Mahatsiaro Ny Tsingeritaona Nahavoafidy Ny Filoha Teo Aloha Khatami Ao Amin'ny Twitter Ny Iraniana Reformista

One of the #2nd_ofKhordad_Iam posters being circulated by reformists on Twitter.

Iray amin'ireo afisin'ny #second_ofKhordad_Iam naparitaky ny reformista tao amin'ny Twitter. Hoy ny vakiny, “Faharoan'i Khordad aho. Alefaso ny teninao mikasika ny faharoan'i Khordad miaraka amin'ny diezy #faharoaniKhordaho. #homedianiKhatamiisika”. Sary nalaina tao amin'ny kaonty Twitter-n'i Arash Bahmani.

Nalaza tao amin'ny Twitter teo amin'ireo reformista Iraniana ny diezy #دوم_خردادی_ام androany.

Mamadika ny “faharoaniKhordadaho”, milaza ny 2 Khordad 1376, daty Persiana manondro ny 23 May 1997 izany raha nandresy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny latsa-bato goavana 70% ilay kandidà reformista Mohammad Khatami.

Manome voninahitra ny tsingerintaonan'ny ny fifidianana an'i Mohammad #Khatami tamin'ny taona 76 ny reformista ao amin'ny haino aman-jery sosialy amin'ny diezy Twitter #faharoaniKhordadaho

Nanamafy ny lazany teo amin'ny vahoaka Iraniana ny nahavoafidy indray an'i Khatami tamin'ny volana Jiona 2001, izay nahazoany fandresena fanindroany tamin'ny 77%.

Nifototra tamin'ny fanalalahana sy ny fanavaozana ny sehatra fampielezan-keviny, ary nandritra ny fotoana niasany, niaro ny fahalalahana maneho hevitra, ny fandeferana, ny firaisamonim-pirenena sy ny fifandraisana ara-diplaomatika amin'ny Tandrefana izy.

Miresaka momba ny lova politika navelan'i Khatami, Asef Bayat, Iraniana manam-pahaizana sady mpikaroka ao amin'ny hetsika hoan'ny demokrasia ao Iran nilaza izao manaraka izao tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny BBC tamin'ny 2001:

First of all, there's a change in ideas, and that's very important. Khatami's discourse of civil society, democracy, transparency, rule of law, and all this – which were quite absent in the 1980s – became dominant concepts, so that even certain segments of the conservatives tried to speak a similar language

Voalohany indrindra, misy fiovana eo amin'ny hevitra, ary tena zava-dehibe izany. Ny lahatenin'i Khatami momba ny fiarahamonim-pirenena, ny demokrasia, ny mangarahara, ny fanjakana tan-dalàna, sy izany rehetra izany - izay tsy hita tamin'ny 1980 - dia nanjary fomba fijery malaza tanteraka ka na ny ampahany sasany amin'ny mpandala ny nentim-paharazana aza mba niezaka miteny fiteny tahaka izany ihany koa

Saingy simban'ny ady ihany koa ny fiadidian'i Khatami, izay mpanao politika maro mpandala ny nentim-paharazana no nanohitra ny fanavaozana nentiny.

Hatramin'ny nahavitan'ny fitondrany, mbola olo-malaza ara-politika manan-danja hatrany i Khatami. Nanohana ilay kandidà reformista ho filoham-pirenena, Mir Hossein Mousavi, izy nandritra ny fifidianana tamin'ny 2009. Nitarika ny fitazonana azy tsy hahazo hivoaka ny tranony, izay mbola mihatra mandraka androany, ny anjara toeran'i Mousavi taty aoriana ho mpamelona mpitarika ny Hetsika Maitso nanana ny lazany .

Nahatonga azy ho anatin'ny toerana mampidi-doza ao Iran ny mbola lazan'i Khatami ankehitriny sy ny fanohanany tsy an-kiato ireo olo-malaza mpanohitra tahaka an'i Mousavi: namoaka didim-pitsarana mandràra izay filazana momba an'i Khatami amin'ny fampahalalam-baovao Iraniana tamin'ny fiandohan'ity taona ity ny fitsarana, sampan'asa misaraka amin'ny fitondran'ny Filoha Hassan Rouhani ankehitriny.

Amin'ny afisy fanentanana nivezivezy androany, nizara ny sarin'i Khatami miaraka amin'ny diezy #رسانه_خاتمی_میشویم, midika hoe “ho haino aman-jerin'i Khatami izahay” ireo mpanohana azy. Mahagaga, tsy nanakana ny Iraniana hiditra haino aman-jery sosialy ny fandraràna ny haino aman-jery, ka niditra tamin'ny sehatra malaza tahaka ny Twitter izy ireo mba haneho ny fanohanany ny filoha teo aloha.

Adinoko ny mampatsiahy anao…#faharoaniKhordadaho

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.