Tsy Ara-dalàna Ao Rosia Intsony Ve Ny Anonymizers Amin'ny Aterineto?

Russian officials have long debated banning Tor and other anonymizers. Images mixed by Tetyana Lokot.

Efa ela ny manampahefana Rosiana no niady hevitra momba ny fandraràna ny Tor sy ny mpanafina anarana (anonymizer) hafa. Sary namboarin'i Tetyana Lokot.

Nanapa-kevitra hanakatona ny ampahan'ny habaky ny RosKomSvoboda, fikambanana Rosiana miaro ny fahalalahan'ny aterineto sy ny zon'olombelona ny Fitsarana  Rosiana, satria nolazainy fa “mpanafina anarana” –  fitaovana ahafahan'ny mpiserasera miditra amin'ny votoaty sy habaka mety ho voaràra ao Rosia izany habaka izany. Manaitra ny didim-pitsarana satria tsy voaràra ao Rosia amin'izao fotoana izao ny fitaovana tahaka izany.

Noraisina tamin'ny 13 Aprily ny fanapahan-kevitry ny fitsarana, raha nanapa-kevitra hanakatona ny http://rublacklist.net/bypass –sampan'ny habaky ny RosKomSvoboda manome torolalana momba ny fomba hialàna amin'ny geoblocking [fanakanana ara-toerana] sy ny fomba idirana amin'ny habaka tafiditra lisitra maintin'i Rosia ny fitsarana ao an-tanànan'i Anapa (faritra Krasnodar, Rosia). Milaza ny didim-pitsarana fa “anonymizer” [mpanafina anarana] ilay habaka ary amin'ny “fampiasana ity habaka ity, afaka miditra tsy voafetra amin'ireo votoaty voaràra, toy ny votoaty mahery fihetsika, amin'ny alalan'ny fidirana tsy ilàna mitonona anarana na solon'adiresy IP ny mpiserasera.”

Na dia nilatsaka tamin'ny  volana Aprily taorian'ny fampiakaran'ny mpampanoa lalàna ny raharaha tany amin'ny fitsarana ambony aza ny didim-pitsarana, tamin'ny 27 May ny RosKomSvoboda vao nahalala izany ary tsy mba nahazo fampitandremana mihitsy, hoy ny mpisolovavan'ny fikambanana, Sarkis Darbinyan. Nilaza ihany koa i Darbinyan fa gaga izy ireo raha nolazaina fa anonymizer ny pejy, kanefa tsy ahitana fitaovana tahaka izany fa toromarika fotsiny hoan'ny mpampiasa aterineto. Mikasa hampiakatra ny raharaha any amin'ny fitsarana ambony ny ekipa misahana ny lalàna ao amin'ny fikambanana.

Artem Kozlyuk, filohan'ny RosKomSvoboda niantso ny fiampangana sy ny didim-pitsarana ho “tsy mitombina”, ary nanontany tena raha fantatr'ireo manampahefana tsara ny atao hoe “anonymizers”

The workers of the law enforcement demonstrated their complete incompetence in the basic knowledge of all the common technical aspects of the network, though even youngsters can understand it. The anonymizers, proxies and browsers are multitask instruments, helping to search the info on the Internet.

Nampiseho ny tsy fifehezany tanteraka ny fahalalana fototra momba ny lafiny ara-teknika mahazatra amin'ny tambajotra ireo mpiasan'ny fampiharana ny lalàna, na dia ny tanora aza anefa mahalala izany. Fitaovana manana asa maro ny mpanafina anarana, ny proxy ary ny mpitety, manampy amin'ny fikaroham-baovao ao amin'ny aterineto.

Na dia manonona ny anonymizer aza ny fitsarana, minia mihodikodina eo izy ampidirana ny pejy habaka RosKomSvoboda ho ao anaty lisitra mainty. Satria “manamora ny fidiran'ny mpiserasera ao amin'ny habaka tafiditra anaty lisitra Federaly ho avy amin'ny Extremista ny fanazavana ao amin'ny pejy,” tokony ho “voarara ao amin'ny Federasionan'i Rosia,” izany pejy izany, araka ny lahatsoratry ny didim-pitsarana nivoaka antserasera. Notanisain'ny Fitsarana ihany koa ny votoaty extremista sasantsasany izay azo idirana amin'ny alalan'ny fampiasana ny toromarika fanivahana ihany koa ny fitsarana ary mampiasa ny lalàna miady amin'ny hetsika ataon'ny extremista ho antony voalohany nahatonga ny fandraràna.

Na izany aza, mampiahiahy ny fanononan'ny fitsarana mazava ny voambolana “anonymizer” hoy toy ny iray amin'ny santatry ny fanakatonana pejy, rehefa fantatra fa tsy voaràra ao Rosia namin'izao fotoana izao ny fampiasana na famoaham-baovao amin'ny anonymizer, lohamilina proxy sy ny fitaovana hafa mitovy amin'izany.

Niady hevitra momba ny famerana ny VPN sy ny anonymizer ireo manampahefana Rosiana tao anatin'ny taona vitsy. Tamin'ny 2013, nitatitra ny haino aman-jery fa nikasa handresy lahatra ny Antenimieram-Panjakana Duma amin'ny famolavolana fandraràna ny “Tor sy ny lohamilina proxy manafin-tserasera hafa” ny Sampam-pitsikilovana Federaly (FSB), saingy mbola tsy nivoaka avy ao anatin'ny komity ny hevitra. Tamin'ny Febroary 2015, nilaza i Leonid Levin, solombavambahoaka mitarika ny vaomiera parlemantera misahana ny politikam-baovao sy ny fifandraisana fa mila ferana ny fidirana amin'ny fitaovana manafin-tserasera sy ny fitaovana fanivahana toy ny Tor, VPN ary ny lohamilina proxy. Tamin'ny 2014, nanolotra vola efa ho 4 tapitrisa robla (eo amin'ny $ 100.000 USD) hoan'izay olona mahita fomba famakiana ny tahiry alefa ao amin'ny tambajotra Tor ny Minisitry ny Atitany Rosiana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.