Manambara ny fanohanana avy amin'ny Omidyar Network ny Global Voices

Amin-kafaliana no ilazako fa nanao fampiasam-bola mahatratra 1,2 tapitrisa dôlara amin'ny asan'ny Global Voices ny Omidyar Network. Fifandaminana mpanao asam-panasoavana ny mpiara-belona, natsangan'ny mpanorina ny eBay antsoina hoe Pierre Omidyar sy ny vady andefimandriny Pam, ho entiny manatsara ny fiainan'ny olona amin'ny alalan'ny “fitrandrahana ny herin'ny tsenambarotra”ny Omidyar. Efa nanohana ny sasany amin'ireo Fifandaminana izay ankafizin'ny ankamaroantsika koa ny Omidyar – toy ny Wikimedia Foundation, Creative Commons, Ushahidi, WITNESS – ka henikaja tokoa izahay raha tafiditra ho mitovy “kilasy” amin'ny Fifandaminana (Fikambanana no mahazatra azy amin'ny fiteny andavanandro) mpifikitra amin'ny mangarahara miorina ao Angletera MySociety sy ny vondrona Kenyana mpanao hatsikana politika, The XYZ Show.

Malaza amin'ny fametrahana fanamby ireo izay tohanany mba hahafahan'ireto farany hitombina ara-pitantanam-bola ny Omidyar, ary lalana efa nataonay vaindohan-draharaha teo amin'ny fifandaminana indrindra izany. Amin'izao fanohanana avy amin'ny Omidyar izao dia efa nametraka drafitra hampitombo ny mpamaky anay an-tserasera sy amin'ny alalan'ny mailaka izahay, sy hiditra amin'ny fifanaraham-pifanakalozam-baovao (na “syndication” tahaka izay efa iarahana amin'ny La Stampa sy Reuters) miaraka amina mpiara-miombon'antoka vaovao dimy raha kely indrindra izahay ary hamoaka lahatsoratra amin'ny teny frantsay sy espaniola avy hatrany tahaka izay atao amin'ny teny anglisy.

Manampy anay amin'ny fanamafisana ny fotodrafitrasa tsy azo ialana ihany koa ny fanohanana avy amin'ny Omidyar hitantanana ny ekipanay izay marolafy sy iraisampirenena. Misy tonian'ny GV sy mpitondra anjara-biriky avokoa ny kaontinanta rehetra ankoatra an'i Antarkitika ary mieli-patrana manerana ny glaoby ihany koa ny mpitantan-draharaha. Rehefa niditra ho fifandaminana virtoaly tsy manana birao na toeram-piasana manokana moa izahay dia tsy maintsy miatrika fahasarotana eo ampikatrohana sy eo amin'ny fitantanana mba hahafahana miantoka mandrakariva ny fanomezandanja sy ny fampielezana ny feon'olom-pirenena manerana izao tontolo izao. Izay rehetra miasa amina fikambanana tsy mitady tombombarotra dia mahalala fa ny sarotra indrindra dia ny mahazo vola amina lahasa tsy idiran'ny fananahana tahaka izao – ka tena ankasitrahanay manokana raha mampiasa vola ho an'ny fifandaminana iray manontolo ny Omidyar fa tsy nianona ho amina fanohanana tetikasa iray manokana.

Tena mientanentana tokoa izahay amin'izao fivoarana vaovao izao sy hiasa miaraka akaiky amin'ny namanay ao amin'ny Omidyar, indrindra moa fa Atoa Stephen King, Tale tompon'andraikitra voalohany amin'ny fampiasam-bolan'ny Omidyar. Ho avy amin'ity taona ity ny fanampianay isa roa ny filankevim-pitantanana, ampidirana an'i Stephen sy solontena iray fahatelo voafidy avy amin'ny mpiasa maharitra sy ny mpanolotena. Mankasitraka ny Omidyar – sy ny mpanohana rehetra izay mahafinaritra – manao mandrakariva izay hampijoro ity vondrom-piarahamonina ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.