Tsarovana Ao Ejypta Ny Fahazato Taonan'ny Fandripahana ny Armeniana

The Armenian community in Egypt marched to  commemorate the Armenian Genocide Centennial. Photograph shared on Facebook by Kegham Karsian

Fiarahamonina Armeniana ao Ejypta nanao diabe ho fahatsiarovana ny fahazato taonan'ny Fandripahana ny Armeniana. Sary nozarain'i Kegham Karsian tao amin'ny Facebook.

Nanatevin-daharana ireo olona an-tapitrisany manerantany manamarika ny Fahazato taonan'ny Fandripahana ny Armenianina tamin'ny 24 Aprily ny Armeniana Ejipsiana.

Ny andron'ny 24 Aprily dia manamarika ny daty nanombohan'ny manampahefana Ottoman nanangona ireo manampahaizana Armeniana sy ireo mpitarika ny fiarahamonina 250 tao Constantinople, izay nitarika ny Fandripahana ny Armeniana ka tombanana ho 1,5 tapitrisa teo ireo olom-pirenena Armenina tao amin'ny Fanjakana Ottoman namoy ny ainy tanelanelan'ny taona 1915 sy 1918.

“Nahatsiaro ny fahazato taonan'ny Fandripahana ny Armeniana tao amin'ny toerana Fahatsiarovana Miaramila tao an-tanànan'i Nasri ireo mpikambana ao amin'ny fiarahamonina Armeniana tamin'ny alalan'ny diabe notarihin'ireo tovolahy sy tovovavy Skoto tao Ejipta,” araka ny nosoratan'ilay bilaogera Ejipsiana Zeinobia tao amin'ny bilaoginy Egyptian Chronicles .

Nilaza i Zeinobia fa nanana tantara lava sy mampihetsi-po tao Ejipta ny Armeniana. Hoy izy manoratra:

The Egyptian Armenian community has got a very long history in Egypt since the Middle ages and the rule of Mamluks. It is enough already that Queen or Sultana Shajar Al-Durr was said to be of Armenian origins according to some historical accounts.

In 19th century, the Egyptian Armenian community began to participate effectively in building the Modern Egypt we know now. We had several ministers in the 19th century from Armenian origin above them Nubar Pasha, Egypt’s first Prime minister.

After the Armenian genocide and its forced migration, Egypt received many of the refugees and survivors who found safe haven in this country.

Nanana tantara tena lava tao Ejypta ny fiarahamonina Armeniana Ejyptiana hatramin'ny vanim-potoana antenantenany sy ny fitondran'i Mamluks. Porofo iray ohatra ny filazana fa mpiavy Armeniana ny Mpanjaka Vavy na Sultana Shajar Al-Durr araka ny kaonty ara-tantara sasany.

Tamin'ny taonjato faha-19, nanomboka nandray anjara mahomby tamin'ny fananganana an'i Ejipta Maoderina fantatsika ankehitriny ny fiarahamonina Armeniana Egyptiana. Nanana minisitra maromaro mpiavy Armeniana izahay tamin'ny taonjato faha-19 ka anisan'izany i Nubar Pasha, Praiminisitra voalohany tao Ejipta.

Taorian'ny fandripahana ny Armeniana sy ny fifindra-monina noterena, nandray mpitsoa-ponenana marobe sy sisa velona nahita fialokalofana tao amin'ny firenena i Ejypta.

Vakio ihany koa: Olona An-tapitrisany Manerantany no Mahatsiaro ny Fandripahana Ny Armeniana

Zeinobia nanohy hoe:

After 1952 and the nationalization policies adopted later by Nasser’s administration, many Egyptian Armenians left Egypt to Europe and to the United States.
Nevertheless, there are still thousands of Egyptian Armenians living now in Egypt quietly.
Most Egyptians now do not know that the Armenian community still got two daily Armenian newspapers and an Armenian school still operating in Cairo since the 19th century.
Already I pass by Kalousidan School, Egypt’s oldest private school in Boulaq, Cairo every day on my way to work.
There are two daily Armenian newspapers published in Egypt: Housaper and Arev. Both newspapers are among the oldest private daily newspapers in Egypt.

Taorian'ny 1952 sy ny politikan'ny fandraisana ho fanananam-pirenena ireo fotodrafitrasa sy orinasa goavana nampiharin'ny fitondran'i Nasser taty aoriana, Ejiptiana Armeniana maro no nandao an'i Ejipta hamonjy an'i Eoropa sy Etazonia.
Na izany aza, mbola an'arivony ireo Armenianina Ejipsiana monina milamina ankehitriny ao Ejipta.
Tsy mahafantatra ny ankamaroan'ny Ejipsiana fa mbola mahazo gazety Armeniana roa mpivoaka isan'andro ny fiarahamonina Armeniana ary mbola misy sekoly Armeniana miasa ao Cairo nanomboka ny taonjato faha-19.
Mandalo ny Sekoly Kalousidan, sekoly tsy miankina antitra indrindra ao Ejypta ao Boulaq, Kairo isan'andro aho rehefa handeha hiasa.
Misy ireo gazety Armeniana roa mpivoaka isan'andro ao Ejypta: Housaper sy Arev. Anisan'ireo gazety mpivoaka isan'andro taloha be indrindra eto Ejypta izy ireo.

Tsy Mankato Ny Fisian'ny Fandripahana ny Armenina i Ejypta

Na dia izany aza, tsy mankato ny fisian'ny fandripahana ny Armeniana ny governemanta Ejypsiana. Naneho hevitra i Big Pharaoh:

Na dia eo aza ny politika sy ny fihetseham-po manohitra ny Tiorka ankehtriny, tsy mankatò ny fisian'ny Fandripahana ny Armeniana i Ejypta

Ejyptiana Amro Ali nitaraina hoe:

fijoroana vavolombelona, sary, fasana hoan'ny daholobe,  tati-baovao nivoaka, 100 taonan'ny fandaharam-pianarana – mbola mitoetra foana ny fandavana ny fisian'ny Fandripahana ny Armeniana

Nizara ity sary ity avy amin'ny hetsika tao Cairo i Big Pharaoh:

Nankalaza ny fahazato taonan'ny Fandripahana ny Armeniana tao amin'ny toerana Fahatsiarovana Miaramila tsy fantatra ao Kairo ireo Armeniana eto Ejypta.

Nizara raki-tsary misy ny hetsika tao amin'ny Facebook i Kegham Karsian.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.