Manao Diabe Hitaky Ny Fametram-pialàn'ireo Mpitarika Ambony Ny Goatemalteka An'arivony

Protests in Guatemala against corruption. April 25, 2015. Photo by Surizar. CC 2.0.

Fihetsiketsehana manohitra ny kolikoly ao Goatemala. 25 Aprily 2015. Sary avy amin'i Surizar. CC 2.0.

Nidina an-dalambe ireo olona 15.000 izay Goatemalteka avy ao an-drenivohitra sy saranga antonony ny ankamaroany tamin'ny 25 Aprily mba hitaky ny fialan’ny Filoha Otto Perez Molina sy ny Filoha Lefitra Roxana Baldetti, rehefa nahita tambajotra raitra fandosirana hetra ataon'ireo mpikambana ambony sy antonony ao amin'ny governemanta ny Vaomiera Iraisampirenena Manohitra ny Tsimatimanota ao Goatemala.

Taorian'ny hetsi-panoherana milamina nandritra ny ora maro teny an-dalambe, niverina nody ireo mpanao fihetsiketsehana ary nanohy ny hetsika antserasera tao amin'ny tambajotra sosialy, misioka amin'ny diezy twitter #RenunciaYa (#Mametraha fialàna izao) sy mizara sary avy amin'ny fihetsiketsehana sy ireo sora-baventy miampanga ny kolikoly sy mitaky ny rariny.

Maro loko tokoa ny sasany tamin'ireo sora-baventy:

Sora-baventy marobe tsarovy Bannersto amin'ny Mialà izao!! Asehoy anay izay tena tianao ary vakio ny manaraka.

Several #BannerstoRemember in #ResignNow! Show us which one is your favourite and then read what's next!

Manangasanga ve ny krizy politika lehibe?

Araka ny filazan'i Martín Rodríguez Pellecer (@martin_guate), talen'ny ny habaka Nomada.gt, tsy mitovy amin'ireo fihetsiketsehana manohitra ny “kolikoly araka ny mahazatra” ity fihetsiketsehana ity, satria voarohirohy  amin'izany ny filoha lefitra ao amin'ny firenena, ary mety hitarika any amin'ny krizy ara-pitantanam-panjakana, fifidianana mialoha na fanonganam-panjakana mihitsy aza.

Ny fialàn'i Molina sy Baldetti dia mety hiteraka krizy ara-pitantanam-panjakana ratsy indrindra ao Goatemala hatramin'ny taona 1993, raha nandositra ny firenena ny Filoha Serrano Elias rehefa niezaka ary tsy nahomby nanafoana ny Kongresy. Hanatanteraka fifidianana ankapobeny ny firenena farafahatarany amin'ny Septambra amin'ity taona ity. Niala an-daharana tamin'ny fifaninanana amin'ny fifidianana i Alejandro Sinibaldi, matanjaka indrindra ankehitriny ao amin'ny Antoko Tia Tanindrazana, nanome tsiny ny Filoha lefitra Baldetti noho ny fialàna tokony atao.

Mandritra izany, teo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana, nisy ny tatitra mampiahiahy fa nikatona noho ny antony tsy fantatra ireo tambajotra finday, nahatonga ny sasany hiampanga ny governemanta ho miezaka manakorontana ny fahafahan'ireo mpanao fihetsiketsehana mandrindra sy mampiroborobo ny hafatr'izy ireo:

Araka ny filazan'ny @prensa_libre, napetraka androany maraina ireo fitaovana ireo mba hanakanana ny aterineto mandritra ny fihetsiketsehana ao Goatemala

Tsy fantatra raha fanahy iniana na mihika ny tambajotra no mahatonga ny fanakanana.

#CICIGSI: fandresen'ny olom-pirenena satria manohy ny asany ao Goatemala ny vaomiera

Ny fihetsikesehana tamin'ity faran'ny herinandro ity dia tohin'ny fandresen'ny olom-pirenena tamin'ny herinandro lasa, raha nanery ny filoha Molina hangataka amin'ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana mba hanitatra ny fe-potoam-piasan'ny Vaomiera Iraisampirenena Manohitra ny Tsimatimanota ao Goatemala (CICIG) ho roa taona ny fanadihadian'ny vahoaka. Iray amin'ireo fitaovana vitsy mahomby ao amin'ny firenena ho fiadiana amin'ny kolikoly ny vaomiera. Nitaky ny fitohizany tamin'ny alalan'ny diezy twitter #CICIGSI (eny amin'ny CICIG) ireo mpanao fihetsiketsehana avy ao Goatemala sy avy any ivelany.

Nahatonga ny toe-draharaha ho henjana kokoa ao Goatemala ny fahitan'ireo manampahefam-panjakana ny fandosirana fandoavan-ketra sy ny fitohizan'ny fihetsiketsehana, miatrika herisetra tsy mbola nisy toy izany ny olom-pirenena, ny fialàn'ny fitsarana tsy hitsara ny lasibatry ny fandringanana, ny fanamelohana ireo mpitarika fiarahamonina, ny famonoana ireo mpanoratra gazety sy ny krizy ara-tsakafo mihatra ankehitriny amin'ireo Goatemalteka indizeny an'arivony any ambanivohitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.