Ao Japana, Tambajotra Sosialy Iray Natokana Manontolo ho amin'ny Vaovaon'ny Toetr'Andro

10339530_10153173784785860_693328049790989775_o

Rivodoza Noul mahatratra an'i Naha, Okinawa. Pikantsary an'efijery avy amin'ny WEATHERNEWS

Raha toa ianao otaku (mpankasitraka tafahoatra, na mpifikitra) amin'ny zavatra rehetra mifandraika amin'ny toetr'andro, dia manana tambajotra sosialy ho anao i Japana.

WEATHERNEWS no mandefa (fanomezana lehibe tsy nampoizina!) vaovaon'ny toetr'andro 24/7 ao amin'ny Fantsona Vaovao Manokana SoLive24.

Noho ny fisian'ny teknolojiam-pampielezan'onja sy ny vatan-kosina velomin'ny IP, dia afa-mifampiresaka mivantana amin'ireo mpanolotra fandaharana ny mpijery. Avy ny mpijery manontany, maneho hevitra ary miankotrihy [mamoaka vaovao farany] toetr'andro (sy sary momba ny toetr'andro) manerana an'i Japana.

Ao amin'ity pikantsary ity, mpijery mihoatra ny 6.500 avy amin'ny lafivalon'i Japanano nizara ny toetry ny andro ao amin'ny toerana misy azy.

weather news

Mamaly ny fanehoan-kevitra eo noho eo ny mpilaza vaovao.

weathernews

Pika: Ahoana ny fandefasana tatitra toetr'andro (ho anay). Sary tao amin'ny WEATHERNEWS

Raha natao hojerena amin'ny fahitalavitra sy amin'ny alalan'ny rindranasa fandefasantsary antserasera mivantana ny SoLive24, dia mamoaka ny isan'oran'ny fandefasana 24/7 ao amin'ny Fantsona YouTube ihany koa ny WEATHERNEWS.

Mandefa tatitra mivantana mandritra ny fotoana maharitra ireo toetr'andro malaza ihany koa ny fantsona, ka tafiditra amin'izany ny Rivodoza Noul (Typhoon 6) izay nitondra orana matevina dia matevina amin'ny morontsiraka atsinanan'i Japana. Nametrahan'i WEATHERNEWS fakantsary tao Naha, Okinawa, nalefany mivantana nandritra ny ora maro ny fanatonan'ny rivodoza, ary navoakany an-tserasera ny lahatsary taty aoriana.

Raha tsy mitazona Twitter ny WEATHERNEWS ao Japana, dia azonao atao ny manaraka ny resadresaka, sy mijery sarin'ny toetr'andro mahafinaritra sasantsasany manerana an'i Japana amin'ny fanarahana ny diezy #SOLiVE24.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.