Nanjary Andry Iankinan'ny Ain-dehibe Ny Media Sosialy Taorian'ny Horohorontany Tao Nepal

Rescuers trying to dig out people still suspected to be buried in the ruins of the Hari Shakher Temple in Patan. Photo taken by Kunda Dixit, editor of the Nepali Times. Use with permission.

Mpamonjy voina eo am-pandavahana, mikaroka ireo olona mbola ahiana ho ao ambanin'ny korotan-trano rava ao amin'ny Tempoly Hari Shakher ao Patan. Sary nalain'i Kunda Dixit, tonian-dahatsoratra ao amin'ny Nepali Times. Nahazoan-dalana..

Vao avy nirodana ny tranonao. Mikiakiaka eny an-dalambe ny olona. Tsy nahazo ny rahalahinao any amin'ny faritra hafa ao amin'ny ivelan'ny tanàna ianao satria tsy mandeha ny fifandraisana an-telefonina rehetra. Saingy mbola afaka mamoaka zavatra ao amin'ny Facebook mba hampahafantatra ny toerana misy anao amin'ny namanao any Shina na any New York ianao. Izany i Kathmandu nanomboka tamin'ny 25 Aprily teo dia niaina horohorontany mahery vaika indrindra namely ny firenena tao anatin'ny 80 taona.

Tsy mitsaha-mitombo isan'ora ny isan'ny niharam-boina, efa maherin'ny 2.000 sahady ireo niharam-boina ary miezaka miatrika ny fiantraikan'ny loza: ny ratram-po, ahiahy mikasika ny fitadiavana ny misy ny havany, ny orana sy ny fitondram-panjakana tsy niomana tamin'izany loza izany ny olona, nihetsiketsika ny tao amin'ny haino aman-jery sosialy tao anatin'ny adiny roa ary nanome vaovao lehibe ivelan'ny finday sy ny tambajotram-baovao nentim-paharazana.

Noho ny fivoaran'ny teknolojia, misy ny fizaram-baovao ataon'ireo olom-bitsy ao Kathmandu izay afaka miditra tambajotra sosialy manerantany tahaka ny Twitter sy ny Facebook ary ireo olona ivelan'i Nepal: vondrom-piarahamonina Nepaley any ampitan-dranomasina, manam-pahaizana manokana momba ny vonjy aina manoloana ny loza voajanahary sy ny paikady momba ny haino aman-jery sosialy, saingy maro ihany koa ireo naman'i Nepal manerantany (mpizahatany teo aloha, mpanao fivahiniana masina) izay manangona tahiry mba hanome fanohanana manan-danja hoan'ny olona miverina ao Nepal ary miantso ny handraisana andraikitra.

Mpanoratra Nepaley malaza Prajwal Parajuly niresaka tamin'ny Global Voices tamin'ny alalan'ny hafatra tamin'ny Facebook

We felt the earthquake in Gangtok, Sikkim, for a long time. My mum commented on its not being as intense as the one in Sept 2011. We couldn't contact any of my mother's family in Kathmandu, so I went on Twitter to see what was happening. It was awful–the first pictures were harrowing.

Tsapanay ny horohoron-tany tao Gangtok, Sikkim nandritra ny fotoana maharitra. Nilaza ny reniko fa tsy dia mafy tahaka ny tamin'ny Septambra 2011 ilay izy. Tsy afaka nifandray tamin'ny fianakavian'ny reniko tao Kathmandu izahay, ka niditra Twitter aho mba hijery izay zava-nitranga. Tena mampatahotra – nampivarahontsana ny sary voalohany .

Mikasika ny tatitra eny ifotony, naneho hevitra momba izany tao amin'ny lisitra Twitter Nepal ilay mpanoratra Nepaley iray hafa, Manjushree Thapa. Nampiakatra sary nalaina teny an-dalambe kosa i Kashish Das Shrestha, mpanolotsainan'ny ONG fampandrosoana iray:

Horohorontany mana-tantara ao Nepal; maro ny fahaverezana, maro ny misaona, betsaka ny fanavaozana tsy maintsy atao. Antenaina fa tapitra ny zava-dratsy. Mitandrema, miarova tena.

Fanehoan-kevitra avy amin'ny vondrom-piarahamonina miteny Shinoa

Nijery akaiky ny loza tamin'ny alalan'ny tambajotra media sosialy tahaka ny Weibo (Twitter Shinoa) sy ny Weixin (mitovy amin'ny WhatsApp, fantatra ihany koa amin'ny teny anglisy hoe WeChat) noho ny antony samihafa ihany koa i Shina, mpifanolo-bodirindrina avaratr'i Nepal .

Anisan'ny iharan'ireo horohorontany goavana ihany koa i Shina – namoizana ain'olona efa ho 90.000 ny horohorontany tamin'ny 2008. Ny horohorontany vao avy namely an'i Nepal kosa dia niteraka voina manerana ny sisintany ao Shina ao amin'ny faritra Tibetana. Mora tohina amin'ny vaovao tahaka izany ny olona satria mahatsiaro voakasika avy hatrany noho ny fahabetsahan'ny mponina ao Shina.

Faharoa, anisan'ireo firenena vitsy manome visa eny am-pahatongavan'ny mpizahatany Shinoa i Nepal – nanomboka tamin'ny 2013, maherin'ny 100.000 isan-taona no tonga mitsidika an'i Nepal ho mpizaha tany, mpianika tendrombohitra, mpivahiny Bodista tao anatin'izay taona vitsy izay ary nametraka fifandraisana manokana miaraka amin'ireo mpitari-dalana, mpamily, mpitantana trano fandraisam-bahiny, tompon-tsena, mpandika teny, moanina sy ny mpanao hosodoko thangka [hosodoko Bodista nentim-paharazana fanajan'ny ankamaroan'ny Bodista ao Shina sy any ivelany].

Screen capture from a Chinese Buddhist community public account from WeChat.

Pikantsary avy amin'ny kaontim-bahoaka Wechat an'ny vondrom-piarahamonina Bodista Shinoa.

Miraikitra ao anatin'ny sarimihetsika Shinoa malaza iray Up in the Wind 2013 (Mijoro anatin'ny Rivotra 2013) ny sary ara-panahy sy ara-pitiavan'i Nepal. Saingy maro tamin'ireo toerana manan-tantara sy ara-pivavahana hita amin'ny sarimihetsika no efa rava ankehitriny.

Toerana voalohany falehan'ny olona amin'ny fivahinianana Bodista i Nepal ary mandefa vaovao farany sy mangatam-bavaka ny ankamaroan'ny tranonkalax sy ny kaonty Weixin Bodista.

Naneho ny ahiahiny sy ny firaisankinany tao amin'ny haino aman-jery sosialy ihany koa ireo mpizahatany marobe. Manome vaovao farany ao amin'ny Facebook i Ruby, Taiwaney monina ao Kathmandu ary manampy ny olona mba hahita ny fianakaviana sy ny naman’izy ireo izay mandalo ao Nepal.

Nipoitra tamin'ny lohatenim-baovao tao Shina vao haingana ny seranam-piaramanidin'i Kathmandu tamin'ny voromby Tiorka nianjera tao amin'ny seranam-piaramanidina iraisampirenena tokana ary nampihitsoka ny zotra an'habakabaka nandritra ny telo andro teo, izay mpizahatany Shinoa sy hafa an-jatony no tafahitsoka tamin'izany.

Fanehoan-kevitry ny media sosialy manerantany sy ny vahaolana

Azo jerena eto ny vaovao momba ny horohorontany sy ny voka-dratsiny izay taterin'ireo mponin'i Kathmandu ao amin'ny kaonty Twitter-n'izy ireo.

Friend of the newly married couple was looking for them on Facebook.

Naman'ny mpanambady vao mitady azy ireo ao amin'ny Facebook.

Mampatahotra ity voka-dratsin'ny horohorontany tao anatin'ny 20 ora farany tao Kathmandu ity.

Zava-dehibe tokoa fa maro ireo vondrona natsangana mba hampiasa ny haino aman-jery sosialy ary mifarimbona amin'ny fanomezam-baovao ahitana ireo olona nanjavona. Nametraka ny Person Finder [Fitadiavana olona] ny Google mba ahafahan'ireo mpiserasera mametraka mombamomba ireo olona tsy hita. Saingy maro ireo mampiasa ny media sosialy tahaka ity pejy facebook ity, izay ahafahan'ireo Nepaley sy vahiny manana namana sy fianakaviana ao Nepal ankehitriny mandefa vaovao sy mangata-baovao momba ireo olona tsy fantany izay misy azy:

Ohatra, manontany vaovao momba ireo mpifankatia vao avy natao mariazy vao haingana ny olona iray.

Ary misy ihany koa ireo fanontaniana sarotra valiana:

Different countries are sending us troops and aids to help us overcome the aftermath. But who will be coordinating everything??? What action plans will be taken?? Does Nepali government have a plan to locate these troops sent for help? Do they have plan to distribute the necessities? This needs to be pondered upon.

Firenena samihafa ankehitriny no mandefa andian'olona sy entana fanampiana mba hanampy anay hiatrika ireo voka-dratsin'ny horohorontany. Saingy iza no hiandraikitra ny fandrindrana izany??? Inona no drafitr'asa horaisina ?? Manana drafitr'asa hahitana ireo vondrona nalefa hitondra fanampiana ireo ve ny governemanta Nepaley? Manana drafitr'asa hitsinjarana ireo fanampiana ve izy ireo? Mila heverina ireo fanontaniana ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.