Teny Avy Amin'ny Tontolon'ny Orogoain'Ingahy Filoha Fahiny, José ‘Pepe’ Mujica

El expresidente de Uruguay José "Pepe" Mujica. Foto publicada en Flickr por OEA - OAS. Publcada bajo licencia Creative Commons.

José Mujica, filoha fahiny tao Orogoay. Sary navoakan'i OEA- OAS tao amin'ny Flickr. Navoaka teo ambanin'ny lisansa Creative Commons.

Ny sasany mety ho tia azy, ny sasany tsia, saingy ny tsy azon'ny rehetra iadiana hevitra dia ny hoe nahazo ny toeram-boninahiny ao amin'ny Panthéon amin'ny maha-mpitarika nisongadina azy teto amin'izao tontolo izao ilay filoha fahiny tao Orogoay José Mujica (2010-2015) , zavatra iray niaraha-nahita rehefa injay ny gazetiboky Monocle nanendry azy ho “ny Filoha Mendrika Indrindra Teto An-Tany” tamin'ny 2012.

Amin'ny ampahany, ny laza azon'i Mujica (‘Pepe’, araka ny anarana mampahalaza azy ao Orogoay), teo amin'ny sehatra iraisampirenena dia noho ny toetra tsy mahazatra nisy tamin'ny fitondràny, toy ny fombam-piainany tsotra sy ny nanomezany ny 90% tamin'ny karamany ho an'ny fanatanterahana ireo asa tena mendrika izany.

Kanefa, nahasarika ny sain'izao tontolo izao ihany koa ny politikany, indrindra fa ny lalàna natao momba ny fivarotana ‘marijuana’ ho ara-dalàna tao amin'ny firenena – natosiky ny hetaheta hanaisotra ny fahefana tsy ho eny am-pela-tànan'ireo goavan'ny fanondranana zava-mahadomelina ao amin'ny firenena — ary ny fanoloran-tenany hampiasa ny angovo azo havaozina.

Tany ampiadohan'ny Martsa tamin'ity taona ity i ‘Pepe’ no nandao ny biraony, mifanaraka amin'ny fe-potoam-piasana tsy misy afa-tsy indray mandeha ihany araka ny lalàm-panorenana ao Orogoay. Saingy ny filôzôfiany sy ny fomba fijery mahitsy ananany momba ny tontolo, izay sady niteraka fiderana azy no nitondra fanilihana ihany koa, dia toy ny nifamatotra amin'ireo politika Orogoaiana nandritry ny fotoana sasantsasany.

Rehefa nandany ny 13 taona voalohany tany am-ponja izy, tamin'ny naha-gadra noho ny politika azy nandritry ny fitondrana jadona tamin'ny 1970 sy 1980, dia nahazo ny lazany i  ‘Pepe’ ho tsy mba nihemotra tamin'izay fifandonana sy nifikitra tamin'izay ninoany ho ny zava-dehibe indrindra amin'ny fiainana.

Ho an'ny sasany, isan'ireny ireo Orogoaiana sasantsasany, ny endrika tsy manara-drafitra nitondràny dia mety hanahirankirana ihany ary tsy hoe tsy nisy tsininy foana ny diplaomasiany momba an'i Amerika Latina. Indray mandeha izy no voalaza fa tratra niantso an-telefaona ny Filohan'i Arzantina, Cristina Kirchner “vaviantitra iray mpamosavy ” sy ny vadiny izay teo alohany nodimbiasany, Nestor Kirchner “ilay poa-maso an'ila” noho ny masony reraka.

Fa ireto ny sasany amin'ireo nofinofin'i José Mujica tena niteraka fampieritreretana, fanolorana avy amin'ny Wikiquote momba azy:

“La política está sujeta a volar como las perdices, cortito y rápido. Y se está necesitando política de largo aliento en un mundo que se globaliza”.

“Para vivir hay que trabajar, ¿verdad? Y si no trabajás estás viviendo de garrón a costilla de alguien. Y la vida de parásito no es digna, pero tampoco podés vivir nada más que para trabajar. Así de sencillo. Porque lo más glorioso que tenés es la vida. Y eso, que es tan elemental es la cosa que más olvidamos, pero nos lo hace olvidar la cultura, el medio ambiente y sobre todo esa violencia de arrastre que tiene la sociedad de consumo y que parece que si no estamos subidos en ese tren nos vamos a morir”.

“Son los más pobres. Mi definición es la de Séneca: “Pobre es el que necesita mucho”. Porque el que necesita mucho, eso es infinito, esos son los más pobres”.

“Nosotros creemos que el narcotráfico, no la droga, el narcotráfico es el peor flagelo que estamos soportando recientemente en América Latina”.

“Y no defendemos ninguna adicción, pero la vía represiva viene fracasando, ya llevamos muchas décadas y viene fracasando, entonces nosotros decimos “hay que tratar de arrebatarle el mercado, sacarle la razón de ser, que es arrebatarle el mercado”.”

“Abogo por una manera personal de vivir con sobriedad, porque para vivir hay que tener libertad y pa’tener libertad hay que tener tiempo…
Entonces soy sobrio para tener tiempo, porque cuando tú compras con plata no estas comprando con plata, estas comprando con el tiempo de tu vida que tuviste que gastar para tener esa plata”.

“Vale la pena vivir con intensidad, y te podés caer una, dos, tres, veinte veces, pero recuerda que te podés levantar y volver a empezar. (…) Derrotados son los que dejan de luchar, muertos son los que no luchan por vivir”.

“Lo que algunos llaman la crisis ecológica del planeta es consecuencia del triunfo avasallante de la ambición humana, ese es nuestro triunfo también nuestra derrota”.

“Continuarán las guerras y por tanto los fanatismos, hasta que tal vez la naturaleza nos llame al orden y haga inviable nuestra civilización”.

“Natao hanidina toy ny vorona ‘perdrix’ ny politika, fohy sy haingana. Ary ny ilaina ao anatin'ny tontolon'ny fanatontoloana dia ny politika maharitra.”

“Mba ho velona dia tsy maintsy miasa ianao, sa tsy izany? Ary raha tsy niasa ianao dia mety hitambezo aman'olona hafa. Ary tsy omena haja ny fiainan'ny olona iray mitambezo lava, nefa koa tsy afaka hiaina mba hiasa na hanao zavatra hafa ianao. Tsotra kely izany.  Satria ny zavatra be voninahitra indrindra ananan'ny olona iray dia ny fiainana. Ary na dia tsotra indrindra aza ny fiainana, izay no zavatra tena adinontsika indrindra, nefa ny fiainana no mahatonga antsika hanadino ny kolontsaina sy ny tontolo manodidina antsika, ary ambonin'izany rehetra izany, dia ny tosika  maherisetran'ny fiarahamonina natao fotsiny hanjifa no mahatonga azy ho tahàka ny hoe raha tsy tafakatra ao anatin'ny lamasinina isika dia ho faty.”

“Isika no mahantra indrindra. Ny famaritako dia avy amin'ny Séneca: “Mahantra izay mitady lava.” Satria izay mitady lava, izay isika tsirairay, ireny no mahantra indrindra.”

“Inoantsika hoe ny fanondranana zava-mahadomelina, fa tsy ny zava-mahadomelina amin'ny maha-izy azy, no aretina ratsy indrindra izay nozakaintsika tsy ela akory izao taty Amerika Latina.”

“Ary isika tsy miaro izay rehetra fiankinan-doha, fa tsy mahomby ny làlana famoretana, ary efa ampolo taona maro izany no tsy nahomby, noho izany dia miteny izahay : ‘ Tsy maintsy alaina ny tsena, esorina ny antom-pisiany, izay no izy, alaina amin'izy ireo ny tsena.'”

“Misolovava avy amin'ny fijery manokan'ny tena aho ny mba hiainana amin'ny antonony, satria mba hiainana dia tsy maintsy manana fahalalahana ianao, ary mba hananana fahalalahana dia tsy maintsy manana fotoana ianao… Noho izany mahalala onona aho mba hanànana fotoana, satria rehefa mitondra vola miantsena ianao, tsy hoe fotsiny mividy amin'ny alàlan'ny vola, fa mividy miaraka amin'ny fotoana avy amin'ny fiainanao izay nanànanao nolaniana nividianana izay vola izay.”

“Tena mendrika iainana araka izay tratra ny fiainana, ary mety hidaraboka in-dray, roa, telo na in-droapolo ianao, saingy tsarovy fa hitsangana sy hiverina hamerina indray ianao. (…) Ny faharesena dia an'ireo izay niato tsy nitolona, ary ireo nitsahatra tsy nitolona mba ho velona no maty.”

“Izay antsoin'ny olona ho krizy ekôlôjikan'ny planeta dia vokatry ny fandresena mitalakotrokotroky ny nofy tsy hay tohain'ny olombelona, izany no sady fandresentsika no faharesentsika.”

“Hitohy ireo ady ary hatrany hatrany ny fanarahana an-jambany, mandra-panaitran'ny natiora antsika handamina sy hanao ny sivilizasiônantsika ho azo iainana.”

77 taona izao i Pepe, miaina aminà trano tsotsotra any ambanivohitra miaraka amin'i Lucia vadiny sy ilay alikany tsy manana afa-tsy tongotra telo. Mivarotra voninkazo Chrysanthemums no fidiram-bolan'izy mivady.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.