Ny ‘Hakanton'ny’ Tsy Fahazakàna Lahy Tia Lahy Na Vavy Tia Vavy, Rosiana

This man threatened to attack random homosexuals. Image via Lena Klimova.

Nandrahona ny hanafika ireo lahy tia lahy na vavy tia vavysendra azy ito lehilahy ito. Sary avy tamin'i Lena Klimova.

Lena Klimova, ny mpamorona ny Children-404 (Ankizy-404), tambajotra amin'ny aterineto, hanampiana ireo tanora LGBT any Rosia, mitovitovy amin'ilay fanentanana “It Gets Better” (Ho Tsaratsara Kokoa io) any Etazonia, dia nanao tetikasa vaovao natao hahamenatra ireo mpampiasa aterineto izay nandefa fandrahonana ho faty tany aminy.

Ny 20 Aprily, namboraka rakitsary i Klimova, nitondra ny lohateny hoe “Olona Tsara Tarehy sy ny Zavatra Nolazain'izy Ireo Ahy“, izay nandefasany ho hitan'ny besy ny maro ny sarin'ireo olona tsirairay amin'ny fiainan'izy ireo andavan'andro, misy ireo hafatra mandrahona nalefan'izy ireo taminy tao amin'ny VKontakte, ilay tambajotra sosialy lehibe indrindra any Rosia.

Mampiseho ireo olona tsirairay amin'ny bika tsotra ary miaraka amin'ny olon-tiany ireo sary: lehilahy iray maka sary miaraka amin'ny osy, vehivavy iray mamihina fehezan-draozy, sy ny sisa. Ny soratra kosa anefa, dia vetaveta ary mahatsiravina, mahatonga fifampitsipahana lehibe eo amin'ny mombamomba ireo olona, amin'ny maha olon-tsotra azy, sy amin'ny maha olona tsy mahazaka olona tia firaisana mitovy azy ireo.

Misy sary 29 isa samihafa ankehitriny ny rakitsarin'i Klimova. Namerina nandefa ny sasany tamin'ireo sary ireo ny RuNet Echo, miaraka amin'ny fanakonana ny mombamomba ny tsirairay sy ireo hafatra jiolahim-boto ho an'i Klimova, nadika ho amin'ny teny Anglisy.

Angatahana ny fahanginan'ny mpamaky, satria tena mahatsiravina ny fomba fiteny.

Image via Lena Klimova. VKontakte.

Sary avy tamin'i Lena Klimova. VKontakte.

Sasha: Rahoviana ihany no hanakatona io vondrona vendrana io ianao. Halako io tsy misy fotony io. Ny fitifirana anao, ry ilay kala makorelina kely ity, no hany fiantombohan'ny zavatra mendrika anao.

Image via Lena Klimova. VKontakte.

Sary avy tamin'i Lena Klimova. VKontakte.

Aisha: Raha izaho manokana, mieritreritra aho fa makorelina adala ianao. Mieritreritra ve ianao fa manampy na inona na inona amin'io fivahinianana masina io?? Mandehana any dia mamonoa tena mialoha ny hahatongavan'ny hafa any aminao!!! Tokony hidina mihitsy ny olona sahala aminao!

Image via Lena Klimova. VKontakte.

Sary avy tamin'i Lena Klimova. VKontakte.

Alexander: Ianao ry ilay kala makorelina ity! Nahoana ianao no manao io fanindrahindràna ny fitiavan'ny samy mitovy firaisana vendrana io? Atokisako fa tsy hisy olona hanao vetaveta aminao, fa olanao izany. Hidio fotsiny io vondrona mankaloiloy io. Raha tsy izany, andeha aho ary ny tenako mihitsy no hisambotra ny iray amin'ireny sarimbavy ireny, ary tonga dia darohako ataoko mihinana ny fatiny izy. 🙂 Ary eo amin'ny tarehiny mankaloiloy io, soratako eo ny anaran'ny vondronareo, ary ho FAHADISOANAO izany rehetra izany!

Image via Lena Klimova. VKontakte.

Sary avy tamin'i Lena Klimova. VKontakte.

Maxim: Ho iray amin'ireo voalohany handrehitra ny afon-kitay handoroana anao aho. Ianao aza manana masonà mpifoka rongony, ilay vongan-tay kely misolitika lò ity.

Image via Lena Klimova. VKontakte.

Sary avy tamin'i Lena Klimova. VKontakte.

Elizaveta: Hidin'izy ireo isan'andro ianao androany. Tsy ho afa-maina akory ny zavatra izao ataonao izao. Manantena aho fa ho may any amin'ny afobe hijalijaly ela be ianao, amin'ny fanindrahindranao ny fifankatiavan'ny lahy samy lahy sy vavy samy vavy! Matesa, ry ilay tsy vanona. Mialà amin'ny firenenay, ry ilay vongan-tay ity. Na ho ela na ho haingana, hanefa noho izao ianao!

Image via Lena Klimova. VKontakte.

Sary avy tamin'i Lena Klimova. VKontakte.

Kristina: Matesa may any amin'ny afobe any daholo ianareo vetaveta rehetra ireo! Raha hitako ianao, ho kendaiko amin'ireto tanako ireto mihitsy.

Image via Lena Klimova. VKontakte.

Sary avy tamin'i Lena Klimova. VKontakte.

Roman: Ahah, azoko amin'izay: tsy misy olona te-hanao firaisana aminao, dia amin'izao ianao te-hahazo izany amin'ireo Rosiana? Ny olona ohatra anareo no ireo mamono ny “Slavs”! Tsy misy toerana ho anareo ao amin'ny fiarahamonina. Tsara, mandehàna ary hindrahindrao any amin'ireo firenena hafa io resaka adala io, fa nahoana no eto? Maty ho anareo ny dadabeako, ianao ry ilay biby vetaveta ity! Tsy ho leferina mihitsy ny LGBT! Ary hanenina izany mandritra ny andro sisa hiainany ireo olona nanohana anareo.

Image via Lena Klimova. VKontakte.

Sary avy tamin'i Lena Klimova. VKontakte.

Kolya: Lena, mankahala anao aho. Tena mankaloiloy ianao, ary raha nananako aza ny fahefana, notifiriko ho faty ianao. Manantena aho fa horaràn'izy ireo ny tetikasanao ary hesorina amin'ny fiarahamonina ianao. Tsy misy mila anao ny olona, afa-tsy ireo biby toa anao ihany.

Ny volana Novambra 2014, nanomboka nikendry ny vondron'i Klimova ireo mpitandro ny filaminana Rosiana, Children-404, noho ny fanaparitahana ny “fampielezana ny fifankatiavan'ny lahy samy lahy ary vavy samy vavy.” Ny faramparan'ny volana Martsa 2015, namoaka didy ny fitsaràna ao St. Petersburg haniitsohana ilay vondrona tao amin'ny VKontakte, izay mampalaza azy indrindra. Manankery nanomboka ny 25 Aprily ilay didim-pitsaràna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.