Notànan'ny Polisy Thailandey Ireo Mpianatra Mpanao Fihetsiketsehana Nandritra Ny Tsingeritaonan'ny Fanonganam-panjakana

Students gather in a plaza during the coup anniversary.  They were later arrested by the police. Photo from Facebook page of LLTD

Mpianatra mitangorona ao amina kianja nandritra ny tsingerintaonan'ny fanonganam-panjakana. Nosamborin'ny polisy izy ireo avy eo. Sary tao amin'ny pejy Facebook-n'ny LLTD

Mpianatra am-polony no nosamborina tao Thailand noho ny fanaovana fihetsiketsehana nandritra ny tsingerintaona voalohan'ny fanonganam-panjakana May 2014. Tamin'ny fotoana nanoratana, 48 no nogadraina noho ny fanehoan-kevitra ampahibemaso manohitra ny governemanta tohanan'ny miaramila.

Nanatontosa fanonganam-panjakana ny tafika  tamin'ny 2014 mba hamaranana ny korontana ara-politika ao amin'ny firenena. Nofeheziny ny haino aman-jery ary noraràny ireo fihetsiketsehana ka anisan'izany ny fitangoronan'ny olona mihoatra ny dimy eny amin'ny toerana an-kalamanjana. Talohan'ny faran'ny taona 2014, novolavolainy ny sata vonjimaika fototra ametrahana governemanta sivily tarihin'ny miaramila voatendry. Ny lehiben'ny tafika, Prayut Chan-o-Cha no voafidy ho praiminisitra.

Na dia teo aza ny fandraràna napetraky ny tafika, Thailandey maromaro, indrindra fa ny tanora no nitaky ny famerenana ny demokrasia amin'ny laoniny ao amin'ny firenena. Nitaky hatrany ny fiverenan'ny haino aman-jery malalaka, fifidianana misokatra sy fitondrana sivily izy ireo

Hoy ny vakin'ny sora-baventy “Tohero ny fanonganam-panjakana”famoriam-bahoaka @ Khon Kaen

Nofoanan’ny tafika ny lalàna miaramila tamin'ny volana Aprily saingy mbola tazoniny ny fahefana tsy voafetra ao amin'ny governemanta.

Nitanisa ny sasany tamin'ireo asan’ny miaramila tamin'ny herintaona izay nanohintohina ny zon'olombelona ny vondro-pikarohana iLaw:

After the coup, at least 751 individuals were summoned by the NCPO [name of the military-backed government]. At least 424 were deprived of liberty. Some have been forced to undergo “attitude adjustment” to re-educate them about the necessity for the military to seize the power and then let go. Meanwhile, at least 163 individuals have been pressed with political charges. At least, 71 public activities were intervened or cancelled by the use of military force.

Taorian'ny fanonganam-panjakana, olona 751 farafahakeliny no nahazo fampiantsoana avy amin'ny NCPO [anaran'ny governemanta tohanan'ny miaramila]. Raha kely indrindra dia 424 no nalàna zo halalaka. Ny sasany voatery niaritra fanovana fihetsika” mba hampianatra azy ireo indray ny tsy maintsy nandrombahan'ny miaramila ny fahefana ary hamotsotra azy avy eo. Mandritra izany fotoana izany, 163 raha kely indrindra no voateritery amin'ny fiampangana ara-politika. Hetsi-bahoaka 71 kosa farafahakeliny no nidirana an-tsehatra na nofoanana tamin'ny alalan'ny fampiasana hery miaramila.

364 andro taorian'ny fanonganam-panjakana, olona 428 farafahakeliny no voasambotra, sivily 124 niakatra Fitsarana Miaramila

Nitsikera ny fitsipika tafahoatran'ny tafika ilay mpanao gazety Saksith Saiyasombut :

Not only is it like a bad teacher that expects its students only to obediently memorize stuff, but also like an overbearing nanny overlooking us at every step.

Tsy vitan'ny mpampianatra tsy mendrika manantena ny mpianatra hitadidy zavatra am-pankatoavana, fa tahaka ny mpitaiza zaza manara-maro tafahoatra anay isaky ny dingana atao.

Ireto ambany ireto ny sasany amin'ireo sarin’ny mpianatra voasambotry ny polisy omaly:

Nolazain'ny polisy fa nogadraina noho ny “fitondratena mampidi-doza”

Notanana ireo mpianatry ny oniversite Khon Kaen 13 noho ny fanaovana fihetsiketsehana manohitra ny fanonganam-panjakana tamin'ny 22 May

Manomboka misambotra ireo mpianatra tsy mahery setra ny polisy

Notànana tao amin'ny tobin'ny polisy ihany koa ireo mpikatroka avy ao Permas (mpianatra sy tanoran'i Patani)

Nilaza ny mpianatra fa tsy niraharaha ireo namany mpikatroka mila fanaraha-maso ara-pahasalamana ny polisy.

Vondrona miantso ny tenany hoe Tanora hoan'ny Hetsika Sosialy-Demaokrasia (YPD) namoaka fanambarana manohitra ny fitondrana mpanongam-panjakana:

We cannot build a democratic society if we lack freedom, liberty, rights, justice, and reconciliation. We believe that peace in society will not be born out of a lack of resistance. Peace in the society will only be born out of equality and justice in terms of power, economics, and politics.

Tsy afaka manorina fiarahamonina demokratika izahay raha tsy manana fahalalahana, fahafahana, zo, ny rariny ary ny fampihavanana. Mino izahay fa tsy ho teraka ao anatin'ny tsy fisian'ny fanoherana ny fandriampahalemana eo anivon'ny fiarahamonina. Ao anatin'ny fitoviana sy ny rariny eo amin'ny lafiny fahefana, toe-karena sy ny politika ihany no ivoahan'ny fandriampahalemana eo amin'ny fiarahamonina.

Herintaona taorian'ny fanonganam-panjakana nataon'ny tafikambola miaritra ny korontana ara-politika i Thailand. Mila fitoniana amin'ny fifandirana tsy ankiato ataon'ny mpanao politika ny olona fa tsy sandaina amin’ny fitondrana miaramila izay mailaka amin'ny fanafoanana fahalalahana sivily.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.