Philippines: Ny hevitry ny mpitoraka blaogy momba ny fanabeazana mikasika ny firaisana ara-nofo

Renitantely iray mandraraka vovobony amina voninkazo iray tao Baguio, Filipina- Tompon'ny raki-tsary Jay Suasin tao amin'ny Flickr (nampiasaina miaraka amin'ny fahazoan-dàlana)

Eo am-pampiharana ny fandaharam-pianaran'i  Etazonia taloha izay naverina indray momba ny fanabeazana ara-pananahana  ho an'ny ankizy sy ny tanora, eny amin'ny sekolim-panjakàna, ny Governemanta Filipiana amin'ity taom-pianarana ity. Ampiharina tsikelikely eny amin'ny sekoly nofantenana manerana ny firenena ny fanabeazana ara-pananahana ary ho tafiditra ao anatin'izany ny foto-kevitra toy ny  ny fahasalamàna ara-pananahana, fiarovana amin'ny areti-mifindra VIH/SIDA, ary ny fanabeazana haizana. Naneho fanoherana goavana an'io fandaharam-pianarana io ny fiangonana Katôlika.  Nanadihady mikasika izany ny mpitoraka blaogy.

Nanontany i Tom Martin raha tokony hianarana  “any an-tsekoly na any ambadiky ny hazo” ny fanabeazana ara-pananahana.

Tsy misy raiamandreny hanana fahefana tanteraka eo amin'ny fanapahana ny toerana izay hianaran'ny zanany lahy na vavy momba ny firaisana ara-nofo ary  amiko manokana raha hendry ny raiamandreny iray dia zarany aza farafaharatsiny miatrika fanabeazana momba ny filàn'ny nofo tarihan'ny mpampianatra efa tsara hofana  any an-tsekoly tsara fototra sy voaaramaso tsara ny zanany toy izay mianatra momba ny ara-pananahana miaraka amin'ny ankizy mitovy saranga aminy any ambadiky ny ala.

Nanohana ny hevitra noraisin'ny pretra teo an-toerana ny Pinoy Catholic ary hentitra dia hentitra izy raha nanome soso-kevitra hoe tokony hapetraka ataon'ny raiamandreny ny fanabeazana momba ny filàn'ny nofo.

Nanambara ny renim-pianakaviana Filipiana iray mpitoraka blaogy fa tsy ny raiamandreny rehetra no mety mahay ny fomba firesahana  ny firaisana ara-nofo amin'ny zanany:

“Tsy afaka mandidy isika hoe tsy maintsy hain'ny raiamandreny ny miresaka an-kalalahana momba ny firaisana ara-nofo. Ny sasany amin'izy ireo dia mety tsy nandalo fianarana dia tsy mahay mikasika ny fivoaran'ny taovam-pananahana ka tsy mahomby izy ireo eo amin'ny fanazavana ireo fomba famerana ny fiterahana.”

Manoro hevitra anefa ny Catacomb fa ny raiamandreny no tokony hanome ny fanabeazana ara-pananahana.

Maninona moa raha avelantsika ho irery aloha ireo ankizy ireo. Na tokony hanandrana hametraka lalàna mikasika ny fomba fitaizana ny ankizy ny governemanta, ka hanolotra toerana manokana hanomezana fiofanana tsy tapaka  ireo raiamandreny ireo na hanome fampitaovana izay hanampy azy ireo hanana fahalalana tsara eo amin'ny fanoroana an-janany ny làlana tokony alehany rehefa mihalehibe izy ireo. Tsy misakana ny fampihariharian'ny ankizy ny fandairan'ny firaisana ara-nofo fotsiny izany fa hanome ny raiamandreny fotoana fanararaotra mba hifandraisany amin- janany ihany koa, eo amin'ny fampiasana tsara ny fotoan'izy ireo, ary eo amin'ny fifantohana tanteraka amin'izy ireo, fitiavana sy fandraisana an-tànana…

Mieritreritra ny x-piles fa ireo manohitra ny fandaharam-pianarana momba ny fanabeazana ara-pananahana ireo dia tokony hanenjika ny mass media.

Ny fiangonana dia tokony nijery ny tena meloka teo amin'ny taranaka voakasiky ny homosexualité – dia ny mass media . Manjaka be loatra amin'ny fahitalavitra sy ny horonantsary ny herisetra sy ny firaisana ara-nofo ka voarain'ny ankizy sy ny tanora tsara izany.   Ireo rehetra ireo dia afaka manova ny toe-tsain'ny tanora sy ny fivoaran'izany, ka mitondra azy ireo eo amin'ny fikorontanan-tsaina eo amin'ny fanavahana ny mety sy ny tsy mety.

Noho izany indrindra,   nametra-panontaniana i Quod Dixit Dixit momba ny tanjon'ny governemanta teo am-pametrahana an'io fandaharam-pianarana io.

Tsy mazava amiko na hoe misy hetsiky ny governemanta nitsiry tamin'io hevitra io satria  mahita izy ireo fa  be loatra ny isan'ny mponina ary  izay no fototra mahatonga ny fahantrana ao Filipiana ka izany no tokony hanenàna azy.  (N.B.: Angamba mety hoe efa nanaiky hatrany aho fa ny fototra niaingan'ny fahantran'ny firenena dia ny fihinanana ny volam-bahoaka, ny kolikoly, ny fanararaotana tsy misy fiafarany ary ny fanimbàna ny tontolo iainana sy ny harinkarena voajanahary.)

Mahita ny women's group Gabriela fa dingana iray mankany amin'ny lalana tokony itodihana io fandaharam-pianarana io.

Ny Firaketena faha-26 n'ny Departemanan'ny Fampianarana [Department of Education (DepEd)’s Memorandum No. 26], izay manome alàlana ny fampianarana ny taranja  momba ny ara-pananahana, dia  ho dingana iray azo antoka , hametraka rafitra tsara fototra ho  fakàna ny hevitr'ireo efa matihanina alohan'ny fampiharana azy tanteraka. Ho azo antoka izany fa tsy ampiharana tsy am-piheverana io fandaharam-potoana io fa arahina adihevitra. Izahay, GABRIELA, Gabriela Women’s Party sy  SALINLAHI dia vonona hiditra ho anisan'ny filan-kevitra ao anatin'io rafitra io ary hizara ny traikefanay momba ny fifandraian'ny lahy sy ny vavy ary ny fanabeazana mikasika ny filàn'ny nofo miaraka amin'ny ankizy sy ny raiamandreny.

Mihevitra noho izany i Ducky Paredes fa tsara dia tsara io fandaharam-pianarana io miaraka amin'ny fanendrena ny Rahalahy Armin Luistro FSC teo amin'ny toeran'ny Mpitantsoratry ny fanabeazana nataon'ny fitondràna vaovaon'i Aquino.

Inty ve izany no tetik'asa  farany vatsian'i Etazonia eo amin'ny fandaharam-pianarana momba ny fanabeazana mikasika ny filàn'ny nofo ho an'ireo mpianatra any amin'ny ambaratonga ambany eny amin'ny sekolim-panjakana? Mety ho marina izany. Tsy misy afaka mamantatra hoe fomba ahoana no ahazakan'ny Rahalahy Kristianina iray ny fanabeazana momba ny filàn'ny nofo ho an'ireo mpianatra eny amin'ny ambaratonga fototra sy ireo mpianatra eny amin'ny ambaratonga ambony izay maro milaza fa ireo mpitondra ao amin'ny fiangonana katôlika no mieritreritra fa ny fampianarana ny ankizy momba ny filàn'ny nofo dia azo antoka fa hitarika azy ireo amin'ny vohoka tsy niriana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.