Olona Nanjavona 30 Farafahakeliny Namerina ny Herisetra ao Meksika

Mosaico con fotos de algunos de los desaparecidos de Chilapa. Imagen tomada del blog Sopitas.

Sary natambatambatra ahitana ireo olona sasany nanjavona tao Chilapa. Sary nalaina tao amin'ny bilaogy Sopitas.

Nanatri-maso herisetra mahatsiravina indray i Meksika, tao Chilapa de Álvarez ao amin'ny fanjakana amorontsiraka andrefan'ny fanjakan'i Guerrero indray tamin'ity indray mitoraka ity, ka tao anatin'ny andro vitsivitsy dia olona 30 no nanjavona nandritra ny bemidina nataona vondrona mitam-piadiana tsy mbola fantatra hatramin'izao.

Miasa ao amin'ny fanjakana ny andrimasom-pokonolona na vondrona fiarovan-tena (izay zary fahita ao Meksika noho ny “ady” amin'ny zava-mahadomelina), sy ireo vondrona maromaro tafiditra anatin'ny fikambanan-jiolahy. Mikasika ny fanjavonana, nanamarika ny ben'ny tanàna ao an-toerana, Francisco Javier García González, hoe:

Estas personas fueron privadas de su libertad del 9 al 14 de mayo. Es un punto estratégico (Chilapa) para obtener sus enervantes y hacer su tránsito hacia otros estados, es a lo que yo le atribuyo la violencia. Vinieron a hacer limpieza del otro grupo delictivo y levantaron, presuntamente, a los halcones de Los Rojos.

Noesorina tamin'ny vahoaka ny fahafahany nanomboka ny 9 ka hatramin'ny 14 Mey. Eo ny toerana stratejika (Chilapa) andraisana ny zava-mahadomelin'izy ireo sy itateran'izy ireo any amin'ny firenen-kafa, tovanako herisetra eo ambaniny. Tonga izy ireo hamafa ilay andian-jiolahy iray hafa ary lazaina fa nanaisotra ny halcon-n'ny Los Rojos (toby).

Tetirihana na levantón (ascenseur) no voambolana ampiasaina ao Meksika ilazana ny fakàna an-keriny tsy ara-dalàna ataon'ireo fikambanan-jiolahy, raha toa ka halcón (voromahery) no ilazana ireo mpanome vaovao mpanohana azy ireo.

Andro vitsivitsy taty aoriana, faty efatra no hita tao amin'ny faritra ary lazaina fa misy ifandraisany amin'ny fanjavonana, araka ny tatitry ny Proceso :

Cuatro cuerpos con el rostro desollado fueron encontrados esta mañana en las inmediaciones del poblado de Nejapa, perteneciente al municipio de Chilapa de Álvarez.

Los cadáveres envueltos en cobijas estaban tirados frente al pequeño panteón del poblado indígena, ubicado a cinco minutos de la cabecera, sobre la carretera que conecta con el municipio de Ahuacuotzingo.

Faty efatra miendaka hodi-tava no hita androany maraina tao amin'ny manodidina ny tanàna ambanivohitr'i Nejapa, ao anatin'ny kaominina Chilapa de Alvarez.
Natsipy teo anoloan'ny tanim-pandevenanan'ny fiarahamonina indizeny, dimy minitra miala ny loharano ambonin'ny lalana mampitohy amin'ny kaominina Ahuacuotzingo ireo vatana mangatsiaka nosaronana bodofotsy.

Nitatitra ny vaovao ihany koa ny bilaogy Sopitas ary nanipika fa mety nandray anjara tamin'ny herisetra ny fianakavian'ny mpiasam-panjakana iray.

Recientemente, al menos 16 personas fueron secuestradas por sujetos que tomaron el control del municipio por cuatro días en busca de miembros del grupo criminal Los Rojos.

De acuerdo con la investigaciones, los ataques están relacionados con el grupo conocido como “Los Ardillos”, dirigidos por la familia del presidente del Congreso, el diputado perredista Bernardo Ortega Jiménez.

Raha kely indrindra dia olona 16 no vao niharan'ny fakàna an-keriny nataon'ireo olona nifehy ny tanàna tao anatin'ny efatra andro nitadiavana ireo mpikambana ao amin'ny fikambanan-jiolahy Los Rojos.

Araka ny fanadihadiana, misy ifandraisany amin'ny vondrona fantatra amin'ny anarana hoe “Los Ardillos”, tarihin'ny havan'ny filohan'ny Kongresy, solontenan'ny Antokon'ny Revolisiona Demokratika Bernardo Ortega Jiménez ny fanafihana.

Niditra Twitter ny Meksikana mba haneho ny heviny mikasika ity vaovao lehibe ao Guerrero ity. Mpisera Madame Déficit nampifandray ity zava-nitranga ity tamin'ny vono olona tao Tlatlaya sy ireo mpianatr'i Ayotzinpa nanjavona:

Tlatlaya, Ayotzinapa, ary ankehitriny Chilapa … mbola misy olona misalasala ve fa tsy voafehin'ny filoha Peña intsony ny firenena?

Nanamarika i @panaclo fa tsy fantany ny momba izany kaominina izany hatramin'ny nivoahan'ny vaovao ratsy:

Tsoriko fa izao vao fantatro avy amin'ny ireo fatiolona nanjavona sy novonoina ireo ny momba an'i Chilapa sy Ayotzinapa.

Nizara ity sary ity i Plumas Atómica:

Manjaka ao Chilapa ny herisetra: fampanjavonana sy vatana nendahin-koditra

Momba ny tsy fisian'ny fitantarana ataon'ny fampahalalam-baovao mahazatra,nanamarika i Yorch hoe:

Nahoana no tsy raharahiana ireo nanjavona tao Chilapa? Satria tantsaha sy mpiasa mpanao an-trano izy ireo? Tsia, satria tsy ahazoana tombontsoa ara-politika izy ireo.

Mandritra izany fotoana izany, nilaza ny tsy fahafantarana marina momba ny isan'ireo niharam-boina i Ximena Medellín :

“Miara miasa” ao Chilapa ny sampana telon'ny governemanta ary mbola tsy fantatray hoe firy ny isan'ny olonananjavona, aiza izy ireo?

Ny “sampana telon'ny governemanta” resahina eto dia ny fanjakana federaly, ny fanjakan'ny faritra ary ny fiadidiana ao an-toerana, izay fantatra fa miara-miasa hisoroka ny heloka bevava sy hampanjaka ny rariny.

Nihenjana ny ady tamin'ny 22 May 2015 ka naato ny fampianarana tao amin'ny faritra, araka ny filazan'ny vavahadim-baovao SDP Noticias :

De las instituciones educativas que suspendieron clases, 44 forman parte del preescolar foráneo, 30 del preescolar indígena, 27 de primaria foránea, nueve de primaria indígena, 18 servicios estatales, cinco secundarias generales y seis secundarias técnicas, además el delegado reconoció que las comunidades de dicha zona no se encuentran resguardadas por elementos de seguridad.

La planta docente que dejó de laborar de manera indeterminada corresponde a 892 profesores y a 15 mil 631 alumnos que no tienen clases.

Amin'ireo rafi-pampianara niato tsy niasa: 44 ny akanin-jaza vahiny, 30 ny akanin-jaza, 27 ny sekoly fanabeazana fototra vahiny, sivy ny sekoly fanabeazana fototra indizeny, 18 ny sampan-draharaham-panjakana, sekoly ankapobeny ambony dimy ary sekoly ambony ara-teknika enina. Ankoatra izany, niaiky ny solontena fa tsy voaaron'ny mpiasan'ny fiarovana ny firahamonina ao an-toerana.

Ny isan'ireo mpikambana ao amin'ny sampam-pianarana niato tsy niasa mandritra ny fotoana tsy voafaritra dia miisa 892 ny mpampianatra 892 ary 15.631 ny mpianatra.

Faritra ahitana mponina indizeny maro i Chilapa, ka anisan'ny fomba amam-panao nentim-paharazana ao ny dihy “Tlacoleros sy Maromeros” sy ny “adin-tigra”. Miorina ao akaikin'i Iguala, faritra izay lasa malaza be noho ny loza Ayotzinapa volana vitsy lasa, izay nangalàna ankeriny sy namonoana ireo mpianatra. Ny fanjakan'i Guerrero (izay misy an'i Chilapa sy Iguala) mpifanolo-bodirindrina amin'i  Michoacán, faritra iray hafa niharan'ny herisetra naterak'ilay antsoina hoe “adin'ny mpanondrana rongony Meksikana“.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.