Namoaka Lahatsary Mahery Vaika Miady amin'ny Fankahalàna Pelaka ny ‘Proud Lebanon’

Ny 17 Mey no manamarika ny International Day Against Homophobia, Transphobia and Biphobia (na IDAHO ~ Andro Iraisampirenena Miady amin'ny Fankahalana Pelaka, Sarimbavy/Sarindahy ary Biseksa), ho fahatsiarovana ny andro tamin'ny 1990 nanesoran'ny Fikambanan'ny (mpisahana) Fahasalamana Manerantany ny fahapelahana ho tsy aretina. Ho fiomanana izany, misy vondrom-piarahamonim-pirenena Libaney iray manana anarana hoe ‘Proud Lebanon‘ namoaka lahatsarim-panentanana iray miantso ny hanajana ny zon'ny LGBT ao Libanona.

Ny lahatsary, izay manasongadina ireo fanta-daza Libaney maro tahaka ny tale Zeina Daccache sy ny mpanolotra fahitalavitra Fouad Yammine, miantso an'i Libanona hanaja ny Fanambarana Manerantanin'ny Zon'olombelona sy tsy hanavakavaka ‘ireo hafa’.

بتعرفوا إنو أول مادة بحقوق الانسان بقول إنو كل الناس متساويين بالكرامه و الحقوق.
بتعرفوا إنو بالقرن 21 بعد في ناس عم بيتعرضو للضرب، للتمييز، للإعتقال حتى أوقات للقتل بس لأنن مثليين. الاختلاف مش عيب. العيب هو محاربة الاختلاف. فيه يكون خيك، فيه يكون جارك أو زميلك بالشغل. فيا تكون اختك، رفيقتك أو حتى مديرتك بالشغل. مش لأنك رافض تعترف بوجودن، يعني هني مش موجودين. ما بكفي نعترض عالظلم، لازم كلنا نشتغل لنبدل هل قوانين الظالمه. القوانين بتحمي كل المواطنين. لأنو القوانين هي للحماية مش للإضطهاد. كلنا خلقنا احرار ومتساويين. بعرف إنو صعب نواجه المجتمع بس عالقليله القانون لازم يكون صح. الديموقراطيه مش بس اكثريه واقليه، هي تأمين الحماية لكل المواطنين. مش ضروري تكون فقير لتدافع عن حقوق الفقرا. مش ضروري تكون مرأة، لتدافع عن حقوق المرأة. مش ضروري تكون لاجئ لتدافع عن حقوق اللاجئين. مش ضروري تكون مثلي لتدافع عن حقوق المثليين. بيكفي تكون إنسان. بيكفي تكون انسان… لو اختلفنا ما لازم نختلف، لو اختلفنا ما لازم نختلف.. حتى لو اختلفنا ما لازم نختلف، لو اختلفنا ما لازم نختلف . لاقونا ب 17 ايار بمسرح هوتيل مونرو تنتشارك سوا باليوم العالمي ضد رهاب المثليين من الساعة 11 الصبح لل ساعة 6 المساء.

Fantatrao ve fa ny andininy voalohany amin'ny fanambarana manerantanin'ny Zon'olombelona dia manambara fa teraka afaka sy mitovy fahamendrehana sy zo ny olombelona rehetra? Fantatrao ve fa amin'izao taonjato faha-21 izao dia mbola misy ny olona darohana, atao anjorom-bala, samborina ary misy aza ny sasany vonoina… Satria LGBT fotsiny ry zareo? Tsy mahamenatra ny mahasamihafa… ny miady amin'ny fahasamihafana no mahamenatra. Mety ho rahalahinao/anadahinao, mpifanolobodirindrina aminao na mpiara-miasa aminao izy. Mety ho rahavavinao/anabavinao, namanao, na lehibenao ao am-pianarana. Raha tsy ekenao ny fisiany, tsy midika izany fa tsy misy ry zareo. Tsy ampy ny manohitra izany tsy rariny izany. Tokony miasa miaraka isika rehetra hanova ireo lalàna tsy rariny ireo sy hanolo azy amin'ny lalàna miaro ny olom-pirenena rehetra. Satria natao hiarovana ny lalàna, fa tsy natao hanavakavahana. Natao teraka ho afaka sy hitovy isika rehetra. Fantatro fa sarotra ny miatrika ny fiarahamonina, saingy farafaharatsiny mba atao ara-drariny ny lalàna. Tsy resaka maro an'isa sy vitsy an'isa fotsiny ny demokrasia, fa natao hiarovana ny olom-pirenena rehetra. Tsy voatery hahantra ianao fa hiaro ny zon'ny mahantra. Tsy voatery ho vehivavy vao hiaro ny zon'ny vehivavy. Tsy voatery ho mpifindramonina vao hiaro ny zon'ny mpifindramonina. Ary tsy voatery ho pelaka vao hiaro ny zon'ny LGBT. Rehefa Olombelona dia ampy izay. Na dia samihafa aza isika, dia tsy tokony tsy hitovy hevitra amin'izany. Andao hihaona aminay amin'ny 17 mey ao amin'ny Hotel Monroe handray anjara amin'ny IDAHOT manomboka amin'ny 11 atoandro ka hatramin'ny 6 ora hariva.

Mbola tsy mazava tsara ny satan'ny zon'ny LGBT ao amin'ny lalàna Libaney. Raha tsy misy ny lalàna manokana mandrara ny fifaneraseran'ny lahy tia lahy, dia misy andininy iray – Andininy 534 – izay mandrara ny firaisam-batana “mifanohitra amin'ny lalànan'ny natiora”. Io andininy io, anefa na izany aza, dia nodinganin'ny mpitsara roa raha kely indrindra ho tsy manankery.

Tahaka izany ny tamin'ny Janoary 2014, nisy mpitsara iray namoaka didy fa tsy azo atao hanankery ny andininy faha-534 satria “tsy manome dika mazava amin'izay lazaina ho tsy mifanaraka amin'ny lalànan'ny natiora.” Izany didy navoakany izany dia nifototra tamin'ny didy efa nivoaka teo aloha nataon'ny mpitsara iray hafa tamin'ny 2009 izay tonga tamin'io famehezana io ihany koa.

Mila fanamarihana manokana ny didy nivoaka tamin'ny 2014. Ny tantara dia misy ifandraisany amin'ny vehivavy tsy tononina anarana niova taovam-pananahana iray izay voampanga ho nanao firaisam-batana tamin'ny lehilahy iray. Rehefa nentina teo anatrehany ny raharaha dia notsipahin'ny mpitsara Naji El Dahdad ao amin'ny Fitsaran'i Jdeide, tamin'ny filazana fa:

Gender identity is not only defined by the legal papers, the evolution of the person and his/her perception of his/her gender should be taken into consideration. Homosexuality is an exception to the norms but not unnatural therefore article 534 (which prohibits sexual relations that “contradict the laws of nature”) cannot be used against homosexuals, and therefore, technically, homosexuality is not illegal.

Tsy hoe voafaritry ny taratasy ara-dalàna ihany ny fanondroana mahalahy na vavy, fa tokony horaisina ihany koa ny fivoaran'ny fiheveran'ny olona tsirairay ny mahalahy na vavy azy. Hafa tsy ao anatin'ny fenitra ny fahapelahana saingy tsy mifanohitra amin'ny natiora noho izany dia tsy azo hamelezana ny pelaka ny andininy faha-534 izay mandrara ny firaisam-batana ‘mifangarika amin'ny lalànan'ny natiora’, noho izany dia manitsakitsaka ny lalàna ny fahapelahana.

Nanampy tamin'ny fanoratana ity lahatsoratra ity i Taline Khajikian sy i Nour Hajjar.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.