Aina Ny Rano Ho An'ny Vahoaka Sarayaku Ao Ekoatora

Invitation to Forum for the premier of the Sarayaku videos.

Fanasàna hanatrika ny resadresaka amin'ny fandefasana voalohany ny lahatsary Sarayaku.

Manana tolona lava sy voarakitra tsara nanoherany ny fitrandrahana solika, entona ary mineraly tao amin'ny taniny any amin'ny ilany afovoany-atsimo amin'ny Amazona-Ekoatoriana ireo vahoaka Kichwa ao Sarayaku. Ho fiarovany ny tany, nohararaotin'ny vondrom-piarahamonina Sarayaku mba hilazàna ny tantaran-dry zareo momba ny fandavahana tany ny tombontsoa entin'ny fahatakaran-davitra ananan'ny media niomerika. Niarahana namokatra tamin'ilay vondrom-piarahamonina, manome topimaso amin'ny hetsi-panoheran-dry zareo ilay lahatsary fanadihadiana nahazo loka: Ireo ankizin'ilay Jaboady“.

Nitondra aingam-panahy ho an'ireo andian-taranaka indizeny mpamokatra lahatsary taty aoriana mba hamokatra ny azy ireo manokana ny fahombiazan'ilay fanadihadiana. Eriberto Gualinga, mpamokatra sarimihetsika no iray amin'ireo mpitarika amin'ity sehatra ity, ary nampakatra lahatsary fohy maromaro ho ao amin'ny fantsony YouTube. Ho fanampin'ireo lahatsary, nametraka tranonkala iray ihany koa ilay vondrom-piarahamonina ary tena mavitrika ety amin'ireo media sosialy toy ny Twitter (@Sarayaku_Libre) sy Facebook, izay ahafahan'izy ireo mifandray tsy tapaka amin'ireo mpanohana azy sy mitatitra mivantana izay rehetra fivoarana vaovao natao.

Raha toa ny Fitsaràna Momba ny Zon'Olombelona Iraisan'ireo ao Amerika (IACHR) tamin'ny 2012 namoaka didy nanome rariny ny vondrom-piarahamonina Sarayaku, tamin'ny filazàny fa tsy maintsy maka ny hevitr'ireo vondrom-piarahamonina voakasika aloha ny governemanta Ekoatoriana alohan'ny hanaovany sonia ny fifanarahana fandavahana na fitrandrahana, mbola miatrika tsindry tsy mitsahatra hatrany kosa ny vahoaka ao Sarayaku.

Ho fomba iray mitohy hitrandrahana ireo karazana fitaovana samihafa fanaovana lahatsary fandraisana andraikitra, nifanome tànana amin'ny El Churo Collective ny vondrom-piarahamonina Sarayaku mba hanofana ireo tanora avy aminy, hatramin'ireo vondrom-piarahamonina indizeny hafa manodidina azy mba hianatra ny fomba famoronana lahatsary dizitaly mandrakitra ny zava-misy iainan-dry zareo sy hanamafisany ny fanolorantenany hiaro/hitahiry ny tontolo natoraly manodidina azy. Tetikasa iray nahazo ny fanohanana ara-bola tamin'ny Rising Voices tamin'ny 2014 izy io, ho toy ny ampahany amin'ny fandraisana andraikitry ny Rising Voices Amazonia .

Ao anatin'ity lahatsary voalohany avy amin'ilay tetikasa ity, miteny amin'ny fiteny Kichwa ilay mpitantara milaza ny maha-zava-dehibe ny rano ho an'ireo vahoakan'ny Sarayaku. Amin'ny alàlan'ny fampiasàna ny sehatra Amara fametrahana dikanteny, dia efa azo jerena amin'ny endriny misy dikanteny Anglisy ankehitriny ilay lahatsary ary misokatra amin'ny hafa mba hahafahana mametraka dikanteny amin'ny fiteny hafa.

Ireny lahatsary sambany nalefa voalohany taminà hetsika isankarazany tany Quito sy Sarayaku ireny, dia narahan'ny fifanakalozan-dresaka sy adihevitra momba ireo lohahevitra navoitrany. Mbola hanasongadina lahatsary misimisy kokoa avy amin'ilay tetikasa izahay ato anatin'ny herinandro vitsivitsy hoavy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.