Mandrara Rakikira noho ny Tononkirany Prô-LGBT i Singapôra

Screenshot from Jolin Tsai's music video 'We're All Different, Yet The Same'

Pikantsary avy amin'i rakikiran'i Jolin Tsai ‘We're All Different, Yet The Same’

FANAVAOZAM-BAOVAO: nanamafy ny Fahefana Misahana ny Fampandrosoana ny Media ao amin'ny governemanta fa notoroan-dry zareo hevitra tsy handefa ilay rakikira tao an-toerana ireo fampielezam-peo sy sary ao Singapôra noho ilay izy ‘ho an'ny olondehibe’.

Mandeha ny tatitra fa voarara tsy azo alefa ao Singapore ny hira sy ny fametrahana azy video “We're All Different, Yet The Same” [Samy Hafa Isika Rehetra Nefa Mitovy] an'ilay mpihira malaza Taiwaney Jolin Tsai.

Nolazaina fa nandefa filazana tamin'ny fantsona fahitalavitra sy fampielezam-peo misy ao amin'ny tanàna-firenena ny tsy tokony andefasana ilay hira ny Fahefana Misahana ny Fampandrosoana ny Media ao Singapore. Araka ny tatitra, nitranga izany satria mandrisika ny mariazim-pitoviana ho amin'ny fiarahan'olondroa mitovy endri-taovampananahana izay mifandaka amin'ny lalàna ao an-toerana ny tononkira. Miresaka momba ny lesbiana roa mitokantrano nandritra ny telopolo taona mahery ny rakikira an-tsary.

Efa ela no niadian-kevitra ny zon'ny pelaka tao Singapora, izay ilazan'ny politisiana fa mbola manaja fatratra ny nentindrazana ny vahoaka amin'ny ankapobeny ka tsy ho vonona amin'ny hanekena ny zon'ny LGBT. Notsipahin'ny Fitsarana Tampony tamin'ny herintaona ny fitakianm-pandravana ny andiany 377A amin'ny Lalàna ady heloka – izay mametraka ho heloka bevava ny firaisam-batana eo amin'ny samy lehilahy.

Tohanan'ny Singaporeana sasantsasany ny fandrarana, indrindra fa ireo nitabataba tamin'ny fanoheran-dry zareo ny hetsika fitakiana manohana ny zon'ny LGBT tahaka ny Pink Dot. Ao anatin'izany fanohanana izany i Adi Asjor ao amin'ny pejy Facebook We are against Pinkdot in Singapore [Manohitra ny Pinkdot eto Singapora izahay]:

What is the purpose of this marriage? To be happy for today? To satisfy their needs for today? What about tomorrow? Who will take care of their old age needs being childless (don't talk about adoption cos the child is the offspring of a man and wife). What about the next generation – same sex marriage means, simply put, the end of the road for them. Marriage is about procreation, about a system of family with children, about education, about the future of mankind. Marriage between man and woman is the foundation of the future of mankind. This IS the core value people must NOT forget.

Inona no anton'io mariazy io? Ho faly androany? Halifaliana ny filan-dry zareo androany? Ahoana ny rahampitso? Iza no hikarakara azy ireo rehefa mahazo taona ka tsy manan-janaka (aza miresaka fananganan-janaka satria ny zaza dia teraka avy amin'ny lehilahy iray sy vehivavy iray)? Ahoana ny taranaka manaraka – ny dikan'ny mariazin'ny mitovy endri-taovam-pananahana dia fiafaran'ny lalana ho azy ireo. Ho amin'ny fiterahana ny mariazy, ahoana ny rafitra fianakaviana misy zazakely, ahoana ny fitaizana, ny hoavin'ity taranak'olombelona ity. Ny mariazin'ny lehilahy sy ny vehivavy no fanorenana ny hoavin'ny taranak'olombelona. IZANY no soatoavina fototra TSY azon'ny olona adinoina.

Nampangidy lela ny maro amin'ny Singaporeana ny vaovao izay nanomboka niparitaka tamin'ny andro nifidianan'i Irelandy ny famelana ny mariazin'ny mitovy endri-taovampananahana:

Manantena aho fa ny fandrarana nataon'ny MDA no hahatonga ny rehetra hijery ny rakikira an-tsarin'i Joli Tsai ao amin'ny MV, satria vendrana ilay fandrarana ary tsara ny votoatin-kafatr'i MV.

Mampirintondritona ahy mihitsy ny fijoroana maharikoriko ataon'ity firenena ity amin'ny LGBT. 2015, manondro tena ho tanàna voalohany mivelatra manerantany nefa dia isika mbola tery saina fatratra.

Moa ve tsy mampihomehy raha amin'ny andro andraran'i Singapore votoatin-tononkira ahitana ny mariazin'ny pelaka, no nifidy hankasitraka izany i Irelandy?

Mitsikera ny fanapahan-kevitry ny MDA ny blaogera sady mpandala ny zon'ny LGBT Alex Au:

By contrast, the MDA’s move is not just regressive, it is risibly petty and self-defeating. Like many people, I had never heard of this song before. But now, it is being shared by many on social media. I am pretty sure Pink Dot organisers are thinking of a way to weave it into this year’s event.

Do they think Singapore can remain exactly where we are while the world moves on?

Mifangarika amin'izany, miverin-dalana ny hetsiky ny MDA, mampihomehy sy mamely tena. Tsy mbola naheno ilay hira, tahaka ny maro, koa aho taloha.Saingy ankehitriny dia lasa ifampizaran'ny maro ao amin'ny media sosialy. Matoky aho fa eo ampieritreretana ny fomba hanenomana ny hetsika amin'ity taona ity ny mpikarakara ny Pink Dot (Teboka Raozy).

Mieritreritra ve ry zareo fa afa-mijanona tsara eo amin'ny misy antsika isika raha mandroso izao tontolo izao?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.