nahazatra anay ny nandeha an-tongotra tsy mikiraro sy mihira eo amin'ny rivotra. Nanana fahazazàna mamy tahaka izany izahay”, hoy Tair.

Tsy zavatra henonao matetika amin'ireo Jiosy Mizrahi izany. Jiosy izay avy amin'ny firenena Arabo na Silamo izy ireo, sady mponin'i Isiraely anisany tena mahantra sy iharan'ny tsindrihazolena. Nandritra ny taompolo maro, niady hitovy zo amin'ny Eoropeanina ry zareo, Jiosy Ashkenazi

Fa tanora iray tarika izay mitaky ny anjara lovany amin'ny faritra Afovoany Atsinanana ry Haim mirahavavy avy. Ankehitriny, milaza izy ireo fa tsara maha-Mizrahi. Inona koa no ankoatr'izay, nanjary nahazo mailaka mpankafy avy amin'ny Tontolo Silamo rehetra izy ireo._

“Eny, mahazo fanehoankevitra maro avy any Yemen sy Maraoka izahay sady mahatalanjona, fa hoe fantatry ny olona fa avy any Isiraely izahay, ary izany aza no itiavany ilay mozika, ary mahatsiaro ho mifandray aminy ry zareo ary dia mankafy azy ry zareo,” hoy Tair.

Manaraka ny dian'i Ofra Haza koa ilay tarika, ilay Isiraeliana mpihira izay nitondra ny mozika Yemenita ho an'ireo vahoaka manerantany tany amin'ny taona 1980.

Hitan'ny tarika ny fandraketana ny “Habib Galbi” tamin'ny taona 1960, avy amin'ny mpihira Shlomo Moga’av. Io no fotoana voalohany nahenoany ilay hira, ary gaga izy nandre lehilahy iray nihira azy io.

“Toy ny fahitàna harena sarobidy miafina  io, satria ireo hira ireo izay antsainay ao anatin'ity rakikira ity, dia hira noforonin'ireo vehivavy any Yemen, sady toy ny lovan-tsofina”, hoy Tair. “Tany Isiraely ihany ireny hira ireny no noraketina nandritra ny taona 50 sy 60.”

Midika hoe “Fitiavan'ny Foko” ny “Habib Galbi”, fa avy amin'ny fomba fijerin'ny vehivavy iray izay nilaozan'ny tiany.

“Tsy afaka manoratra sy mamaky teny ny vehivavy any Yemen, sady tsy mahazo mivavaka miaraka amin'ireo lehilahy”, hoy Liron. “Noho izany ny làlana tokana hahafahan'izy ireo maneho ny aingam-panahiny sy ny fihetsempony dia avy amin'ireny hira ireny. Ao daholo ny mikasika ny ahiahiny sy ny fahasahiranany.”

Te hanome hanisaka ireny hira tranainy ireny ho maoderina ireto mpirahavavy ireto. Nila mpamokatra ry zareo. Ary noho izany no nandefasany fampisehoana tany amin'i Tomer Yosef, mpikambana iray ao amin'ny vondrona elektronika malaza Isiraeliana Balkan Beat Box.

“Indray andro, nanapa-kevitra Tomer ny handray ny fampisehoanay sady nanome azy io ho an'ireo vehivavy antitra Yemenita”, hoy Tair. “Tian-dry zareo ilay izy sady nieritreritra izy ireo fa avy any Yemen izahay. Toy ny hoe vehivavy antitra avy any Yemen izahay.”

Izany no feo nokatsahan'izy ireo.  In-400,000 no voajery tao amin'ny YouTube ny lahatsary ho an'ny “Habib Galbi”.  Navoaka tao amin'ny pejy Facebook “Mipsterz” (Muslim Hipsters) mihitsy aza izany. Mitetika ny hamoaka ny rakikira fiaingàny izy ireo aoriana kely amin'ity taona ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.