Hiakatra Fitsarana Noho Ny Sariitatra Nataony Momba Ny Fanabeazana Aizana Ao Iran i Atena Farghadani

Atena Farghadani stands trial on Tuesday May 18 for charge that include insulting members of parliament and spreading propaganda against the system. Image taken from the 'Free Atena' Facebook page.

Hiakatra fitsarana i Atena Farghadani amin'ny Talata 19 May 19 noho ny fiampangana azy ho manevateva ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta sy manaparitaka fampielezan-kevitra manohitra ny rafitra. Sary nalaina tao amin'ny pejy facebookn'ny ‘Free Atena’.

Fantatra fa hiakatra fitsarana amin'ny Talata 19 May ilay mpikatroka sady mpanakanto Atena Farghadani noho ny sariitatra nataony mitsikera ny governemanta Iraniana. Miatrika fiampangana ho mampiely fampielezan-kevitra manohitra ny rafitra; manevateva ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta amin'ny alalan'ny sary hosodoko sy manevateva ny mpitarika faratampony ity vehivavy 28 taona ity.
Mampiseho ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta toy ny biby mifidy lalàna hametra ny fidirana amin'ny fanabeazana aizana sy manameloka ny fahamombàna an-tsitrapo izay manohintohina mafy ny zon'ny vehivavy ny sary nitarika ny fisamborana azy.

Tamin'ny volana Aogositra 2014 ny fisamborana azy voalohany raha natokan-toerana nandritra ny fotoana ela tao amin'ny fonjan'i Evin izy. Navotsotra izy ny volana Desambra, saingy voatazona indray rehefa niresaka ampahibemaso momba ny fampijaliana azy nataon'ireo mpiambina ny fonja.

Sariitatr'i Athena mampiseho ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta Iraniana toy ny biby mifidy ny fandraràna ny fanabeazana aizana maharitra an-tsitrapo, na ny famosirana. Sary nalaina tao amin'ny pejy Facebookn'ny ‘Free Atena’.

Telo herinandro taorian'ny fampidirana azy am-ponja fanindroany, nitokona tsy nihinan-kanina i Atena mba hanohitra ireo fepetra ratsy any am-ponja, izay nolazain'ny mpisolovavany tamin'ny Amnesty International fa niteraka aretim-po tampoka sy tsy fahatsiarovantena fohy nahazo an'i Atena tamin'ny Febroary. Nitatitra ny Amnesty International fa nafindra fonja hafa avy eo i Atena ary nitsahatra nitokona tsy nihinan-katina, saingy mbola miahiahy momba ny fahasalamany ireo mpiaro azy.

Manao antso hanaovana hetsika eto ny Amnesty International, raha nampiasaina hananganana fanohanana sy fanentanana ho azy ao amin'ny haino aman-jery sosialy kosa ny diezy #freeAtena .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.