‘Ho An'ny Fianakavianay No Maha-Eto Anay': Mpiasa Filipiana Mitokona Mifampizara Fanantenana Ho An'ny Ampitso

We are fighting for regularization so that we will not lose our livelihood. This is for all the workers abused by the company

“Mitolona ho amin'ny fanaovana izay haha-ara-dalàna izahay mba tsy hahavery fihinanana anay. Ho an'ireo rehetra mpiasa iharan'ny fanararaotan'ny orinasa ity.” Ronald | 4-taona nanaovana asa tsy raikitra tao Tanduay

Na eo aza ny filàm-baniny ataon'ny mpitandro filaminana sy ireo jiolahimboto mahery setra, manohy ny herinandro faharoa anaovany fitokonana ireo mpiasa ao amin'ilay fanaovana zava-pisotro an'ilay faharoa manankarena indrindra ao Filipina, .

Tao anaty fanambaràna fohy nangonin'ny vondrona media ST Exposure ary nozaraina tao amin'ny  Facebook, mamaritra ny tolony niainga tamin'ny lasa ho amin'ny fanantenana ny hoavy ireo mpiasa ao amin'ny Tanduay Distillers Inc..

Manodidina ny 90 isanjato amin'ireo mpiasa ao Tanduay no “mpiasa tsy raikitra,” izay mamokatra ny zava-pisotro misy alikaola malaza indrindra ao Filipina. Ireo mpiasa tsy raikitra ireo dia mpiasa tsy mahazo izay tombontsoa farany ambany tokony ho an'ny mpiasa. Ny fampanaovana fifanarahana asa tahaka izany dia zava-panao mahazatra ireo orinasa maro ao Filipina—izay zatra mampihena ny masonkarena amin'ny famokarana.

Ny 397, tsy ampiana, tsy analàna, amin'ireo mpiasa tsy raikitra ao Tanduay no tsy voaray miverina miasa intsony ny volana manaraka, taorian'ny nametrahan'ireo mpiasa fitarainana tany amin'ny Departemantan'ny Asa sy ny Fampananana asa.

Ireto fijoroana vavolombelona manaraka ireto no mahalaza ny hetahetam-pon'ireo mpiasa tsy raikitra, izay maniry ny hanana asa azo antoka sy fepetra mendrika kokoa.

dddffgggxsss

“Noho ny fandroahana faobe, ho voadona ny ankohonanay. Satria efa antitra izahay, ho sarotra aminay ny hitady asa vaovao.” – Antonio | 6-taona nanaovana asa tsy raikitra tao Tanduay.

“We’ve been here for 7 years, but we’re still contractual. According to the law, we should be regulars already. I think they’re swindling us.” - Raffy | 7-year contractual worker in Tanduay.

“7 Taona izahay no teto, nefa dia mbola mpiasa tsy raikitra hatrany. Araka ny lalàna, efa tokony ho mpiasa raikitra izahay. Mihevitra aho fa solokian-dry zareo izahay.” – Raffy | 7-taona nanaovana asa tsy raikitra tao Tanduay.

“I like to have job security.” - Rodel | 9-month contractual worker in Tanduay

“Te-hanana fiantohana arak'asa aho.” – Rodel | 9-volana nanaovana asa tsy raikitra tao Tanduay

“We’ve been in Tanduay for so long and suddenly we’re sacked from work. We went on strike for our families.” - Jarvie | 4-year contractual worker in Tanduay.

“Efa ela be izahay no teto Tanduay ary tampotampoka teo dia noroahana tsy hiasa. Manao fitokonana izahay ho an'ny ankohonanay.” – Jarvie | 4-taona nanaovana asa tsy raikitra tao Tanduay.

“It’s hard for us always being contractual. We demand to have benefits because our wages are not enough. Even as we give wealth to the nation." - Gary, 1-year contractual worker in Tanduay.

“Sarotra ho anay ny hitoetra hatrany ho mpiasa tsy raikitra. Takianay ny hanomezana ny tombontsoa satria tsy ampy ny karamanay. Na dia mampanankarena ny firenena aza izahay.” – Gary, herintaona nanaovana asa tsy raikitra tao Tanduay.

“Even if we don’t join the strike, we will still be removed from work. This is our right.” - Jan Erish, 1-year contractual worker in Tanduay.

“Na dia tsy tonga manatevin-daharana ny fitokonana aza izahay, dia mbola ho esorina tamin'ny asanay ihany. Zonay io.” – Jan Erish, herintaona nanaovana asa tsy raikitra tao Tanduay.

“The strike is important so the demands of us contractual workers for regularization of work will be heard.” - Lester, 12-year contractual worker in Tanduay.

“Zava-dehibe ny fitokonana, mba ho re ny fitakianay mpiasa tsy raikitra, hanaovana izay haha-ara-dalàna anay.” – Lester, 12-nanaovna asa tsy raikitra tao Tanduay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.