Manambatra Ny Hery Ny Radio Ambulante Sy Ny Global Voices Ao Amerika Latina

Radio Ambulante y Global Voices trabajarán en conjunto para dar a conocer las inciativas y los testimonios de latinoamericanos dentro y fuera de la región.

Radio Ambulante y Global Voices trabajarán en conjunto para dar a conocer las inciativas y los testimonios de latinoamericanos dentro y fuera de la región.

Nanambatra ny heriny amin'ny Global Voices ao Amerika Latina ny Radio Ambulante mba hampitoboana ny fisiana sy hanapariahana ny feon'ireo Amerikàna Latina.

Radio Ambulante dia fandaharana iray amin'ny teny Espaniola izay mitantara ny tantaran'ireo Amerikàna Latina avy amin'ny faritra rehetra miteny Espaniola, tafiditra ao anatiny i Etazonia. Ny tantaran'ireo Amerikàna Latina ihany no asehon-dry zareo miavaka, amin'ny fitondrana endrika manana kalitao ambony amin'ny asa fanaovana gazety ao amin'ny onjampeo, izay ahazoany mpihaino hatramin'ny 60.000 manerana izao tontolo izao isaky ny fandaharana .

Eo amin'ny 60 isanjato eo ny taham-pidiran'ilay Radio ao Amerika Latina. Amin'ny fampiasàna ireo fitaovana isan'ny malaza indrindra amin'ny teknolojia vaovao ao amin'ny faritra, mitondra ny feo sy ny fahitàna ireo olana sosialy manan-danja amin'ny alàlan'ny teny Espaniola ny Radio Ambulante.

Nanomboka ny volana May tamin'ity taona ity, havoakan'ny Global Voices ao amin'ny tranonkalany ny votoaty avy ao amin'ny Radio Ambulante, toy ny nataonay niaraka tamin'ny ampahanà fandaharana Los 43 + 11.

GV Radio, hetsika iray vaovao an'ny Global Voices, koa dia handefa ireo ampahanà fandaharan'ny Radio Ambulante.

Amin'ny alàlan'io fifamatorana io, antenainay ny hampiakatra ny fahitàna ireo tetikasa sy fandraisana andraikitra, izay afaka manome aingam-panahy ho an'ny mpamaky sy mpihaino mikatsaka ny hahatakatra ireo toerana ao amin'ny faritra sy mahasahana firenena maro, amin'ny fandrakofana ireo olana, na izany ny ao an-toerana na ny manerantany.

Tamin'ny Oktobra 2014, azon'ny Radio Ambulante ny Loka Gabriel García Márquez ho an'ny Hevi-baovao mitondra Fihavaozana’ noho ny endrika vaovao fanolorana hentitra ny asa fanaovana gazety ao aminy. Ary tena vao haingana kely no azony ny loka BOBS ho an'ny  bilaogy sangany amin'ny fiteny Espaniola.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.