Netizen Report: “Raha Manaisotra Ny Fahalalahan'izy Ireo Ianareo, Mandratra Anay Rehetra” #FreeZone9Bloggers

freezone9bloggers_6

Bilaogera miandry famotorana tamin'ny 18 Febroary 2015. Sary avy amin'ny TrialTracker/Melody Sundberg.

 Manome topi-maso ireo fanamby, fandresena sy vaovao malaza mikasika ny zo amin'ny aterineto manerantany ny Netizen Report ato amin'ny Global Voices Advocacy

Efa herintaona izay no nisamboran'ireo manampahefana Etiopiana ireo bilaogera sy mpanao gazety sivy manana fifandraisana amin'ny fikambanana fiaraha-mibilaogy iombonana Zone9, vondrona mpianatry ny oniversite nahazo diplaoma vao haingana nanoratra ny olana ara-politika ao amin'ny fireneny ary niasa hanampy ny Etiopiana hahafantatra ny zo ara-lalàmpanorenan'izy ireo. Ny antony nanenjehan'ny governemanta ireo bilaogera izay voampanga teo ambanin'ny Lalàna Miady amin'ny Fampihorohoroana dia noho ny fampiasan'izy ireo fitaovam-pifandraisana voaaro sy sehatra antserasera izay lazain'ny governemanta fa fikasana handrodana, hanova na hampiato ny Lalàmpanorenam-panjakana na Federaly amin'ny alalan'ny herisetra, fandrahonana na teti-dratsy.”

Manana adidy
(sy fanampiana volabe) avy amin'i Etazonia sy ny governemanta tandrefana hafa i Etiopia mba hitazonana ny fiarovana mafy ao amin'ny Tandrok'i Afrika, izay atahorana hatrany ny fandrahonana ataon'ireo vondrona mahery fihetsika toy ny Al-Shabaab. Saingy ankoatra ny fanoherana ireo fandrahonana ireo, nampiasa ity fihetsika ity ihany koa ny governemanta Etiopiana ho fanamarinana fa manasazy ireo feo mpitsikera, ka anisan'izany ireo mpanao gazety tahaka an'i Eskinder Nega, Reeyot Alemu, sy ireo bilaogeran'ny Zone9.

Na dia efa niakatra fitsarana aza izy ireo tamin'ny volana Aprily, nohenoina ny feon'ireo bilaogeran'ny Zone9: Noho ny fanampian'ny namana, nahavita namoaka antsokosoko ny tantaran'ny zava-niainan'izy ireo any am-ponja izy ireo. Tamin'ny herinandro lasa ny Guardian namoaka taratasy avy amin'ilay bilaogeran'ny Zone9 Natnael Feleke nalefa hoan'ny Sekretaram-panjakana John Kerry, izay nihaona taminy nandritra ny fifanakalozan-kevitra iray niarahana tamin'ny mpianatra talohan'ny nisamborana azy. Feleke, mpianatra toekarena ao amin'ny Oniversite Addis-Abeba nanoratra hoe:

To be honest with you, how much time I will be spending in prison is not the most pressing issue on my mind right now…. It is not that I don't appreciate the earnest assistance being forwarded to the development process in my country. It is just that I strongly believe effective monitoring of such assistance can only be employed where there is a government accountable to its people. It is ironic that the world's top recipient of development assistance is without effective monitoring and accountability.…

I understand the difficulty you face in striking a balance between maintaining security and stability and promoting democratization in your foreign policy….As US national interests are built on core values of liberty and democracy, I have hope and confidence that you will adopt a new stance that forges a clearer relationship between any form of assistance and the democratization process.

Tsoriko aminao, tsy olana maika indrindra ato an-tsaiko amin'izao fotoana izao ny faharetan'ny fijanonako aty am-ponja . tsy hoe tsy mankasitraka ny fanampiana fatratra nomena hoan'ny fizotry ny fampandrosoana ao amin'ny fireneko aho. Fa mino tanteraka aho fa azo ampiasaina amin'ny governemanta tompon'andraikitra amin'ny vahoakany ny fanaraha-maso mahomby ny fanampiana tahaka izany. Toa mampihomehy fa ny mahazo tombotsoa voalohany indrindra manerantany amin'ny fanampiana ho amin'ny fampandrosoana indray no tsy misy fanarahamaso mahomby sy fandraisana andraikitra.

Azoko tsara ny olana atrehinao amin'ny fametrahana fifandanjana eo amin'ny fihazonana ny fandriampahalemana sy ny fahamarinan-toerana sy ny fampiroboroboana ny demaokrasia amin'ny politikanareo ivelany Satria ny tombontsoam-pirenen'i Etazonia dia naorina amin'ny soatoavina fototry ny fahalalahana sy ny demaokrasia , dia manana fanantenana sy toky aho fa haka fijoroana vaovao hanamafy ny fifandraisana mazava eo amin'ny fizotry ny fanampiana sy ny demaokrasia amin'ny endriny rehetra ianao

.

Azo vakiana ato amin'ny Global Voices ny taratasy orizinalin'i Natnael. Nanatontosa lahatsary ho fanamarihana ny tsingerintaonan'ny fisamborana ireo bilaogera ireo mpanoratra sy mpisolovavan'ny Global Voices avy any Azerbaijan, Kroasia, Kiobà, Iran, Kenya, Meksika, sy ny sisa:

#FreeZone9bloggers avy amin'ny Global Voices ao amin'ny Vimeo.

Mandeha ny Famantarana fa mitaky ny fialàn'ny filohany ny Goatemaleka


Goatemalteka an'aliny no nanao fihetsiketsehana tao amin'ny renivohi-pirenena tamin'ny Sabotsy hitaky ny fialànan'ny Filoha Otto Perez Molina sy ny Filoha lefitra Roxana Baldetti, taorian'ny tantara ratsy momba ny kolikoly goavana izay voalaza fa nahasaringotra ny mpitan-tsoratr'i Baldetti. Mpanao fihetsiketsehana marobe no nandefa ny sarin'ireo fitaovana hafahafa napetraka manodidina ny renivohitra, izay nambaran'ireo loharanom-baovao marobe avy ao an-toerana fa fitaovana fakantsary avo lenta ampiasaina hanaraha-maso ny fihetsiketsehana. Nosakanana ny hafatra amin'ny finday, manakana ireo mpanao fihetsiketsehana tsy hifanerasera amin'ny haino aman-jery sosialy. Tsy mbola mazava ihany koa raha tetikady hampihenana ny ezak'izy ireo na fahatapahana tsotra fotsiny ny fahatapahan-jiro.

Mety Handany ny “Lalàna Aaron” ny Kongresy Amerikana

Nampahafantatra indray volavolan-dalàna mikasa hanitsy ny Lalàna momba ny Fanararaotana sy ny Hosoka amin'ny Solosaina, izay voatsikera mafy ho manohintohina ny fiarovana ny fahazoam-baovao ireo loholona Amerikana. Voampanga amin'ny heloka 13 ambanin'ny lalàna ilay mpikatroka fahalalana misokatra sady mpianatra MIT teo aloha Aaron Swartz noho izy voalaza fa nisintona tsy nahazoan-dalana ireo lahatsoratra akademika tao amin'ny tahirin'ny JSTOR. Namono tena teo amin'ny faha-26 taonany izy raha mety ampidirina am-ponja rehefa tsy nety nanohy ny fitoriana azy amin'ny ady madio ny JSTOR sy ny MIT. Nomena anarana Lalàna Aaron ny lalàna ho fahatsirovana an'i Schwartz, manakana ireo mpampanoa lalàna tsy hiampanga fanindroany ireo toriana noho ny heloka iray ihany sy manakana azy ireo amin'ny fampiasana lalàna noho ny fanitsakitsahana ny fifanaraham-pampiasana zavatra iray. Nampahafantarina tao amin'ny Antenimieran-doholona ny lalàna Aaron saingy tsy lany nandritra ny fandinihana noho ny anton-javatra maro toy ny fandresen-dahatra nataon'ireo lehiben'ny indostrian'ny rindrambaiko manohitra ny fanitsiana.

Miatrika fiampangana ilay mpanao gazety Angoley noho ny fanadihadiana “diamondran-drà”

Any am-ponja ankehitriny ilay mpanoratra gazety Angoley Rafael Marques de Morais noho ireo fiampangàna fanalam-baraka maromaro tamin'ny asany manaisotra ny rakotry ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona mifandraika amin'ny fitrandrahana diamondra ao Angola. Nanoratra tao amin'ny haino aman-jery isan-karazany amin'ny teny Portiogey ao Afrika sy ny The Guardian i Marques de Morais. Nitantana ny tranokalam-baovaony manokana, Maka Angola, ihany koa izy. Nahazo loka tamin'ny Index on Censorship Freedom of Expression Award for Journalism for 2014 [Lokan'ny Fanaovan-gazety 2014 amin'ny Fampilaharana ny Fanivanana Fahalalaham-pitenenana] ihany koa izy .

Mavitrika ny tambajotra sosialy ao Vietnam, na dia eo aza ny lalàna henjana momba ny aterineto

Araka ny tatitra nataon'ny antoko mpomba ny demokrasia Viet Tan, miha-mitombo hatrany ireo mpiserasera Vietnamiana miditra tambajotra sosialy mba haneho ny heviny momba ny olana ara-tsosialy sy ara-politika na dia eo aza ny famerana henjana amin'ny fahalalahana maneho hevitra ao amin'ny firenena.

Fikarohana Vaovao New Research

Nanampy tamin'ny fanoratana ity lahatsoratra ity i Ellery Roberts Biddle, Lisa Ferguson, Weiping Li, Hae-in Lim ary Sarah Myers West.

Misorata anarana ao amin'ny Netizen Report Amin'ny alalan'ny mailaka

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.