Folo Taona Taorian'ny Fandripahana Olona Tao Andijan, Mitaky Fahafahana Ny Ozbeka Iray

The town of Andijan in Uzbekistan.  Photo from www.panoramio.com. Licensed to reuse.

Ny tanànan'i Andijan ao Uzbekistan. Sary avy amin'ny www.panoramio.com. Nahazoan-dalana.

Manamarika ny faha-folo-taona namonoan'ny governemantan'i Ozbekistana ireo olo-tsotra an-jatony izay nivorivory tao amin'ny kianja tao amin'ny tanàna iray avy amin'ny toa hetsika tampoka ho fihantsiana ny fitondrana maherisetra sy mpanao kolikoly ny 13 Mey.

Ny ampitson'ny fandripahana, nofaritan’ny governemanta Ozbeka ho “Silamo mahery fihetsika” ny ankamaroan'ireo mpanao hetsi-panoherana, fiantsoana izay nanjary mitovy dika amin'ny olona tsy mifanaraka amin’ny fomba fjery tery sainan'ny fanjakana mikasika ny atao hoe olom-pirenena idealy.

Na dia tsy avy ao an-tanànan'i Andijan tamin'io andro io aza ny olona resahina amin'ity lahatsoratra ity, Akram Rustamov, ny tantarany dia manome fijery mahita ny ao anatiny amin'ny toe-draharaha anjakan'ny tahotra sy ny paranoïa (fanahiana tafahoatra) ataon'ny governemanta amin'ny anaran'ny ady amin'ny fampihorohoroana- na dia kilaometatra an'arivony miala ny sisintaniny aza.

Nosoratan'i Sonum Somuria, mpanatontosa sarimihetsika mahaleotena avy ao amin'ny Horonantsarimihetsika Guerrera ity lahatsoratra manaraka ity. Nivoaka tao amin'ny EurasiaNet.org tamin'ny 11 May izany.

Nihaona tampoka tamin'i Akram Rustamov, 25 taona, aho raha teo am-pikarohana tantara momba ny zava-tsarotra atrehin'ny mpifindra monina Aziatika Afovoany ao Moskoa, izay an-tapitrisany ireo miasa eo ambanin'ny fifehezana (asa ambany indrindra).

Niatrika fiampangana ratsy dia ratsy tao an-tanindrazana tao Ozbekistana izy

Nohampangain'ireo mpampanoa lalàna Ozbeka ho manangona olona hoan'ny “Hetsika Islamikan'i Turkestan” (mihevitra ireo manam-pahaizana sasany ao amin'ny faritra fa foroporononin'ny polisy miafina ao Ozbeka izany vondrona izany) sy miantso ny jihad ao an-tanindrazana ary mitady mpikatroka hanao fanazarana ara-miaramila ao Syria i Akram.

Nampiasa fiampangana fampihorohoroana namboamboarina nandritra ny taona maro i Ozbekistan mba hampidirina am-ponja ireo mpitsikera sy olon-kafa an'arivony, izay Miozolomana milamina ny ankamaroany, hoy ireo vondrona mpiaro zo. Mampiasa fisamborana sy fitsarana tsy azon'ny daholobe atrehina ny fitondran'i Islam Karimov mba hampisy tahotra maharitra sy haha ara-dalàna ny fitondrany tsy refesi-mandidy ao an-tanindrazana sy any ivelany. Ny fihanaky ny Fanjakana Islamika ao Iraka sy Syria no fialana bala farany indrindra natao.

Antsoin'ilay mpikatroka Bahrom Hamroev ao amin'ny Memorial, fikambanana Rosiana lehibe mpiaro ny zon'olombelona ho “namboamboarina sy hosoka” ireo fiampangana an'i Akram.

Nangataka tamiko mba handrakitra amin'ny horonantsari-tsarimihetsika ny tantarany i Akram. Mitady mafy ny fomba rehetra hanaporofoana ny tsy maha meloka azy izy.

Tamin'ny fiarahana tamin'ireo Ozbeka tany Moskoa no nahitako avy hatrany fa maro ireo miaina ao anatin'ny tahotry ny zava-dratsy kokoa noho ny andian-jatovo Rosiana nasionalista na ireo mpampiasa miafina izay efa nolazaiko tao amin'ny tahirin-kevitra.

Raha nahare anay niresadresaka ny iray tamin'ireo naman'i Akram antsoiko hoe Ahmad- lehilahy ngezangeza sy matoky tena fa ny fitondran'i Karimov no tao ambadiky ny fanapoahana baomba tamin'ny 1999, dia nikorapaka izy. Raha misy olona mandre izany, hoy izy, dia hampidirina am-ponja avy hatrany aho. Natahotra mafy ihany koa i Ahmed sy ny namana iray hafa izay miatrika fiampangana mitovy amin'ny an'i Akram ka nijanona tsy nandeha niasa, matahotra ny fakàna an-keriny ataon'ny sampam-pitsikilovana Ozbeka miasa ao Moskoa.

Folo andro taorian'ny fahavitako ny horonantsarin'i Akram, niantso ahy izy ary nilaza tamiko fa handeha hiverina any Ozbekistan. Niangavy azy aho mba tsy hanao izany saingy nilaza tamiko izy fa tsy manan-tsafidy. Nahazo fandrahonana tamin'ny antso an-tariby avy amin'ny Sampam-piarovam-pirenena Ozbeka (SNB) izy, hoy izy, ary niainga izy tamin'ny 24 Aprily.

Tamin'ny fahatongavan'i Akram tao Ozbekistana, nilaza ny fianakaviany sy ny namany fa: notanan'ny SNB izy. Tsy misy olona mahazo mitsidika azy. Matahotra ny namany sy ny fianakaviany fa nampijaliana izy ary mety tsy hahita azy intsony izy ireo.

Nilaza i Hamroev avy ao amin'ny Memorial fa nihevitra izy fa nampanantenana fahafahana i Akram, nampanantenana fa hodiovina ny anarany. Tsy misy fomba hafa ahafahany miala bala, hoy i Hamroev. Mihevitra ihany koa izy fa nomena safidy i Akram toy ny hoe: hiverina hody na hiharatsy tanteraka ny momba anao

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.