Zazavavy Peroviana Tafody Noho ny Alikany Perla

Screencapture from YouTube.

Pikantsary avy amin'ny YouTube.

Tsara fiafara ny tantaran'ilay zazavavy telo taona, izay niala tao an-tranony tao an-tanànan'i Huancayo ao Però noho ilay biby voafolaka an-tranony mahatoky antsoina hoe Perla.

Nanaitra ny polisy roa ny fivovozan'ilay alika tsy mitsahatra ilay zazavavy kely tsy mitsahatra ny mitomany manaraka ny sisin-dalana. Nanatona azy i Ángel Quispe, iray amin'ireo polisy, raha niahiahy fa very ity zazavavikely ity. Ny nataon'i Perla voalohany dia ny hamely ilay polisy,saingy niezaka ity Quispe hamolaka ilay alika ary nanontany ilay zazavavy kely hoe aiza izy no mipetraka.

Tsy nahavita nanonona ny anarany ilay zazavavy kely, nandray ny tanany ilay polisy ary nanomboka nanontany ny manodidina raha misy ny mahafantatra ilay zazavavy kely, saingy tsy nisy vokany.

Nandritra ny fandehandehanana nataon-dry zareo dia nitari-dalana azy ireo i Perla, taorian'ny niampitana arabe imbalo, dia nijanona tampoka teo ambaravaran'ny trano iray ilay alika, ary io no tranon'ny fianakavian'ilay zazavavy kely

Alika Huancayan mahafinaritra… !!!

Nipongatra avy eo fa nitsoaka razazavavikely rehefa niantsena tsy nanidy tsara ny varavarana ny reniny. Nieritreritra ilay vehivavy fa nanaraka azy nandritra ny fotoana vitsivitsy ny zanany mandrapaha-tsy nanarahany azy intsony ka nandehandehanany fotsiny tsy nisy tanjona.

Koa raha malaza fa sakaiza akaiky indrindra ny lehilahy ny alika, ity anankiray ity kosa akaiky indrindra ny zazavavy kely ihany koa izy.

Raha ny fahafantarana dia tsy vitsy ny alika maherifo ao Huancayo. Raha iverenana ny tamin'ny 2013, alika telo no nandà ny handao ny tompony maty, lehilahy tsy manankialofana iray nianjera ka nitontona tamin'ny lohany. Miezaka mafy ireo alika hianika amin'ny fiara naka ny vatana halefa any amin'ny tranompaty, ary nihazakazaka nanaraka ilay fiarakodia araka ny ijeren'ny olona ilay seho.

Nampihetsi-po tokoa ilay vaovao fa maro ireo vondrona mpiaro biby nikaroka azy ireo hikaroka fonenana hoan'ireo alika ho fankatoavana ny fahatokisany. Tsy nisy fanampim-baovao hafa intsony anefa ho tohin'izany fikarohana manokana izany.

Avy amin'izany, niteny ny mpisera Twitter:

Androany aho nijery ity lahatsary ity indray. MAMPIAIKY VOLANA TSOTRA IZAO! Izany ny antony hanamelohako ireo olona mpampijaly biby…

Huancayo: Alika miezaka ny tsy handefasana ilay vatana mangatsiakan'ny tompony any amin'ny tranompaty.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.