Brunei: Miteraka resabe ao amin'ny aterineto ny fisarahan'ny Mpanjaka

Tamin'ny volana lasa teo iny, dia nandefa fandaharana manokana mikasika ny fisarahan'ilay Mpanjaka Silamo sady Yang DiPertuan-n'ny Darussalam any Brunei tamin'ny vadiny fahatelo Azrinaz Mazhar Hakim, Malaysiana, ny fahitalavitra ofisialy RTB ao Brunei.

Brunei Times manome fanazavana hafa

Araka ny didin'ny Mpanjaka Silamo Haji Hassanal Bolkiah Mu'izzaddin Waddaulah, Silamo sady Yang Di-Pertuan-n'ny Darussalam any Brunei, ny lehiben'ny mpanolotsainan'i Adat Istiadat, ny Printsy Haji Sufri Bolkiah dia nanambara omaly fa nisaraka tamin'ny Mpanjaka vavy Azrinaz Mazhar Hakim Mazhar ny Mpanjaka.

Toy izao ny vakin'ilay fanambarana: “Ny Mpanjaka, noho ny antony manokana (izay tsy notenenina), mifanaraka sy araka izay andidian'ny lalàna Syara mifehy ny fanambadiana , tahaka ny ao amin'ny sombin'ny andininy 229-n'i Surah Al-Baqarah ao anatin'ny Korany Masina, (izay milaza) manambady amin'ny fomba marina (Ma'aruf) ary misaraka ihany koa amin'ny fomba marina (Ihsan), tamin'ny takarivan'ny Alarobia (16 Jona 2010) dia (nanonona) talaq satu (sokajy voalohan'ny fisarahana) ho an'ny vadin'ny Mpanjaka, ny Mpanjaka vavy Azrinaz Mazhar Hakim Mazhar”.

Tonga dia nihatra omaly, ny terasul (anaran'ny Mpanjaka) tahaka koa ny Bintang Kebesaran Brunei (haingon'ny fanjakana) sy ny Pingat Kehormatan (medalim-boninahitra) izay nomena ity vadiny ity dia nalàna taminy avokoa.

Nanaraka ity fanambarana ity, dia lasa nimonomonona ny tao amin'ny twitter sy ireo blaogy noho ity vaovao ity. Maro ireo naneho ny fahoriany ary tamin'io fotoana io ihany koa dia nametra-panontaniana mikasika ny anton'ity fisarahana ity

Ireo blaogy malaysiana tahaka an'ny Oh Bulan, Beautiful Nara, Roti Kaya, Noji ary Faish dia nanapariaka ireo vaovao ireo saingy ireo mpitsikera avy any Malaysia sy Brunei manafana ity adihevitra mikasika ity fanambadiana ity dia mifanameloka ny amin'izay nahatonga ny fisarahana.

Roti Kawin mitoraka blaogy mikasika ity fisarahana ity:

Baca komen pembaca kami dari Brunei di’bawah, rata-rata mereka menyenangi pemergian Azrinaz Mazhar dari istana

Vakio eto ambany ireo tsikera avy amin'ny mpamakintsika ao Brunei, maro no faly tamin'ny fandaozan'i Azrinaz Mazhar ny lapa.

Nasir, mpamaky ao amin'ny Roti Kawin, nametraka ity tsikera ity

TAK ELOK KITA DUA BUAH NEGRA NI BERGADUH SESAMA SENDIRI….. BERDOSA SALING MENUDUH DAN MENGHAMPIRI FITNAH PULA. JANGANLAH BERGADUH YA.

Tsy tsara ho an'ny firenena roa tonta ny mifandramatra. Fahotana ny manameloka sy manitatra ny tantara. Iangaviana mba tsy hiady hevitra amin'izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.