Eny an-Dalan'i Dubai, Mitondra Harleys ny Vehivavy ary Mamotika ny Fitsarana an-Tendrony

A female rider on International Female Ride Day in Dubai. Credit: Amanda Fisher. Published with PRI's permission

Vehivavy iray mpitondra moto nandritra ny International Female Ride Day tao Dubai [Andro Iraisampirenena Itondran'ny Vehivavy Moto]. Saripika: Amanda Fisher. Navoaka noho ny alalana avy amin'ny PRI

Lahatsoratra sy tatitra am-peo avy amin'i Shirin Jaafari ho an'ny The World izay nivoaka voalohany tao amin'ny PRI.org tamin'ny 18 Mey 2015 ary navoaka eto indray noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

“Rehefa mitondra môtô aho dia tahaka ny ahy izao tontolo izao.”

Izany no fomba anoritsoritan'i Dana Adam ny iainany rehetra mitondra môtô izy — Harley-Davidson fa tsy ambanin'izany — manavatsava ny lala-malalak'i Dubai.

Tsy Dana Adam no tena anarany; nampiasa solona'anarana izy satria avy amin'ny fianakaviana iray matanjaka, mpandala ny nentin-drazana ao Yemen, izay ao anatin'ny nofinofy fotsiny izany mitondra môtô izany. “Tsy azo ekena io any Yemen,” hoy izy. “Tsy misy vehivavy mahazo mitondra môtô. Tsy hamela ahy na oviana na oviana hanao izany ny fianakaviako.”

Hitting the road again after a quick pit stop for karak chai. Credit: Amanda Fisher. Published with PRI's permission

Manavatsava indray ny arabe rehefa niato vetivety hanao karak chai [misotro kafe]. Saripika: Amanda Fisher. Navoaka noho ny alalana avy amin'ny PRI

Saingy manohy ny nofiny i Dana ao Dubai — ary tsy izy irery. Misy vondrona iray manontolo mihitsy ny vehivavy mitondra môtô ao Dubai, ary nanapa-kevitra ny hanoka-potoana miaraka amin'izy ireo ny mpanangom-baovao Amanda Fisher. “Hitako ny tanjaka ananan'ireto vehivavy eto ireto hihaika ny fitsarana an-tendrony mahery vaika maneho ny vehivavy Arabo ho voatsindrihazolena,” hoy i Fisher.

Milaza ny tantaran'ny vehivavy ireo mpitondra môtô izy, Shima Mehri, vehivavy Iraniana te-hitondra môtô hatry ny fahazazany. Mahazo mitondra [fiara] ny vehivavy any Iran, saingy tsy ara-dalàna ho azy ireo ny mitondra môtô imasom-bahoaka.

Nifindra nankao Dubai i Mehri sy ny vadiny rehefa 29 taona izy, ary tamin'izany fotoana izany no nahazoany fahazoan-dalana hitondra môtô. “Vao tonga teto Dubai aho dia niteny hoe ‘OK, izao no fotoana,'” hoy izy tamin'i Fisher.

Saingy tsy nisosasosa ny raharaha rehefa niteny tamin'ny reniny ny fahapahan-keviny i Mehri. Diso fanantenana [ny reniny] ary nanahy ny amin'ny ho fihetsiky ny fianakaviany amin'ny hitondran'i Mehri môtô.

Shima Mehri leading the pack of Dubai Ladies of Harley riders on International Female Ride Day. Credit: Amanda Fisher.  Published with PRI's permission

Shima Mehri mitarika ireo andiam-behivavy mitondra Harley mandritra ny andro iraisampirenena itondran'ny vehivavy môtô tao Dubai. Saripika: Amanda Fisher. Navoaka avy amin'ny alalan'i PRI

Tsy hoe niova hevitra fotsiny ny renin'i Mehri avy eo, fa niaiky tamin'ny zananivavy koa izy, fa efa nandeha môtô. “Nahazo hafatra miaraka amin'ny sary avy amin'ny reniny i [Mehri], ary ao amin'ny sary dia ahitana ny reniny ambony môtô ihany koa,” hoy i Fisher.

Nilaza i Fisher fa mifandray akaiky ireo mpitondra Harley-Davidson ao Dubai. Miara-mivoaka ny aina ny lahy sy ny vavy mpitondra môtô ho fiarovan'aina , sady mampiala voly rahateo ihany koa izany.

Dubai Ladies of Harley riders riding back to Dubai after marking International Female Ride Day two. Credit: Amanda Fisher. Published with PRI's permission

Vehivavin'i Dubai mpitondra Harley an-dalana mody rehefa nanamarika ny Andro Iraisampirenena Itondran'ny Vehivavy Môtô, andro faharoa. Saripika: Amanda Fisher. Navoaka amin'ny fanomezan-dalan'i PRI

“Karazana lafin-kavana ao amin'ny fianakavian-dry zareo ny vondron'ny Harley,” hoy izy.

Maro amin'ireo mpikambana ao aminy ihany koa no mpifindramonina ho ao Dubai. “Ahitana ny fiavian'olona maro tokoa ao,” hoy i Fisher milaza ilay tarika. “Ahitana Rosiana, Poloney, Alemana, Maraokana, Libaney ao.”

A Dubai Ladies of Harley rider on the road during International Female Ride Day. Credit: Amanda Fisher. Published with PRI's permission

Iray amin'ireo vehivavy mpitondra Harley ao Dubai teny an-dalana nandritra ny Andro Iraisampirenena Itondran'ny Vehivavy Môtô. Saripika: Amanda Fisher. Navoaka avy amin'ny fahazoan-dalan'i PRI

Ary raha ny eo amin'ny hafanana mamaivay indray, nilaza i Fisher fa mivoaka maraimbe ireo mpitondra môtô rehefa manakaiky ny asara [fotoana mafana]. Fa nahita fomba vaovao hialana amin'ny hafanana ihany koa ry zareo: fitafy mampangatsiaka.

Ahitana karazam-paosy azo anitrihana bolongan-dranomandry ny akanjon'ny mpitondra môtô, ahafahana mampangatsiatsiaka an-dry zareo mandritra ny roa ora.

“Sarotra ny manakivy ireto vehivavy ireto tsy hanamory,” hoy i Fisher.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.