Korea Atsimo: Miombona alahelo amin'ny Hirifiry nozakaina noho ny fiparitahan'ny solika

Raha mbola eo ampanarahana ny  tatitra momba ny zava-doza ateraky ny solika miparitaka avy amin'ny BP ao Etazonia ny any Korea Atsimo, maro ireo Koreana mpitoraka blaogy, izay ho azy ireo dia tsy mbola maty ao am-pony ny fahatsiarovana fipariahan-tsolika nahatsirariva tamin'ny 2007  niteraka fahafatesana maro teo amin'ny tantara Koreana, maneho ny ahiahiny sy ny fiaraha-miory amin'ireo niharam-boina noho ny fiparitahan'ny solika.

Tamin'ny Desambra 2007, solitany 2.7 tapitrisa galona mbola tsy voadio no niparitaka teo amin'ny toeram-pitsangatsanganana an-dranomasinana atsinanan'i Korea, eo akaikin'ny seranantsambon'i Daesan, tao amin'ny morontsiraky ny Ranmasina Mavon'i Taean County, taorian'ny nifandonan'ny sambo lehibe mpitondra entana, an'i Orinasa Samsung Heavy Industries sy ny Hebei Spirit, mpitatitra solika mavesatra an’ i Hong Kong, nandoto ny sisintany atsinanan'i Korea tamin'ny ventin-tsolika maintiny mbola tsy voadio .

Taean County oil spill, 2007

[Sary avy amin'ny vehivavy mpitoraka bilaogy izay nandray anjara ho mpiasa an-tsitra-po tamin'ny fanadiovana .]

Teo ho eo amin'ny olona 1.2 tapitrisa teo ho eo, avy amin'ny vondrona ara-tsosialy maro samihafa no nilatsaka an-tsitrapo tamin'ny fanadiovana ny moron'ny Ranomasina Atsinanana izay naharitra volana maromaro . Olo-malaza maro, mpanao politika maro, ary manam-pahaizana maro avy amin'ny sehatra maro samihafa no nanàla ny vato rakotra solika tamin'ny tanana, tsirairay, ary nampiasa fitaovana fitrohana, manala ny solika tavela .

Mitantara ao amin'ny bilaoginy ny fijaliana tamin'ny fanaovana ny fanadiovana nandritry izany sy ny andro maro nanaraka izany ity vehivavy mpirotsaka an-tsitrapo iray vokatry  ny fofona mavesatr'ilay solika ::

기름을 닦아내도 바닷물이 들어오면 다시 엉망이 되고마는
태안. 기름 냄새에 속이 울렁거리고 머리가 지끈거린다…집에 돌아온 지금도 온 몸이 으실으실하고 속이 메스겁다.

Na dia efa nokosehana aza ny solika, dia niverina naloto ihany ny tao Taean rehefa tonga  ny rano. Nankaloiloy ahy sy nankarary ny lohako ny fofon'ny solika… mbola tsy nahazo aina sy naloiloy foana aho na dia efa niverina tany an-tranoko aza .

Na dia nampiasa  ireo sambokely,  ireo fiara vy mpitaona entana, helikoptera sy fiaramanidina anjatony tamin'ny sisin-dranomasina atsinanana aza ny governemanta Koreana, dia niantehitra tamin'ny asan'ny tanan'ny vahoaka ny ankamaroan'ny fomba fanadiovana, satria lasa lalina sy mivelatra amin'ny moron-drano mikotoatoana  ny solika, miafina any ambany fasika sy ireo vatokely an-tapitrisany maro teo an-toerana .

Milaza ity mpitoraka bilaogy iray ao amin'ny bilaoginy ao amin'ny Daum fa mety ho vetivety ny fomba fanadiovana ny solika naparitak'i BP, raha betsaka ny  isam-batan'olona sy ny fanampiana ara-bola afantoka ao, sady mitsiriritra  ireo fitaovana avo lenta an'i Etazonia ihany izy:

부자 나라답게 장비도 고급이고 대량으로 투입하기 때문에 방제작업을 의외로 싱겁게 끝날지도 모르겠습니다. 앞서도 언급했지만 손으로 일일이 닦아 내던 우리의 현실이 겹쳐집니다. …이번 사태를 대비해서 Oil pollution trust fund(기금)을 조성하여…1건당 사용 가능한 금액은 US$ 1bn (1억 달러)인데 이번 사고를 처리하기에는 턱 없이 적다는 생각이 듭니다. 우리나라처럼 자원봉사자가 많으면 모르겠지만.

Maro ireo antontana fitaovana tsara kalitao no nampiasaina tao amin'ny faritra, satria moa firenena manan-karena i Etazonia. Tena mety ho mora kokoa noho ny nandrasan'ny olona ny fomba fanadiovana. Tena ny mifanohitra amin'ny tranga teto amintsika, isika izay nikosika ny solika tamin'ny tànana, tsirairay ( ireo zavatra nolotoin'ny solika)…Nanangana ny Vola miantoka ny fanadiovana ny loto ateraky ny solika ny ao Etazonia… miaraka amin'ny fetran'ny fandaniana ambony indrindra (avy amin'ny Vola iantohana ny fiparitahan'ny solika)  ho 1 lavitrisa dolara isaky ny loza iray mitranga. Fomba tsy dia matanjaka ihany izany raha toa ka tsy misy vondrona-na mpiasa an-tsitrapo maro any Etazonia, toy ny nataonay taty Korea .

Milaza ny seraseram-pifandraisana eo an-toerana fa toa ny  roa ampahatelo monjan'ny solika very isan'andro amin'ny fantson'i BP ny solika nandoto ny ranomasina maintin'ny solika tao  Taean, ary iray ampahatelony amin'ny an'ny fiparitahan'ny solik'i Valdez . Na izany aza, ampy nahafaty ny ankamaroan'ny zava-manan’ aina an-dranomasina tamin'ny faritra mando iray anisan'ny lehibe any Korea izany, nanimba ny indostrian'ny jono  sy toeram-piompiana hazan-dranomasina 445, ary ny indostrian'ny fizahantany, tamin'ny alalan'ny nahalotoan'ny valan-javaboahary  nasionaly ho an'ny harena an-dranomasina, ary nanimba niaraka tamin’ izay ny fiainan’ ireo mponina ao. Voasazy i Samsung, iray amin'ireo vondron'orinasa iraisam-pirenena ngeza indrindra any Korea, noho izy nahatonga ny loza tamin'ny nanomezany alalana ny sambony ho tohiza amin'ny tady mahazaka tsizarizary ka nampikivilavila ny sambo. Nahita ireo Koreana fa tena tafavoaka niaraka tamin'ny sazy tena maivana ny orinasa Samsung Heavy Industries raha nijery ny zava-niseho tamin'ny ranomasina voaloton'ny solika tany amin'ny Helodranon'i Mexique izy ireo . .

Milaza ny tsy fahafaliam-pony amin’ ny governemanta sy ireo orinasa  izay mandositra andraikitra ny mpitoraka bilaogy iray ao amin'ny Naver:

지난 2007년 겨울 한국에서 발생했던 서해 태안 기름 유출
사건을 연상케 합니다…우리는 지난 태안 기름 유출 사건때 수많은 자원봉사자들의 덕에 빠르게 정상화를 찾아갔던 기억이 있습니다… 미국 정부도 이번 사건의 늑장대응에 대한 책임을 피하기는 쉽지 않을 것 같습니다. 열심히 BP에 모든
책임을 떠넘기고 있군요. 한국에서 태안 기름 유출을 일으킨 삼성 중공업이 고작 56억원의 손해 배상 책임을 판결 받은 것을 기억하니 무지하게 씁쓸합니다.

Mampatsiahy ahy ny solika niparitaka tany Taean tamin'ny ririnin'ny taona 2007 tany Korea ity [Solik'iBP niparitaka] . Vetivety dia nahavita izahay noho ny fanampiana avy amin'ny mpirotsaka an-tsitrapo maro izay toloram-pisaorana betsaka …Hita fa  mety ho sarotra ho an'ny governemanta amerikana ny hiala amin'ny fanakianana noho izy taraiky vao nihetsika tamin'ity loza nitranga ity. Amin'izao fotoana izao, miezaka ny governemanta ny hanenjera ny andraikitra rehetra any amin'i BP. Mampatsiahy ahy ny tamin'ny fitsarana ny andraikitry ny orinasa Samsung Heavy Industries tamin'ny niparitahan'ny solika tao Taean izany , izay nahazoan'i Samsung sazy 5.6 lavitrisa won Koreana fotsiny [eo ho eo amin'ny 4.6 tapitrisa dolara]. Mahakivy/mahaketraka ahy mihitsy izany rehetra izany

Voasazy nandoa 30 tapitrisa won koreana, na eo ho eo amin'ny 22,000 dolara fotsiny i Samsung , miaraka amin'ny fetra ho onitra farany ambony indrindra 5.6 lavitrisa won Koreana.

Mandinika ity olana ity amin'ny fijery araka ny tena zava-misy kokoa ny mpitoraka bilaogy sasany . Naneho ny mety ho fivadihan-javatra amin'ny vidin'ny solika noho ny fiantraikan'ny loza ara-tsolika nataon'i BP ny mpitoraka blaogy iray ao amin'ny Naver, izy tenany izay mihevitra fa mety hihoatra ny 100 dolara ny barila tsy ho ela akory amin'ity taona ity.

Nanantitrantitra ny mpitoraka blaogy amin'ny OhMyNews fa ny tena mahamaika dia ny itadiavana vahaolana tena matotra mba hanakanana ny fiparitahan'ny solika tsy hiverina :

궁극적으로 전세게가 하루빨리 원유 의존에서 벗어나 친환경 에너지로 하루빨리 바꿔야 하겠습니다…우리 모두 같은 지구촌 사람인이상 남의 일이 아닙니다.

Tena mila manova faran'izay haingana izao tontolo izao ny amin'ny fiankinan-dohany tafahoatra amin'ny solika  ary manolo izany haingana araka izay azo atao  amin'ny fampiasana angovo ara-ekolojika  … An'ity tany ity isika rehetra, ary tsy hoe raharahan'ny hafa intsony izany .

Naneho ny fiombonan'alahelo ny Koreana, taorian'ny fahamaizany tamin'ny loza fiparitahan'ny solika nahazo azy ireo, amin'ny fiparitahana tsy misy fiafaran’ ny solika ao Etazonia, sy ny vokatra mety hateraka izany eo anivon'izao tontolo izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.