Indonezia: Rehefa ny vehivavy no mifehy ny fampiasam-bolany

Flickr-photo "Scale" by deepchi1

Sary avy ao amin'ny Flickr "Scale" an'i deepchi1

Nahavita nifehy ny krizy ara-toekarena farany teo i Indonezia ary afaka mifaninana amin'ireo firenena ao anatin'i BRIC mihitsy aza izy amin'izao fotoana izao. Fa inona ary no mety ho tsiambaratelon'io firenena faran'izay betsaka vahoaka Silamo eran-tany io ? Maherin'ny antsasaky ny vahoaka 230 tapitris ao Indonezia no vehivavy.

Ny ankamaroan'ny vehivavy Indoneziana dia manaja foana ny zara-asa fototra faritan'ny fiaraha-monina ho azy ireo, ho vady sy ho lasa reny, Na dia miova aza ny toetr'andro dia matetika no tsy dia mandray anjara ny vehivavy amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra  ary tsy angatahana amin'izy ireo ihany koa ny handray anjara amin'izay hahasoa ny ankohonana; safidy ny miasa fa tsy adidy – noho izany, tsy misy mihitsy ny fizakan-tena ara-bola .

Mampanambady ireo zanany vavy ireo raiamandreny mba hitsinjovana ny ho avin'izy ireny  any an-tanàna any. Mitondra ny vehivavy ho zara raha nianatra sy manavitsy ny safidiny eo amin'ny fiainana izany fahazarana izany . Matetika no sokajiana ho isan'ireo ” ireo mpiasa tsy manam-pahaizana” ireo vehivavy – miasa amin'ny orinasa na alefa any ivelany ho mpanampy an-trano – nefa tsy asiana dikany mihitsy ny vola aloan'izy ireny ho  an'ny kitapom-bolam-panjakana ary tsy ekena araky ny tokony ho izy mihitsy ny zon-dry zareo .

Nifampitaiza ireo samy vehivavy Indoneziana tanatin'ny taona vitsy, ary naneho fa azon'izy ireo atao ihany koa ny mamiratra lavitra  any anatin'ireo sehatra nosahanin'ireo namany lehilahy, hatreto. Iray amin'ireo vehivavy Indoneziana fakana aingam-panahy  ny Ministra teo aloha miadidy ny Vola i Sri Mulyani Indrawati, izay lasa Tale Jeneralin'ny Banky Mondialy ankehitriny.

Milaza ireo tatitra nivoaka tamin'ny  2008 avy amin'ny Birao Indoneziana misahana ny Antontan'isa fa misy eo amin'ny 46-49 tapitrisa ny Orinasa Kely sy Madinika ary Salantsalany (MSME) any Indonezia, ary 60_80% amin'izy ireny no an'ireo vehivavy  . Maneho ny 97.1% n'ny hery miasa amin'ny firenena ireo MSME ireo .

Mitovy amin'ireo vehivavy ao Afrika na ao Azia Atsimo, misedra zavatra sarotra ihany koa ireo vehivavy Indoneziana , toy ny fahazoana findramam-bola amin'ny banky tsy mila lehilahy ho mpiantoka , na ihany koa rehefa tsy afaka mampiseho  fa azo atokisana hahaverim-bola ry zareo .

Soa ihany fa mifanohana ireo vehivavy ao amin'ity firenena ity, ary azo tsapain-tànana na eny anivon'ny fiarahamonina any ambanivohitra na eny an-drenivohitra ny fisian'ny finamanana mafy orina amin'ireo vehivavy

Manazava ao amin'ny blaoginy i  Son Haji Ujaji [id], mafana fo mipetraka any Tangerang, Atsinanan'i Java, hoe ahoana ny fahaizan'ireo vehivavy mampitombo ny fidiram-bolan'ny fianakaviana :

Perempuan akan mengambil peran-peran penting dalam kapasitasnya sebagai makhluk sosial, terutama dalam rangka peningkatan kualitas pendapatan keluarga. Lembaga-lembaga local yang ada lebih tepat bila diperankan secara langsung oleh kaum perempuan, baik yang bergerak dalam bidang sosial maupun ekonomi. Sesungguhnya kultur perempuan yang ada pada sebagian masyarakat Indoensia adalah bersifat guyub (komunal). Kuatanya daya komunalitas ini tercermin dari masih eksisnya lembaga-lembaga yang bergerak dalam bidang kewanitaan, seperti PKK, Posyandu, bentuk-bentuk arisan warga dan sejenisnya.

[…]

PKK mempunyai prioritas program berupa Usaha Peningkatan Pendapatan Keluarga (UP2K). […] Potensi, daya, dan karakter perempuan yang tidak kalah penting dan bobotnya dengan laki-laki dapat menjadikan program UP2K-PKK sebuah program unggulan dalam tataran program social safety net (jaring pengaman social), sebagai salah satu upaya menolong masyarakat dari keterpurukan ekonomi dengan jalan memberdayakan dan membangun masyarakat menjadi individu atau keluarga yang mandiri.

Ara-boajanahary dia mora  mifandray aman'olona ny vehivavy, ary hanana anjara asa mavitrika ry zareo mba hampivoatra ny fidiram-bolan'ny tokantrano . Tsara kokoa raha ny vehivavy no misahana ireo asa anatiny . Manana fahalalana ara -kolotsaina mafy orina momba ny lanjan'ny fiarahamonina ireo vehivavy Indoneziana, hita amin'ny fandaharan'asa maro mitodika amin'ny fiarahamonina izany toy ny PKK (tenin'ny mpanoratra :fampianarana mikarakara tokantrano, ahitana ny fianarana manjaitra, ny manao zaridaina, ny vonjy aina , sns), Posyandu (tenin'ny mpanoratra : Tobim-pahasalamam-bahoaka ), and arisan (tenin'ny mpanoratra: loka manokana, natokana ho an'ny samy mpinamana na mpianakavy ) izay mbola misy ankehitriny.

[…]

Manao laharam-pahamehana ny Fandaharan'asa Fanatsarana ny Fidiram-bola (UP2K-PKK) ny PKK amin'izao fotoana izao . […] Ilay fandaharan'asa izay manome lanja ny fahaiza -manaon'ireo vehivavy, ny herim-piniavany sy ny toetrany, dia mametraka azy ity voalohany indrindra ho toy ny fiarovana ara-tsosialy , fomba iray hanampiana ny vahoaka amin'ny fahantrana ary mankahery azy ireo hatanjaka sy hahaleo tena ary hahavita tena na izy mandeha irery, na eo anivon'ny fianakaviana .

Mampidi-bola na misy na tsy misy aterineto

Ny Koperasi (koperativa), rafi-pitantanan-draharaha natsangan'ny vondron'olona iray, tantanina amin'ny fomba demokratika ary manana tanjona ho an'ny tombontsoan'ny rehetra  dia raisina ho iray amin'ireo fototry ny toekarena Indoneziana .

Hita hoe efa tafiditra lalina anatin'ny sain'ny vahoaka ireo hevitra fototry ny Koperasi nandritry ny taona maro. Lazaina ho làlana lehibe iray mampidi-bola ihany koa eo an-danin’izay ny Multi Level Marketing (MLM), na dia tsy mitovy lanja amin’ny Koperasi aza izy raha ny fahalalana ny maha-zava-dehibe ny fiarahamonina sy ireo tambajotra. Tsy voatery hoe tsy maintsy mandeha amin’ireo fihaonan’ny MLM ny vahoaka raha hividy zavatra, mamonjy ny tambajotra izy ireo , mba ahita zava-baovao tsara na fiaraha-miasa ara-barotra sady miresaka no mihinana dité sy mofomamy.

Taorian’ny fampahafantarana sy ny boky miraki-tsarin’ny MLM [katalaogy] dia nipoitra ireo  blaogy sy  Facebook. Nahita tamin'ny fomba haingana toerana hivarotana ireo entany avy hatrany ry ramatoa isany, ireo akanjo Koreana fitondra amin’ny andro mafana izay nafarana, na koa aza ireo kiraron’i Jimmy Choo nivoaka farany ary ireo entana lafo vidy, amin’ny vidin’ny tena mirary. Nanjary mora toy ny mametaka famantarana amin'ny sary ny mampidi-bola amin'ny fomba hafa.

Mandeha ve ny fampindramam-bola madinika any Indonezia?

Tsy dia fanafody mahagaga manohitra ny fahantrana any Indonezia loatra ny Fampindramam-bola madinika raha ny zava-misy marina, amin'ny lafiny iray dia asa maharitra no tena izy.

Manana tanjona ny hanome hery ireo vehivavy mahantra sy ny fiarahamonin'izy ireny amin’ny alalan’ny fampindramam-bola ny fikambanana Iraisam-pirenena misahana fampindramam-bola madinika toy ny Kiva; na izany aza, tsy asa mora izany.

Mitsikera ny lahatsoratra niseho tamin’ny Stanford Social Innovation Review ny mpampiasa aterineto iray antsoina hoe salman_taufik . Manana fihevitra tsara iray mikasika ny antony tsy nampahomby tantaran'ny fampindramam-bola madinika any Indonezia izy:

Nahita trangan-javatra mitovitovy amin’ireo any Indonezia aho eo amin’ny lafiny ara-toekarena. Nandritry ny folo taona farany tao aorian’ny krizy 1988 – 2009, somary nidina kely 21% ho 14.15% tamin’ny taona 2009 ny fahantrana, na dia eo aza ny fifanoherana amin’io antontan'isa io. Eo andanin’izany, miakatra ho avo 7 heny ny fiakaran’ny findramam-bola eo amin’ny mpampiasa nandritry ny taona 2000-2009, tena avo kokoa noho ny an’ny bankin’ny indostria mahazatra izany, izay avo roa heny monja nandritry io fotoana mitovy io. Ny tsy fitovian’ ireo isa roa ireo dia mitarika ahy hametraka fanontaniana momba ny fahombiazan’ny fampindramam-bola madinika hanamaivana ny fahantrana.  Satria ny maro amin'ireo fampindramam-bola nomena ireo mpindrana madinika dia nandeha daholo nankany amin'ny fanjifàna, manahy aho fa ity firoboroboana malaky ity dia  maneho ny fahaizan'ny kapitalisma mivarotra ny entany amin'ireo mahantra io, toy ny môto, finday, kojakojan-tokantrano, sns. ary ireo mahantra indray hivarotra ny taniny sy hanapaka hazo amin'ny fomba tsy manaraka ny lalàna mba hahafahana mividy ireny entana rehetra ireny. Heveriko fa misy ny fanandevozana ara-bola atao amin’ny mahantra ao. Noho izany, na ahoana na ahoana, miombon-keivtra aminao aho raha tsy tataovan'izy ireo hetra ilay vola, avelao ho renivola mihodina izany hanavotan'izy ireo ny fiainany.

Matetika no tsy azon’ny ireo fiarahamonina mahantra ny fanampiana avy any ivelany, any amin’ny firenena izay maro ny olona mikarama latsaky ny 2 dolara amerikana isan’andro.

Manazava i Anna Antoni, mpikambana amin'ny Kiva mipetraka any Bali :

Ny tahotry ny mpiara-miombon'antoka amin'ny Kiva izay iasako dia ny hoe raha fantatry ny mpindrana fa vola avy any ivelany no nindraminy, dia ho heverin-dry zareo ho toy  ny asa fanasoavana izany. Tsy ahatsiaro tena ho voatery hamerina ny vola nindraminy izy ireo ary hiteraka olana be izany ao anatin'ny fotoana lavalava raha tsy voasaron’ny mpiara-miombon'antoka ny very. Nisy ny voka-dratsy avy amin'ny fanampiana nataon'ireo firenena be indostria izay lasa lavitra  noho ny fanohanana nandritra ny fotoana nisian'ny krizy,  ka namafa zavatra tao an-tsaina toy ny hoe  “Azoko tanterahana ito – Afaka manao fanamby eo amin'ny fiainako aho!” izay tena votoatiny sy mavesa-danja amin'ny fampindramam-bola madinika… saingy miverina amin'ny mangarahara .

[…]
Ilay rafitra manontolo dia miverina maneho indray hoe hatraiza ny haben'ny fandresen-dahatry ny Kiva. Ho an’ny ankamaroan’ireo Firenena an-dalam-pandrosoana dia fikisahana iray mankamin'ny lasitra tsy mandray vola tsy  averina na mila averina miaraka amin’ny fepetra maro. Tena zava-dehibe mihitsy ny mametraka ezaka hampivoarana ny mangarahara ho an’ny mpindrana sy ny fanajana ny vahoaka mandray anjara amin’ny tetikasa Kiva .Eo andanin’izany, ny fahatsapana ny soatoavina amin’ny fampindramam-bola madinika ho fanampiana ny olona mba hahafahany mifanampy no tena fototry ny fomba fijery vaovaon'ny fampivoarana .

Zavatra mahaliana ny fitantanana orinasa ataon'ny vehivavy Indoneziana. Indrisy anefa, toa tsy hitan’ireo mpampiasa aterineto avy eo an-toerana akory izany, toy ity mpanoratra ity (ny tenako!) izay miady mba hahita lahatsoratra anaty blaogy misy fijoroana ho vavolombelona na hevitra mikasika ireo vehivavy sangany ara-toekarena malaza tsy dia voateny loatra. Misy tantara lehibe naseho tamin’ny aterineto tsy hitako ve? Raha izany, miangavy mba ampahafantaro ahy. Ankasitrahako indrindra ireo rohy avy aminareo, ny hevitra, ary fanamarihana.

Hita ihany koa ity lahatsoratra ity ao amin'ny ao amin'ny Resadresaka Hanatsarana ny Tany an'ny UNFPA izay ahitana an’i Carolina mampiaina ny live-blog iray momba ny fitantanan’ny vehivavy ny orinasa, ny risim-pony, ny fampiasam-bola (manerantany) mandritry io herinandro ho avy io. Iangaviana ianao hizara eto ireo tetikasanao, ireo rohinao sy ireo traikefanao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.