Sary an'ohatra No Hitan'ny Shinoa Amin'ilay Lahatsarim-Pirodanan'ny Lampihazo Iray Miparitaka Be

Cartoonist Biantailajiao capture the collapse of China Dream with his drawing.

Asehon'i Biantailajiao mpanao sariitatra amin'ity sary nataony ity ny firodanan'ny Nofinofin'i Shina.

Olona valo no naratra, roa amin'ireo notena voa mafy, rehefa nirodana ny lampihazo iray avy any amin'ny dimy metatra miala ny tany raha teo am-pamerenana hira iny ireo polisy 80 hanao fifaninanan-kira any an-tànanan'i Bijie ao amin'ny faritanin'i Guizhou amin'ny 8 May.

Voarakitra ilay loza ary niely be taty anaty media sosialy ilay lahatsary. Raha tokony ho fitserana no naseho, dia betsaka tamin'ny olona no nifaly tamin'ilay tranga, narahany fanehoankevitra toy ny hoe “Mavesatra Loatra Ny Nofinofy Shinoa!” na “Fampisehoana ny firodanan'ny Nofinofy Shinoa,” entiny milaza ny fehezanteny fitenin'ny Filoha Xi matetika ho fanandratana ny fanomezana aina vao ny firenena. Ito ambany ito ny lahatsary voatahiry tao amin'ny YouTube :

Ny lohahevitry ny fifaninanana dia ny hoe “Ny Nofinofy Shinoa sy ny Hakanton'ny Asa”, izay anisan'ny ao anatin'ny fampielezankevitra nasionaly iarahana mikarakara amin'ny Federasionan'ireo Sendikan'ny Mpiasa Rehetra manerana an'i Shina, ny Departemanta Foiben'ny Fampielezankevitra ary ny “China Central Television Station” (CCTV).

Naneso ny mpanolotra vaovao ao amin'ny CCTV i @hnjhj, mpampiasa Twitter, sady naneho hevitra hoe :

Ho fankalazana ny Fetin'ny Reny ho an'ny Firenena Renintsika, dia manao fampisehoana goavana ny teatra ao an-tanànan'i Bijie ao amin'ny faritanin'i Guizhou “Ny firodanan'ny Nofinofy Shinoa.”

Naorina tamin'ny 2008, toerana manamarika ny tanànan'i Bijie, ilay teatra; tamin'ny fotoan'androny, nanodidina ny 90 tapitrisa RMB (eo amin'ny 14,5 tapitrisa dolara amerika) ny asa fanarenana azy. Ny halemen'ilay lampihazo dia nampahatsiahy ny maro ilay tranoben'ny sekoly “tofu-dreg” nidaraboka nandritra ilay horohorontany tao Sichuan tamin'ny 2008, nahafatesana mpianatra an'arivony maro. Ny fomba fiteny hoe “tofu-dreg”, izay ny “bits” sisa tavela tamin'ny dingana fanamboarana “tofu”, dia mazàna no ampisaina hanondroana ireo asa fanorenana tsizarizary/kitoatoa.

Ireo fanamarihana feno eso mandratra mikasika ny hoe mavesatra loatra ny nofinofy Shinoa  dia manome topimaso amin'ny tsy hafalian'ny vahoaka Shinoa amin'ireo teny faneva politika poakaty ataon'ireo manampahefana. Nataon'ilay mpanao sariitatra, Biaotailajiao, ho anaty sary iray (jereo ery ambony indrindra) ilay fihetsehampo, miaraka amin'ny fanehoany sambo iray feno polisy milentika miadana any anaty ranomasina.

Na izany aza, nesorina tao anaty tranonkala ilay tantara ary nodiovina taoriana kelin'izay ireo fanehoankevitra miiba tao anaty media sosialy Shinoa. Boxun, tranonkala Shinoa mpanohitra any ampitan-dranomasina, dia nahavita nanangona betsaka tamin'ireo fanehoankevitra nalaza momba ilay tranga :

中國夢太沉重了。
豆腐渣工程無處不在。
納稅人的錢不是讓你們參加歌詠比賽的。
站在搖搖欲墜的台子上唱讚歌是要摔下來的!
明顯是超重啦!遲到那三個人一上去舞台就塌了。
太諷刺了。中國夢就是這樣的?連個舞台都是豆腐渣工程!
1秒前還是歌舞昇平,1秒後分崩離析。終究會有壓垮駱駝的最後一根稻草!

Mavesatra loatra ny Nofinofy Shinoa
Mameno tanàna ny tetikasa “Tofu-dreg”.
Ny natao hanakaramana anareo hanao fifaninanana hira ny volan'ny mpandoa hetra.
Hitondra anareo amin'ny fitsingidinana ny fijoroana sy fihiràna fideràna eo amboninà lampihazo migorodana.
Mibaribary be fa mavesatra loatra. Nirodana ny lampihazo nony injay niakatra ireo telo taraiky farany nankeo ambony lampihazo.
Tena maneso. Tahaka izao ve ny Nofinofy Shinoa? Na ny lampihazo aza dia tetikasa “tofu-dreg” koa
Iray segondra lasa izay, fampisehoana miezinezina no teo. Iray segondra taorian'izay, nirodana ny zavatra rehetra. Amin'ny farany, tsy maintsy hitranga ny nafenina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.