Etazonia, Rosia: Miady hevitra momba ny ‘Mpitsikilo 2.0′

Anna Chapman, picture from her Facebook account

Anna Chapman, picture from her Facebook account

Lasa lohahevitra ifotorana amin'ny aterineto Rosiana amin'ity herinandro ity ny fisamborana [EN] olona 11 tamin'ny 29 Jona, izay voalaza fa mpikambana ao amina tambajotrana mpitsikilo Rosiana (antsoina hoe “Mpandika lalàna” [EN] ao amin'ny tatitra nataon'ny FBI) . Nanintona be ny fifantohan-tsaina ilay olo-malaza Anna Chapman [EN], “mpampiasa vola amina fandraharahàna” 28 taona. Nizarazara tamin'ny làlana maro ny adihevitra: fanesoesoana ireo “mpitsikilo” sy ireo manampahefàna Amerikana; ny fandinihana ny vokatr'ireo amin'ny fifandraisana Amerikana-Rosiana; fiadian-kevitra momba ireo “data” sy sarin'i Chapman amin'ny aterineto; ary ny ho avin'ireo tetika miafina ambany fepetran'ny “fangaraharana” virtoaly tanteraka, apetrak'ireo media vaovao.

Na dia nalaza aza ilay lohahevitra, tsy dia maro ireo loharanon-tatitra mitohy momba ilay tantara: ny Sampan-draharaha Rosiana Voice of America no hany  nanome tatitra mivantana miaraka amin'ireo tatitra avy any amin'ny fitsaràna [EN] amin'ny alalan'ny vondrona LJ -ndry zareo (golos_ameriki) ary Twitter.

Fihetsik'ireo mpitoraka blaogy voalohany: fandrabirabiana

Ireo tamin'ireo mpitoraka blaogy naneho hevitra voalohany mikasika ireo fisamborana i nl mpampiasa LJ , izay namoaka “scans”-na taratasy fitorian'ny FBI ary nanome lohateny ho an'ny lahatsorany hoe “Miaraka amina mpitsikilo toy itony, iza no manangam-pahavalo?” Sady nanesoeso ireo fiaikena nataon'i Amit Kachhia-Patel, mpiasan'ny FBI,   ilay mpitoraka blaogy amin'ny fampitahàna ny lahatsoratra amin'ny fahadisoam-panantenana naterak'ilay sarmihetsika ratsy kalitao “Spies Like Us,” no nanesoeso ihany koa ny fahataràna ara-teklonojian'ireo voalaza ho mpitsikilo.

Nanohy i fyysik [RUS], amin'ny firesahana momba ny fomba fampitàna hafatra miafina amin'ny alalan'ireo sary nasiam-panamboarana [EN]: 

Не исключаю, что специалисты ФБР оказались не менее продвинутыми, чем агенты СВР и в 2005-м году научились извлекать EXIF и прочие высокоценные вещи из джипегов.

Думаю, следующим шагом в технологическом соревновании спецслужб будет разработка по помещению и извлечению текстовых тэгов в mp3-шки.

Mety ho lasa manampahaizana toy ireo mpiasan'ny SVR ireo manampahaizana manokana ao amin'ny FBI, ary tamin'ny 2005 dia nianatra namoaka ny EXIF [EN] sy zava-dehibe hafa avy any anatin'ny JPG.

Mieritreritra aho fa ny dingana manaraka amin'ny fifaninanana ara-teknolojia amin'ny sampandraharaha miafina dia ny fikarohana ny fampidirana sy fisintonana mari-teny anatina MP3.

Ny tena endrika “surréaliste”-n'ny fomba fanaon'ny “mpitsikilo” ary indrindra ny antsipiriany dia mampahatsiaro [RUS] an'ireo mpitoraka blaogy ny tranga iray tamin'ny 2006, fahatratrarana “fikambanana mpitsikilo” hafa tany Môsko, izay nantsoina hoe “Spy Stone story” [EN].

Fanesoesoana hafa koa ny firesahana momba an'i Stirlitz [EN], mpitsikilo sôviety noforonina tamin'ny Ady Lehibe faha-2 tany  Alemana Nazi. Nahita famelabelarana mifandraika kokoa amin'ny vanimpotoana i e-dikiy, mpampiasa LJ  [RUS], ho an'ity tantara malaza ity:

Штирлиц зашел во френдленту и глубоко задумался. Нет, про поездку в Швейцарию писать лытдыбр сегодня, пожалуй, не стоит.

Nanokatra “friend feed” i Stirlitz ary nandrevirevy hoe: “Tsia, mieritreritra aho ankehitriny fa tsy misy dikany ny [fanoratako blaogy ny] diako farany tany Soisa.”

Adihevitra amin'ny endrika politikan'ny fisamborana

Iray tamin'ireo mpitoraka blaogy niady hevitra momba ireo akon'ny fisamborana [RUS] Ivan Kurilla, mpahay tantara momba ireo fifandraisana Amerikana-Rosiana, (fantatra amin'ny solonanarany LJ hoe alliruk):

Вопрос: зачем арестовывать их 1) громко и публично и 2) сразу после визита в США Д.Медведева?

[…]

Вывод один: в США есть влиятельные круги, решившие испортить атмосферу российско-американского сближения. Раньше такие попытки были более заметны с российской стороны. Сегодня мы убедились в существовании американских противников сближения.

Вполне вероятно, что до России этим людям дела нет, – их цель – Барак Обама. Компрометация его достижений на российском направлении есть удар по президенту.

Fanontaniana: maninona no misambotra azy ireo 1) an-tabataba sy ampahibemaso ary 2) vantany vao vita ny fitsidihan'ny filoha Medvedev tany Etazonia?

[…]

Fandravonana iray ihany no azo atao: misy ireo vondrona mahery any Etazonia izay nanapa-kevitra ny handoto ny rivotra iainan'ny fifanantonana Amerikana-Rosiana. Taloha dia nampiavaka ny ankilany Rosiana ny tetika toy izany. Ankehitriny isika nahazo porofo fa misy ireo manohitra ny fifanantonana any Amerika.

Azo antoka fa tsy misy ifandraisany amin'i Rosia ireo olona ireo – Barack Obama no kendreny voalohany. Ny fanaratsiana ny zava-bitany amin'ny mpitantana Rosiana dia famelezana ny filoha.

Fifantohana amin'i Anna Chapman

I Anna Chapman, kintan'ilay fahafaham-baraka momba ny mpitsikilo, dia lasa votoatim-pandinihana isankarazany, fankahalàna, ary fiderana aza. Nisy vondrom-piarahamonina LiveJournal  “Free Anna Chapman” [EN] noforonina (na dia tsy nahasarika mpankafy maro aza izany).

I feeling_of_void, mpampiasa LJ, dia nandinika ny lazan'ny  domdot.ru vohikalan'i Chapman , vohikalam-pikarohana fanaka fanao an-tokantrano. Araka ireo antontan'isa misokatra, tsy dia fahombiazana loatra n y vohikala  domdot.ru , miaraka amina mpampiasa 1000 isan'andro monja, izay tsy azo ampitahaina amin'ireo mpifaninana anatin'izany sehatra izany any Môsko. Nilaza ilay mpitoraka blaogy fa poak'aty avokoa ireo tetik'asa “fandraharahana” nataon'i Chapman tamin'ny aterineto.

‘Mpitsikilo’ 2.0

Ny raharahan'i Anna Chapman sy ny ‘mpiara-miasa’ aminy Mikhail Semenko dia maneho ny endrika vaovaon'ny “Mpitsikilo” – “mpitsikilo 2.0.” Samy nampiasa tambajotra ara-sosialy izy roa (LinkedIn (mombamomba an'i Chapman [EN], mombamomba an'i Semenko [EN]), Facebook, Odnoklassniki), samy nanana fiainana virtoaly ary nizara sary azo namantarana[EN] azy ireo. Tao amin'ny fanehoan-kevitra tao amin'ny fanadihadiana an'i Chapman tamin'ny YouTube [RUS] dia nanontany ilay mpampiasa Slinqshot:

Зачем профессиональному шпиону светиться во всех соцсетях, где только можно?

Nahoana ny mpitsikilo matihanina no hampibaribary tena any amin'ireo tambajotra rehetra azo eritreretina ?

Mandravaka ny fiovàn'ny maodely tamin'ireo asa miafina tany amin'ny tontolon'ny media sosialy izany fanontaniana izany. Araka ny nametrahan'ilay [RUS] filozofy Alexander Morozov azy (fantatra amin'ny solonanarana LJ hoe amoro1959), raha mieritreritra an'i Stirlitz voatonona tetsy ambony (taratry ny sehatra mpitsikilo Sôvieta/Rosiana):

человек, не имеющий присутствия в сетях, – ЯВНО ПОДОЗРИТЕЛЕН.
Наверное, “шпион”.
Иначе говоря, имейся во времена третьего рейха ЖЖ – Штирлиц, несомненно, вел бы дневник. О птицах. Как энтомолог-любитель. Допустим. А уж как любитель раритетных автомашин – это просто наверняка.

Ny olona tsy anaty tambajotra ara-sosialy dia TENA MAMPIAHIAHY.
Mety hoe, “mpitsikilo.”
Amin'ny filaza hafa, Izany hoe raha nisy ny LiveJournal tamin'ny fotoanan'ny “Reich” fahatelo dia mety nanana blaogy i Stirlitz. Momba ny vorona. Tahaka ny antômolojista mpankafy. Mety ho izany. Na tahaka ny mpankafy fiara klasika – azo antoka izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.