Nahemotra Ny Famoahana ny Didim-pitsarana An'ilay Mpanakanto Iraniana Any Am-ponja, Atena Farghadani

Atena Farghadani stood trial on Tuesday, May 18 for charges of insulting members of parliament and spreading propaganda against the system. Image taken from the ‘Free Atena’ Facebook page.

Niatrika fitsarana i Atena Farghadani tamin'ny Talata 19 Mey noho ny fiampangana azy ho nanevateva ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta sy nampiely fampielezan-kevitra manohitra ny rafitra. Sary nalaina tao amimn'ny pejy Facebook ‘Free Atena’.

Niakatra fitsarana tamin'ny talata 19 Mey teo i Atena Farghadani, mpanakanto 28 taona naiditra am-ponja noho ny fiampangana azy ho nanao sariitatra mikasika ny fahazoana mampiasa ny fanabeazana aizana ao Iran. Taorian'ny fotoam-pitsarana, nanambara ny mpitsara fa havoaka any ho any ao anelanelan'ny herinandro ka hatramin'ny 20 andro ny didim-pitsarana ofisialy. Mandritra izany, mbola notazomina any am-ponja izy.

Nandefa ity vaovao farany ity ny pejy Facebook manohana azy ao amin’ny raharaha:

دادگاه آتنا فرقدانی برگزار شد

دادگاه #آتنا_فرقدانی فعال مدنی و نقاش منتقد، امروز سه شنبه ۲۹ اردیبهشت ماه ۱۳۹۴ جهت رسیدگی به پرونده و تفهیم اتهام در شعبه ۱۵ دادگاه انقلاب به ریاست «قاضی صلواتی» برگزار شد.

امروز فضای اطراف دادگاه به شدت امنیتی بوده و از هر گونه تجمعی جلوگیری میشده است، حتی ورود وکلا و پرسنل دادگاه هم به دفتر قاضی صلواتی ممنوع بوده است و رفت و آمدها در طبقه ی دوم دادگاه کنترل میشده است.

در این دادگاه وکیل پرونده دفاعیات خود را نسبت به پرونده موکلش بیان و #آتنا_فرقدانی نیز اظهارات و دفاعیات خود را بیان کرده است.

در پایان دادگاه «قاضی صلواتی» اعلام کرده است که حکم نهایی در مورد آتنا فرقدانی یک هفته تا ۲۰ روز دیگر اعلام خواهد شد.

Notontosaina ny fitsarana an'i Atena Farghadani.

Notontosaina tao amin'ny Fitsarana Revolisionera tamin'ny Talata 19 Mey ny fitsarana an'i #Atena_Farghadani mpikatroka, mpitsikera sady mpanao hosodoko. Ny Mpitsara Salavati no nisahana ny raharaha sy ny fiampangana.

Mafampàna amin'izao fotoana izao ny toerana manodidina ny fitsarana ary ny henjana ny fiarovana,  na ny mpisolovava sy ny mpiasan'ny fitsarana aza tsy navela hanakaiky amin'ny mpitsara Salavati tsy misy kamera, ary nalaina sary (kamera) ihany koa ny olona rehetra ao amin'ny rihana faharoa misy ny efi-pitsarana.

Niresaka sy nampahafantatra ny raharaha momba ny olona arovany, miaraka amin'ny fanehoan-kevitra sy fiarovana ny mpisolovavan'i Atena tao amin'ny fitsarana.

Tamin'ny fiafaran'ny fotoam-pitsarana, nanambara ny mpitsara Salavati fa havoaka ao anatin'ny herinandro ka hatramin'ny 20 andro ny didim-pitsarana ofisialy.

Voampanga ho nampiely fampielezan-kevitra manohitra ny rafitra; manevateva mpikambana ao amin'ny parlemanta amin'ny alalan'ny sary hosodoko sy maniratsira ny mpitarika faratampony i Farghadani. Ny sary nitarika ny fisamborana azy dia mampiseho ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta Iraniana toy ny biby mifidy lalàna hametra ny fahazoana mampiasa fanabeazana aizana ary manameloka ny fahamombàna an-tsitrapo izay manohintohina mafy ny zon'ny vehivavy.
Athena's cartoon depicting members of the Iranian parliament as animals voting on the prohibition of voluntary permanent contraception, or vasectomies. Image taken from ‘Free Atena’ Facebook page.

Kisairsarin'i Atena mametaka ny mpikamban'ny parlemanta ho biby tamin'ny fifidianana ny fandrarana ny fahamombana maharitra na famosirana. Sary nalaina tao amin'ny pejy Facebook ‘Avotsory Atena’.

Tamin'ny volana Aogositra 2014 ny fisamborana azy voalohany raha natokan-toerana nandritra ny fotoana ela tao amin'ny fonjan'i Evin izy. Navotsotra izy ny volana Desambra, saingy voatazona indray rehefa niresaka ampahibemaso momba ny fampijaliana azy nataon'ireo mpiambina ny fonja.

Araka ny filazan'ny Sampam-pahalalaham-baovaon'ny Mpikatroka ny Zon'olombelona, nampanantsoin'ny mpitsara Abu'l-Qasim Salavati i Farghadani tamin'ny volana Janoary taorian'ny adihevitra ampahibemaso nataony mikasika ny fampijalian'ireo mpiambiana ny fonja niearetany nandritra ny fe-potoana voalohany nampidirana azy am-ponja.

Tamin'ny taratasy misokatra ho an'ny Mpitarika Faratampony Ayatollah Khamenei, nandefa ity manaraka ity i Farghadani ho setrin'ny fampiantsoana nataon'ny Mpitsara Salavati azy:

I will be present at the 15th Branch Revolutionary court on Moallem street at 8:30 AM on Saturday, the 10th of January, before judge Salavati… I know this Saturday I will be in a court that screams injustice. I will be present before a judge who for years has skewed the balance of justice. I, therefore, must pay retribution for defending my beloved defenseless people. Inasmuch as, for many years, nowhere in my country have I ever seen any official occupy his post, and each of us has had our positions change in different ways, I, the accused, sit and proudly present my written defense to one who for 25-some-odd years has not only preserved and protected his own position, but who also sits as the head of all three branches of government…..What you call an “insult to representatives of the parliament by means of cartoons” I consider to be an artistic expression of the home of our nation (parliament), which our nation does not deserve!

Ho avy manoloana ny mpitsara Salavati aho amin'ny sampam-Pitsarana Revolisionera faha-15  lalana Moallem amin'ny Asabotsy faha-10n’ny volana Janoary amin'ny 8 ora sasany aho Fantatro fa amin'io Asabotsy io dia ho ao amin'ny fitsarana mitabataba zava-tsy rariny aho. Ho avy eo anatrehan'ny mpitsara izay nandavaka ny mizanan'ny rariny nandritra ny taona maro aho. Izaho anefa no tsy maintsy hiatrika famaizana noho ny fiarovako ny olona mamiko tsy manam-piaro aho. Satria nandritra ny taona maro, na aiza na aiza eto amin'ny fireneko, mbola tsy nahita manampahefana misahana ny asany aho ary miova toerana amin'ny fomba samihafa isika tsirairay. Izaho ilay voampanga, mipetraka sy mampiseho am-pireharehana lahatsoratra sora-tanana fiarovana manoloana olona iray izay nandritra ny 25 taona hafahafa, tsy vitan'ny hoe nitahiry na niaro ny toerany fa mipetraka toy ny filohan'ny sampam-pitondram-panjakana telo ..Ilay antsoinao fa “fanevatevana ny solombavambahoakan'ny parlemanta amin'ny alalan'ny tantara an-tsary” dia heveriko ho fanehoana ara-javakanto ao anatin'ny firenentsika (parlemanta), izay tsy mendrika ny firenentsika !

Te hanampy? Jereo eto ny antson'ny Amnesty International ary tohàno hatrany i Farghadani ao amin'ny haino aman-jery sosialy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.