Ny Fomba Nahalasa Ho Famantaram-Pirenena Ilay Zava-Pisotro Kyrgyz Voahotrika

Screen Shot 2015-05-27 at 21.43.00

Sary nataon'ilay Frantsay mpanaingo Nicolas Journet. Sary an'i Journet. Nasongadina tao amin'ny Kloop.kg.

Manana teny filamatra midika hoe “Tanjaka ny Shoro” ny mpaninjara goavana ilay zava-pisotro tsy misy alokaola ao Kyrgyzstan, teny izay manakoako manerana ireo vondrom-piarahamonina sy andian-taranaka.

Taorian'ny nahafatesan'ilay mpiara-manorina malaza ny orinasa, Tabyldy Egemberdiev, teo amin'ny faha-64 taonany tany am-piandohan'ity volana ity, dia vao mainka aza manakoako kokoa ilay teny filamatra amin'izao fotoana izao.

Olobe vitsivitsy no nitomaniana imasom-bahoaka tao Kyrgyzstan toa an'i Egemberdiev, izay nandray anjara tamin'ny lova ara-kolontsainan'ireo mpifindrafindra toerana tao amin'ny firenena — ireo zava-pisotro nahotrika — ary namadika azy io ho iray amin'ireo marika ara-barotra vitsivitsy mampiavaka any amin'ity fanjakana an-tendrombohitra ao Azia Afovoany ity, izay misy mponina eo amin'ny enina tapitrisa.

The co-founder of "Shoro" company

Tabyldy Ergamberdiev, mpiara-manorina ny Shoro. Sary nosintonina avy amin'ny fonon'ny gazetiboky One.

Raha toa ka ireo zava-pisotro somary marikivy toy ny kumis no mazàna malaza any amin'ireo kijàna an-tendrombohitra ao amin'io firenena io, na ny jailoo, ny lazan'ny Shoro dia ny fitondrana ny ambanivohitra hiakatra ny tanàn-dehibe.

Ao Bishkek, renivohitry ny firenena, tafiditra ao anatin'ny tontolon'ny lohataona ireo toby mpaninjara ny Shoro tantanin'ireo vehivavy manao fanamiana miavaka, mipetraka ao ambadik'ireo barika misy ireo fanalàna hetaheta mora vidy sy mahasalàma.

Ilay Frantsay mpanaingo, Nicolas Journet, izay nandalo tao Bishkek nandritry ny volana iray, dia nahazo aingam-panahy mba hitahiry mandra-maty ho ao anaty tantara an-tsary nantsoiny hoe “Vehivavin'ny Shoro” ireny mpivarotra an-kihon-dàlana mivarotra ilay zava-pisotro nasionaly ireny.

Ian Claytor, mpila ravinahitra miasa amin'ny sehatry ny fizahantany ao Kyrgyzstan, dia manome ny fototra sasantsasany amin'ny tantaran'ny Shoro:

shoro-girls_10904

Eto i Journet dia mandray ny endrik'ilay sary hosodoko mampahalaza ny vanim-potoana Sovietika niainan'ny ankizivavy iray mpianatra tao Kyrgyz sy ireo dokambarotry ny Shoro sasantsasany. Sary an'i Nicolas Journet, nasongadina tao amin'ny Kloop.kg.

Tsy tena mazava tsara ny antony nahatonga an'i Taalbyldy Egemberdiev nanapa-kevitra hiantso ny orinasany hoe “Shoro” … ao Kyrgyz io dia midika zavatra toy ny hoe “masirasira”. Ohatra, any Atsimon'i Kyrgyzstan dia misy rano mineraly voajanahary antsoina hoe Kara Shoro – ary ny rano avy amin'io manokana dia nalaza ho masirasira.

Notinaizan'ny reniny, nahazo diplaoma avy amin'ny Ivontoerana Politeknika ao Bishek i Taalbyldy ary lasa injeniera. Taorian'ny fahaleovantena dia lasa olo-malaza izy satria nanoratra mikasika karazan-javatra midadasika be tany anaty gazety. Mbola fantatra be kokoa anefa izy tamin'ny nametrahany sy nampivoarany ny marika sy orinasa Shoro … izay mamokatra rano mineraly tahaka ny Maksym. Nahazo fanasàna izy hanao resadresaka tany Tiorkia sy Etazonia – ary efa nihaona tamin'ny Filoha Clinton aza.

Raharaham-pianakaviana ny orinasa Shoro, tantanin'i Taalbyldy sy ny havany. Voatahiry ny feony nilazany hoe nanomboka ny asany taminà vola roanjato dolara Amerikana monja ry zareo, izay azony tamin'ny namarotany efatra tamin'ny ondrin-dreniny – ary osy roa. Milaza koa izy fa nanomboka taminà zava-pisotro iray “daba” – izay nentin-dry zareo nankany an-tsena ary nandafosany 80 litatra tao anatin'ny ora roa. Nilaozan-dry zareo ny asany ary nanomboka nanangana ilay orinasa ry zareo. Tany ampiandohana, ny zava-pisotro nentin-drazan'ireo Kyrgyz no novokarin'ilay fianakaviana avy tao amin'ny tranon'ny raibeny – nefa nony farany tsy naharaka ny tinady intsony ny tolotra … ny vokatra vita amin'ny andro namokarana azy, izay novokarina tamin'ny fomba nentim-paharazana tanteraka nampiasàna “kazans” lehibe (100 litatra), dia mety ho lafo daholo alohan'ny mitatao vovonana monja … noho izany dia nitarina ny famokarana mba hamaliana ny tinady ary ankehitriny dia misy dimy ny toerana famokarana, izay mamokatra fitopolo taonina isanandro. Alefa miondrana ny betsaka amn'ny vokatra – ho any amin'ny faritr'i Maosko ao Rosia indrindra indrindra.

Niteraka fanehoankevitra nisafotofoto teny amin'ireo mpampiasa Twitter tao an-toerana ny fahafatesan'i Egemberdiev tamin'ny 15 May.

Ny iray nanoratra momba ny fiankinan-doha amin'ny marika Shoro :

Nanomboka nanangona vola aho hividianana fiara iray, nefa tsy maharesy fakampanahy  ny tsy hividy Shoro

Ny Batman tsirairay dia mila Robin iray, ary ananan-drahalahiny trosa i Tabyldy, i Jumadil izay nanampy azy hanatanteraka ilay tetikasa niarahany. Natosiky ny tinady tsy mitsaha-mitombo amin'ilay zava-pisotro vokarin-dry zareo, nanao fampiasana vola be ireo mpirahalahy ary tsy nitsahatra nanao fanavaozana, nikisaka nankany amin'ny resaka rano mineraly.

Tao anaty tafatafa iray nampihetsi-po natao tamin'ny 2012,  Jumadil niteny tamin'ny #One magazine hoe:

МОЙ СТАРШИЙ БРАТ – генератор идей. Он – человек творческий, немного рассеянный и очень мудрый. Даже в школе он делал за меня задания, писал сочинения, а я выполнял его часть домашних обязанностей: колол дрова, таскал воду.

Loharanon-kevitra ny zokiko lahy. Olona manana famoronana izy, somary varimbariana indraindray, saingy tena hendry. Na tany an-tsekoly aza, nanampy ahy namita ny enti-modiko izy, nanoratra famoronan-dahatsoratra. Izaho no nanatanteraka ny raharaha an-tokantrano tokony ho anjarany: nikapa kitay sy nantsaka rano.

Tsy voafetra ho ao Kyrgyzstan ihany ny varotra ataon'ilay orinasa– hita any amin'ny tsena Kazakh sy Rosiana ihany koa ny Shoro. Ny Maksym, izay ny marika malaza indrindra ho zava-pisotrom-pirenena vokarin'ilay orinasa, dia lazain'ireo mpihodina any ivelan'ny masoivohon'ny Kyrgyz ao Washington DC, renivohitr'i Etazonia, ho anisan'ny tao anatin'ny Varavarana Misokatra natao ny 3 May. Mety ho “tsiro efa azo” sahady izy io ho an'ny lanilany tsy mbola nandre tsiro hafa.

Tilek Mamytov, Kyrgyz manao ny asan'ny Mpitantana ny Fandaharanasa Teknika ao amin'ny Google, no namintina ireo fahatsapàna avy amin'ny maro, rehefa nibitsika hoe:

Egemberdiev sy ny Shoro, raha ny hevitro, dia tantaram-pahombiazana iray ho an'ny rehetra. Ankehitriny dia velona ao am-pontsika sisa izy. Mampalahelo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.