LAHATSARY: Milaza Izao Tontolo Izao Hoe #FreeZone9Bloggers (Avotsory Ireo Bilaogera 9)

#FreeZone9bloggers avy amin'ny Global Voices ao amin'ny Vimeo.

Tamin'ny 25 Aprily 2014, bilaogera sy mpanao gazety sivy no nosamborina tao Etiopia. Maro tamin'ireo lehilahy sy vehivavy ireo no niara-niasa tao amin'ny Zone9, bilaogy iombonana izay mitatitra momba ny olana ara-tsosialy sy ara-politika ao Etiopia ary mampiroborobo ny fiarovana ny zon'olombelona sy ny andraikitry ny governemanta. Mpanoratra ato amin'ny Global Voices ny efatra amin'izy ireo. Tamin'ny volana Jolay, voampanga teo ambanin'ny Fanambarana Manohitra Ny Fampihorohoroana (tafiditra ao anatin'ny fampihorohoroana) ao amin'ny firenena izy ireo. Niakatra fitsarana izy ireo ary mbola hitohy izany raharaham-pitsarana izany.

Mba hanamarihana ny herintaonan'ny fisamborana sy ny fihazonana ireo bilaogeran'ny Zone9 sy mpanoratra gazety namana any am-ponja, nifarimbona tamin'ity lahatsary ity ny fiarahamoninay ho fanohanana ireo mpiara-miasa aminay any am-ponja. Mandefa hafatra sy firarian-tsoa avy ao Meksika, Shilia, Etazonia, Kiobà, Kroasia, Kolombia, Kenya, Soisa, Iran, Syria, Frantsa, Azerbaijan ary mazava ho azy Etiopia ny lahatsary. Jereo, zarao, ary lazao miaraka aminay hoe: # FreeZone9Bloggers!

Notontosain'i J. Tadeo, Elizabeth Rivera, Elaine Díaz, Lully Posada, Daudi Were, Angela Oduor Lungati, Sebastian Mitchell, Nekesa avokoa, Pauline Ratzé, Niki Korth, Leila Nachawati, Marie Boehner, Marinella Matejčić, Mahsa Alimardani, Arzu Geybullayeva, Endalk Chala, Ellery Roberts Biddle ary i Sahar Habib Ghazi ity lahatsary ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.