Arzantina : Tantara Ratsy Ny Nilazàn'ireo Mpitsara Hoe Nihantsy Fanararaotana Ara-nofo Ilay Zazakely Enin-taona Lazaina Fa Tia Vehivav

Foto ilustrativa de una madre y su hijo o hija. Imagen tomada de la cuenta en Flickr de André Delhaye bajo licencia Creative Commons.

Sarinà reny sy zanaka tsy misy ifandraisany amin'ilay tranga resahana eto. Sary nomen'i André Delhaye maimaim-poana ao amin'ny Flickr, Fahazoan-dàlana Creative Commons.

Natao fantam-bahoaka vao haingana ilay fanapahankevitra nanafintohina tamin'ny tranganà fanararaotana ara-nofo nentina teo anoloan'ireo Mpitsara Horacio Piombo sy Ramón Sal Llargués, an'ny Fitsaràna Mpandrava Didy aminà Heloka bevava ao Buenos Aires.

Nahenan'ireo mpitsara roa ireo ny sazin'ny lehilahy iray nampangaina ho nanao fanararaotana ara-nofo tamin'ny zaza enina taona ho 38, mpitsara izay nilaza fa misy zavatra maro mitondra fanalefahana ilay tranga, izay nilazàna fa “manana firehana mitia olona mitovy fananahana aminy ary efa zatra nohararaotina ara-nofo” ilay niharan-doza.

Efa nahazo sazy enina taona an-tranomaizina, taorian'ny nanambaràn'ny fitsaràna azy fa meloka tamin'ny heloka fanararaotana ara-nofo henjana, ilay nampangaina, Mario Tolosa, filoha lefitra taloha tao amin'ny ekipanà baolina kitra izay nilalaovan'ilay zaza.

Ho valin'ny fanapahankevitry ny Fitsaràna, naneho ny fahatairany ny Federasiôna Arzantinan'ny Sarindahy, Sarimbavy, Manana fitaovam-pananahana roa ary Nanova fitaovam-pananahana (FALGBT), ary nanamafy tamin'ny masoivohom-baovao Andar Agencia fa hanao fangatahana ilay fikambanana mba ho fampitsaharana ny mpitsara Horacio Piombo sy i Ramón Sal Llargués amin'ny asany.

Estupor en la FALGBT por el fallo que habría reducido la pena a abusador sexual por supuesta orientación sexual de su [víctima]

Posted by Federación Argentina LGBT (FALGBT) on Saturday, May 16, 201

Fahatafintohinana tanteraka no ao amin'ny FALGBT manoloana ny fanapahankevitra nampihenana ny sazin'ny mpanararaotana ara-nofo iray noho ny lazaina fa firehan'ny niharan-doza.

Nilaza ireo mpitsara fa tsy tompon'andraikitra amin'ny ” fivoaran'ny fiovana ara-nofon'ilay zaza tsy ampy taona” ny fanararaotana nataon'i Mario Tolosa, ary araka ny fijerin'izy ireo, “mazava tsara fa efa vita ny safidin'ilay zaza amin'ny firaisana ara-nofo, na dia eo aza ny taonany mbola zaza amin'ny fanazavan'ny fijoroana vavolombelona maro be nataon'ireo olona akaiky azy.”

Natsangan'ireo mpitsara avy amin'ireo “fanamarihana teo aloha, fitondrantena mivandravandra tsara ary fomba fitafy tsy natao ho azy” io tsoakevitra io.

Nanao ilay didim-pitsaràna ho “vetaveta” ary naneho ny ahiahiny ny mpiaro ny vahoaka an'ny Faritanin'i Buenos Aires, Marcelo Honores, momba ireo “tohankevitra feno fanilikilihana naroso sy tsy fahazakàna olona mitia olona mitovy taovam-pananahana aminy” izay nifotoran'ny didim-pitsaràn'ireo mpitsara.

Nilaza ny mpampanoa lalàna amin'io raharaha io, Carlos Altube, fa efa napetraka hanaovana fampakàrana any amin'ny Fitsaràna An-tampony ao amin'ny Faritanin'i Buenos Aires ilay didy. Efa nekena ny fahafahana mandray azy io, ary miandry ny fanadihadiana lalina ankehitriny ilay raharaha, amin'ny fanantenana fa hahazo sazy mafimafy kokoa ilay lehilahy nampangaina ho nanararaotra ara-nofo.

Efa tafiditra tamin'ny raharaha mitovitovy amin'izao tamin'ny taona 2011 ireo mpitsara roa ireo, raha nitady hanena ny sazin'ny mpitory fivavahana nampangaina ho nanararaotra ara-nofo zatovovavy roa 14 sy 16 taona. Tamin'izany fotoana izany, nanohana ny heviny izy ireo fa “ao aminà sokajy sosialy manaiky ny fanaovana firaisana ara-nofo na mbola kely taona aza” ireo niharan'ny fanararaotana. Ary satria mbola tsy ampy izany, mbola nanalefaka ny sazin'ny lehilahy iray voaheloka ho namono ny vadiny koa ireo mpitsara ireo ihany:

Namela amin'izao mpanararaotra ara-nofo iray hafa ihany ko i Piombo, ary manana fampiatoana mitatao miandry azy.

Feno fanehoana fahatafintohinana manerana ireo media sosialy:

Mahamenatra ny fanapahan-kevitr'ireo mpitsara, Piombo sy Sal Llagués. Mampiseho ny rafitry ny fitsaràna izay an-databatra fotsiny io, efa lany andro ary tsy misy fahaiza-miaina na dia kely aza.

Tokony hatsipy any am-ponja io “mpitsara” Piombo tena adala io, izay milaza zaza vao enina taona ho mandà ny maha-lahy azy!

Mandritra izany fotoana izany, nanamafy ny filohan'ny FALGBT, Esteban Paulón, fa:

“Pretender que la supuesta orientación sexual de la víctima de un abuso quite gravedad al hecho, o sea considerado un atenuante al momento de juzgar un caso de este tipo es discriminatorio, estigmatizante y violatorio de la Convención de los derechos del niño y la ley de Protección Integral a la infancia, al tiempo que cae en el lugar común de vincular la orientación sexual de una persona con un delito como es el abuso sexual, dos aspectos que no tienen ninguna relación.”

Endrika fanilikilihana sy fitsaratsaràna be fahatany, ary manitsakitsaka ny Fifanarahana momba ny Zon'ny Ankizy sy ny Lalàna amin'ny Fiarovana ny ankizy, ny filazàna fa mampihena ny maha zava-doza ilay raharaha niseho na mahatonga fisalasalàna amin'ilay tranga ny firehana ara-nofon'ilay zaza nolazaina ho niharan'ny fanararaotana; miaraka amin'izany ihany koa, hadisoana ny mampifandray ny firehana ara-nofon'ny olona iray amin'ny heloka bevava toy ny fanararaotana ara-nofo, zavatra roa tsy mifampiankina tanteraka.

Nisy fiantraikany tany amin'ny fianarana ambaratonga ambony ilay fahafaham-baràka. Tsy havaozina instony ny fifanarahana arak'asan'ny mpitsara Piombo, izay niaro ny tenany tamin'ny filazana fa “nanao ny andraikiny izy,”  farafahakeliny any amin'ny anjerimanontolo iray amin'ireo  ampianarany.

Nangataka ireo mpitsara roa ireo ho esorina any amin'izay toerana rehetra any amin'ny anjerimanontolo ireo mpianatra:

Notsipahan'ny Universidad del Mar del Plata izay nampianarany, ny mpitsara Piombo, ilay nanena ny sazin'ilay mpanolana.

Nanao hetsika niarahana mba hangatahana ny fanalàna ireo mpitsara, Piombo sy Sal Llargués, tsy ho ao amin'ny Universidad Nacional de La Plata intsony ireo mpianatry ny anjerimanontolo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.