Qatar: Tonian-Dahatsoratra Saika Nidiran'Angano Noho Ny Resaka “Kama Sutra”

Qatari newspaper editor Jaber Al Harmi quit after this Kuma Sutra henna tattoo photograph appeared in his newspaper

Nametra-pialàna i Jaber Al Harmi, Qatari tonian-dahatsoratra aminà gazety iray, taorian'ny nivoahan'ity tombokavatsa nampiasàna henné, nalaina avy amin'ny Kuma Sutra ity tao amin'ny gazetiny

Nametra-pialàna androany (1 Jona) ilay Qatari Jaber Al Harmi, tonian-dahatsoratra aminà gazety iray, taorian'ny nivoahan'ity sarinà tombokavatsa ampiasàna ny ‘henné‘ maneho amin'ny antsipirihany olon-droa manao firaisana ara-nofo ity tao anatin'ireo pejy fanampiny miresaka fahasalamàna ao anatin'ny gazety mpiseho isanandro,  Al Sharq Arabic. Mety ho tsy hitan'ny mpanivana ilay sary, rehefa nipoitra tao anatin'ny lahatsoratra iray momba ny loza ateraky ny henné.

Ao anaty taratasy iray ao amin'ilay gazety, niala tsiny noho ilay “hadisoana” i Al Harmi, izay nitranga tao amin'ny pejy faha-112 nisian'ny olana, nandray feno ny andraikiny tamin'ny namoahana ilay sary “nahatohina” tao amin'ny gazety iray mpiseho isanandro ao anatinà firenena iray Silamo mpitahiry ny nentin-drazana.

Noraisina ho fahasahiana sy noderain'ireo Qatari mpisera teny anivon'ny media sosialy ny fihetsika nataony, izay nandefa ny tenifototra #الحرمي_استقالتك_مرفوضة ho an'i  Al Harmi,  midika hoe “Lavina ny fametrahanao fialàna”.

Nolavin'ilay gazety ny fametrahana fialàna nataon'ilay mpanao gazety, izay efa niasa nandritry ny 25 taona.

Ity mpampiasa Twitter ity miteny amin'ireo mpanjohy azy hoe:

Amin'ny maha-mpampiasa Twitter, laviko ny fametrahanao fialàna. Deraiko ny fahasahianao sy ny fanekenao [ny hadisoanao] ao anatin'ny fotoana izay maro no mandà tsy mety hiatrika ny nataony. io no antony andàvako ny fametrahanao fialàna

Hoy i Faisal bin Jassim Al Thani amin'ireo 267.000 mpanjohy azy ao amin'ny Twitter:

Porofon'ny maha-olo-mendrika azy ny fametrahana fialàna nataon'Ing. Jaber, izay niantsoroka tamim-pahasahiana ny andraikiny ary mahavita miatrika ny raharaha. Nitondra fanovàna ho an'io gazety io izy.

Ary niaro azy i Salem, zanaka lahin'i Al Harmi :

Tsy mbola nahita mihitsy aho olona tia ny asany, tahàka an-draiko. Ary rehefa anontanianao azy ny antony, dia hoy izy : Misy zavatra vaovao hatrany sy fanamby vaovao isanandro. Nahavita 25 taona tamin'ny asa fanaovana gazety izy

Tao anaty lahatsoratra tranainy iray an'ny Paraglider, Dave McClure, mponina ao Qatar, no manazava ny antony mahatonga izay mety ho resaka mamofompofona firaisana ara-nofo ho lasa olana ho an'ny firenena mpifikitra amin'ny nentin-drazany :

Raha ho an'ny governemanta dia manohitra ny maha-Silamo ny resaka vetaveta ka tsy tokony homena alàlana ao amin'ny firenena. Ny fanananao zavatra mifandraika amin'ny vetaveta dia mety hiafara aminà sazy tena henjana, tafiditra amin'izany ny famonjàna na fandroahana. Toy ny fomba fitantanana ny resaka zava-mahadomelina no fomba iatrehana ny resaka vetaveta, ary mitovy ny sazy raha tratra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.