Melohina ho Faty Noho Ny Fandosirana ny Fonja Tamin'ny 2011 Ny Filohan'i Ejypta Teo Aloha Mohammed Morsi

A cartoon by @Khalidalbaih comparing between ancient Egypt and Egypt today, shared by  @_amroali  on Twitter

Sary nataon'lay mpanao sariitatra ara-politika @Khalidalbaih mampitaha an'i Ejypta talooha sy ankehitriny, nozarain'i @_amroali tao amin'ny Twitter

Voaheloka ho faty tamin'ny 16 May 2015 ny filoha voafidy tamin'ny fomba demokratika voalohany tao Ejypta Mohammed Morsi, sy ireo olon-kafa maherin'ny 100.

Ny raharaha momba ireo mpikambana ao amin'ny Mpirahalahy Miozolomana, izay efa nahazo sazy 20 taona an-tranomaizina noho ny fanomezana baiko fisamborana sy fampijaliana ireo mpanao hetsi-panoherana tamin'izy ireo mbola teo amin'ny fitondrana, dia apetraka eo amin'ny manampahefana ara-pivavahana ambony indrindra ao amin'ny firenena, ny Mufti amin'izao fotoana izao, miandry tombokase, alohan'ny hanatanterahina ny sazy. Amin'ny 2 Jiona ny fotoam-pitsarana manaraka.

Nomena an'i Morsi ny fanamelohana noho ny fiarahany miasa tamin'ny hery vahiny hamotsorana ireo Islamista tamin'ny fahavakisan'ny fonja tao Wadi Natroun nandritra ny revolisiona Ejiptiana tamin'ny Janoary 2011. Anisan'ireo voampanga 105 miaraka aminy ny Palestiniana 70, voampanga ho mpikambana ao amin'ny Hamas, ary voaheloka sy niatrika fitsarana tsy natrehina. Ary anisan'ireo Palestiniana voaheloka ho faty i Hassan Salameh izay efa tany am-ponjan'i Israely nanomboka tamin'ny 1994 , ary efa maty kosa i Raed Attar.

Voahelok'i Ejypta ho faty ireo Palestiniana Hassan Salameh & Raed Attar – efa tany am-ponjan'i Israely nanomboka tamin'ny taona 1994 ny iray, ny iray hafa kosa efa maty

Araka ny raharaha nitoriana an'i Morsi, nampiasa tonelina avy ao Gaza mba hiditra ao Ejypta ireo mpioko Hamas, izay nanao fahirano ny fonja ary namotsotra ireo Islamista nogadrain'i Mubarak. Anisan'ireo gadra noafahana ireo mpikambana ambony 30 avy ao amin'ny Mpirahalahy Miozolomana, anisan'izany i Morsi sy ireo gadra 20.000.

Morsi no filohan'i Ejipta nandritra ny herintaona taorian'ny revolisiona, izay nanongana an'i Hosni Mubarak nitondra an'i Egypta nandritra ny 30 taona mahery tamin'ny fiandohan'ny taona 2011. Nitsahatra tamin'ny volana Jolay 2013 ny fitondran'i Morsi taorian'ny hetsi-panoherana goavana mitaky ny fialany. Ny Tafika Ejipsianina avy eo no nandray ny fitondrana izay teo ambanin'ny fitarihan'ny Lehiben'ny Kaomandin'ny Tafika Ejiptiana sy ny Minisitry ny Fiarovana, ny Jeneraly Abdul Fattah El Sisi, izay filohan'i Ejypta ankehitriny.

Hatramin'ny naha-voahongana azy teo amin'ny fitondrana, voaràra tao Ejypta ny hetsiky ny Mpirahalahy Miozolomana an'i Morsi, ary mpanohana azy an'arivony no nosamborina. Anisan'izany ny mpitarika ambonin'ny Mpirahalahy, Mohamed Beltay izay voaheloka ho faty ihany koa.

Araka ny filazan'ilay mpanao gazety Sarah El Sirgany, manana mpanjohy 85K, ary anisan'ny nanatrika ny fitsarana:

Manondro sazy ho faty ny fitantanan'ny Grand Mufti ny raharaha. Toro-hevitra fotsiny ny fijeriny. Hanambara ny didim-pitsarana tena izy amin'ny 2 Jiona ny mpitsara

Nampiany hoe:

Raha fintinina: Tamin'ny fitsarana momba ny fitsikilovana, nalefa tany amin'ny Mufti ny 16. Tsy tafiditra amin'izany i Morsi. Tamin'ny fitsarana momba ny fonja vaky, nalefa tany amin'ny Mufti i Morsi sy ireo 100 hafa mahery.

Niteraka fanehoan-kevitra mafana antserasera ny vaovao momba ny fanasaziana an'i Morsi, mpaneho hevitra ara-pivavahana sy ara-politika no niampanga ny fitsarana ho misy ambadika politika.

Gadra avy eo Filoha

Ny fivadihan-javatra eo amin'ny fiainan'i Morsi izay gadra ary avy eo filoha no nanitikitika an'i Rana Allam, izay manontany tena hoe nahoana ny olona iray izay nitsoaka ny fonja no navela hirotsaka hofidiana filoha eo amin'ny toerana voalohany. Hoy izy nisioka:

Mitady sazy ho faty hoan'ny filoha teo aloha Morsi ny Fitsarana Ejipsiana noho ny fahavakisan'ny fonja tamin'ny taona 2011. kanefa navela nirotsaka ho filoha izy!!

Maro ireo maminavina fa tsy hovonoina ho faty i Morsi, satria afaka ampiakarina any amin'ny fitsarana ambony sy haharitra taona maro ao amin'ny fitsarana ny raharaha tahaka izao:

Ejypsiana Amr nisioka tamin'ireo mpanjohy azy 4.500:

Raha tsy very saina i Sisi, tsy ho voavono ho faty mandrakizay i Morsi. SAINGY tsy misy notanterahina ny rovidamban'ny fanajana ny fahefam-pitsarana Ejipsiana androany

Fustat, manana mpanjohy 3.900 nanampy hoe:

Na i Morsi na ny Mpirahalahy Miozolomana Muhamed Badie dia mety hovonoina ho faty, mety hisy fiovana ny didim-pitsaran'izy ireo.

Namaritra ny fitsarana ho mahamenatra ny fikambanan'ny zon'olombelona.

Taorian'ny didim-pitsarana; nisioka ny tale mpanatanteraka ao amin'ny Mpanara-maso ny Zon'olombelona (HRW) Kenneth Roth hoe :

Nahazo sazy 20 taona an-tranomaizina i Morsi, tsy mifototra amin'ny porofo fa amin'ny fijerin'ny polisy sy ny fitongilanan'ny fitsarana: Fanadihadian'ny HRW [rohy ao amin'ny teny anglisy]

Ny mpiara-miasa aminy, talen'ny HRW Eoropeana misahana ny Fampitam-baovao, Andrew Stroehlein, nanampy hoe:

Nahazo sazy ho faty avy amin'ny fitsarana ny filoha voahongana, Morsi. Porofo iray hafa fa tsy misy mihitsy ny fanajan'i Ejypta ny zo.

Naneho hevitra ihany koa ireo mpiserasera manerana ny renim-paritra:

Nanamarika i Omar Ghraieb avy ao Gaza hoe:

Maro ireo olona nilaza tamiko fa tsy azon'ireo intsony ny tian'i Ejypta atao na ny rafi-pitsarana ao. Miombon-kevitra aho

Bahrainita Adel Marzooq nanoratra tamin'ireo mpanjohy azy 39.100 :

Mamaritra ny henatra? Ny valiny dia: Ny fitsarana Ejipsiana sy ny lalàna, ny fomba fiasa sy ny dingana ampiasainy sy aondrany any amin'ny firenena Arabo hafa (anisan'izany i Bahrain) izay manaraka ny lalàna Ejipsianina sy manendry mpitsara Ejipsiana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.