Kambodza: Mitotongana ve ny toe-tsain'ireo moanina

Tena niteraka resaka nanahirana mihitsy ny fandrenesana tao ho ao ny fitontongan'ny toe-tsain'ny moanina, hatramin'ny niantohan'ny Lalampanorenana ny Bodisma ho fivavaham-panjakana ary ny fahitana fa saika Bodista daholo ny ankamaroan'ny Kambojiana..

Matetika ireo moanina ireo no tratra nanao fihetsika mahery setra na fitondra-tena tsy maotina ka tafiditra amin'izany ny fanaovana firaisana ara-nofo sy ny fijerena horonan-tsary mamoafady. Efa nisy  ny tranga iray izay nitaterana fa misy lehibena moanina any amin'ny faritany mamo ka namono mpitondra fivavahana  iray izay tsy nametraka fitoriana noho ny antony ara-piarovana satria fantatra fa io moanina  mpihetraketraka io no moanin'ny mpanjaka eo amin'ny faritany. Vao haingana,  tratra ny moanina iray naka horonan-tsarimihetsika-na vehivavy miboridana izay nankao amin'ny monasiterany noho ny fidiovana ara-pivavahana, finoana mametraka fa ny rano atondraky ny moanina dia manala ny vitan-dratsy rehetra sy mitondra soa ho an'ny olona. Tonga hatrany amin'ny fisamborana ny famotorana rehefa nisy ny fifampizarana haingana dia haingana tamin'ny alalan'ny Bluetooth avy amin'ny finday iray mankany amin'ny finday iray hafa. Nampisy fanontaniana mikasika ny firoborobon'ny fotodrafitr'asa mikasika ny teknolojia any Kambodza izany, izay mahamora ny fahazoana zava-mamoha fady maro . Na izany aza, araky ny hevitr'i Chan Nim, dia ankinina amin'ny fahatsapan-tenan'ny tsirairay ny fampiasana araka izay mety ny teknolojia .

Etsy ankilany, betsaka ireo moanina tsara fitondran-tena no mahatakatra ny anjara toeran'ny teknolojia eo amin'ny fampivelarana ny fampianaram-pinoana.Raha efa mahazatra ankehitriny ny mahita ireo bilaogy ataon'ireo tanora izay miresaka momba ny tontolo ara-piaraha-monina, ara-teknolojia, na adihevitra manokana, misy koa amin'izao fotoana, ireo bilaogy miompana amin'ny lohahevitra fanaon'ny Bodisma toy ny  Bodhikaram, Saloeurm, Khmerbuddhism. Efa azo jerena amin'ny aterineto amin'izao fotoana izao koa ny fampianarana lalindalina kokoa mikasika ny filozofia Bodista amin'ny fanehoan-kevitra fohy na , rakibolana , fandraisam-peo, na bokin-dahatsoratra amin'ny teny Anglisy na/sy Khmer. Ankoatra izany, maro ireo moanina izay miezaka araka izay tratrany ny aterineto mba hahazoana mpanaraka [mpamaky] maro. Nizara tamin'ny fomba hentitra ireo fampianarana Bodista tamin'ny alalan'ny  face-book, ohatra ny olo-mendrika  Saloeurm Savath, amin'izay hahafahany mifandray mora dia mora amin'ny mpanaraka azy izay mitady fanazavana fanampiny mikasika ny Fitsipika Bodista sasany na ireo vahaolana .

Anisan'ny lova ara-kolotsaina ny ara-panabeazan'i Kambodza ireo Pagody sy ireo moanina ireo. Manohy mitondra soa maro ho an'ny fiaraha-monina izy ireo. Antenaina fa hihamafy  kokoa ny toe-tsain'ireo moanina mba hampahery ny olona hijoro amin'ny fatokisany sy ny finoany ny Bodisma izay nitondra soa goavana tamin'ny fampihavanam-pirenena sy ny fiadanana ara-tsaina, toy ny nahao ireo sisa velona noho ny nataon'ny Khmer Rouge izay mitazona hatrany ireo fampianarana Bodista mba hanovany ny valifatiny sy ny hatezerany ho lasa manana toe-tsaina feno fanantenana sy fiadanana .

Sary avy amin'ny pejy flickr an'i  Adam Jones, Ph.D.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.