Mpiangaly Rap Afgàna Nandositra Fampanambadiana Zatovo Tamin'ny Fihirana Momba Izany

Afghan rapper Sonita Alizadeh narrowly escaped a forced marriage at 14 by writing the song "Brides for Sale." She recently visited West Oakland, California, and was surprised that the US, like Iran and Afghanistan, has poor neighborhoods and homeless people.   Credit: Shuka Kalantari. Published with PRI's permission.

Voavonjy soa aman-tsara tamin'ny fanambadiana noterena teo amin'ny faha-14 taonany ilay mpiangaly rap Afgàna  Sonita Alizadeh tamin'ny fanoratana ny hira “Brides for Sale (Vady Amidy).” Nitsidika vao haingana an'i  West Oakland, Kalifornia izy ary gaga fa i Etazonia dia manana faritra mahantra sy olona tsy manan-kialofana tahaka an'i Iran sy Afghanistan. Sary: Shuka Kalantari. Nahazoan-dalana avy amin'ny PRI.

Ity lahatsoratra sy tatitra amin'ny onjam-peo avy amin'i Shuka Kalantari ho an'ny The World ity dia nivoaka voalohany tao amin'ny PRI.org tamin'ny 12 Mey 2015, ary navoaka eto indray noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.


Nihaona tamin'i Sonita Alizadeh aho raha nitsidika ny tanàna hanaovana fampisehoana voalohany ao Etazonia izy. Niresaka teny am-pandehanana izahay raha nijanona tampoka izy ary nibanjina lehilahy milalao miaraka amin'ny zanany roa vavy.

“Eto Amerika, mahafoy ny fotoanany ny raim-pianakaviana hitondra ny zanany vavy any amin'ny zaridaina,” hoy izy. “Tsy mahita izany any amin'ny toerana niaviako ianao.”

Mpiavy avy ao Afghanistan i Sonita. 18 taona izy, lava volo mainty izy ary somary kelikely. Raha nizotra araka ny fikasan'ny ray aman-dreniny ny zava-drehetra, dia efa nanambady izy ankehitriny. “Indraindray aho mieritreritra fa mety efa lasa renim-pianakaviana aho amin'izao fotoana izao – manan-janaka vitsy. Eritreritra tsy tiako izany.

Nihalehibe tao Tehran, tanàna renivohitr'i Iran i Sonita. Nandositra an'i Afghanistan noho ny ady ny fianakaviany fony izy mbola 8 taona. Nahita fikambanana mpanao asa soa nampianatra ireo ankizy Afgàna tsy manana taratasy ara-dalàna izy. Nianatra karate, sary, gitara tao izy ary nanomboka nihira sy nanao rap.

Nahazo fankatoavana haingana ny mozikany. Nihaona tamina mpamokatra sarimihetsika Iraniana izay nanampy azy hampivoatra ny talentany sy hanatontosa horonantsarimihetsika izy izay nitarika ny fahazoany loka vitsivitsy. Nisosa tsara avokoa ny zava-drehetra. Mandra-pivadik'izany. “Indray andro ny reniko nilaza tamiko hoe: Tsy maintsy miverina any Afghanistan miaraka amiko ianao. Misy lehilahy anankiray te hanambady anao any. Hanambady ny anadahinao ary mila ny vola vodiondrinao isika handoavana ny mariazy.’”

Kivy be i Sonita. Ka nanoratra hira “Vady Amidy.” Toy izao ny fanombohan'ny hira “Avelao aho hibitsika, mba tsy hisy olona mandre fa miresaka momba ny fivarotana ankizivavy aho. Tsy tokony hisy handre ny feoko satria manohitra ny Sharia izany. Tokony hangina ny vehivavy … izany no fomban-drazanay. “

Mampiseho an'i Sonita mitafy akanjo mariazy – miaraka amin'ny fehiloha eo amin'ny handriny ny lahatsary. Miangavy ny fianakaviany izy mba tsy hivarotra azy.

Natahotra mikasika izay fiheveran'ny ray aman-dreniny ny lahatsary i Sonita - saingy tian'izy ireo izany ankehitriny - ary nilaza taminy ihany koa izy ireo fa tsy voatery hanambady izy.

“Midika zava-dehibe ho ahy izany fa nanohitra ny fomban-drazanay hiarovana ahy ny fianakaviako. Ankehitriny any amin'ny toerana izay tsy mba noheveriko ho tongako mihitsy aho.

Nahazoany vatsim-pianarana feno ao amin'ny Akademian'ny zavakanto ao Utah ny mozikan'i Sonita, ary nitarika ny fampisehoana ataony eto amin'ny Faritra San Francisco Bay izany. Saingy talohan'ny fampisehoana, mila manao famerenana i Sonita. Nitsambikina tao amin'ny fiarako izahay ary nandeha tsy lavitra teo West Oakland.

Sonita was shocked by this neighborhood in West Oakland. "Are you telling me in America there are places where you can’t walk alone at night?" she asked. Credit: Shuka Kalantari. Published with PRI's permission

Tohina tamin'ity faritra ao West Oakland ity i Sonita. “Milaza amiko ve ianao fa ao Amerika dia misy toerana tsy ahafahanao mandeha irery amin'ny alina?” hoy izy nanontany. Sary: Shuka Kalantari. Nahazoan-dalana avy amin'ny PRI

Ao amin'ny faritra feno soratsoratra na kisarisary amin'ny rindrina (graffiti) ny trano fanaovana famerenana. Feno olona tsy manan-kialofana ny arabe sisiny roa. Tohina i Sonita – satria mampahatsiahy azy ny tanindrazany izany.

“Lehibe tao amin'ny faritra nonenan'ny mahantra miaraka amin'ny trano vorondamba  aho,” hoy i Sonita. “Tsy afaka mivoaka any ivelany amin'ny alina aho satria tena mampidi-doza. Milaza amiko ve ianao fa misy toerana tsy azo hivoahana irery amin'ny alina ihany koa ao Amerika? Ka aiza indray no ahafahan'ny olona mahita fialokalofana? “

Tsy ela taorian'ny fampisehoana, namaky lahatsoratra momba ny vehivavy iray antsoina hoe Farkhondeh izay notoraham-bato sy nodarohana ho faty tany Afghanistan noho izy voalaza fa nandoro Kôrana i Sonita. Vaky fo i Sonita. Ka nanao izay fantany fa tsara indrindra: nanoratra hira momba izany.

“Ny mozika Rap no mamela anao hitantara ny tantaranao amin'ny olon-kafa. Ny Mozika Rap no sehatra hizarana ny teny ao am-poko. “

Ary indraindray, ny mozika rap dia fomba iray hanehoana alahelo, hatezerana, fa nolazaina ny vehivavy Afgàna fa tsy tokony hanao fampisehoana. Na dia monina 7.000 kilaometatra miala ny tanindrazany aza i Sonita ankehitriny, nilaza izy fa hihira foana mikasika izay akaiky indrindra ny fony: Ny vahoakan'i Afghanistan

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.