Nitsidika An'i Hiroshima Ny Masoivoho Amerikana Ao Japàna Ary Miaiky Ny Takaitra Navelan'ny Baomba Atomika

The Hiroshima Panels (原爆の図)

Sary nalain-tahaka tamin'ny The Hiroshima Panels (原爆の図) nataon'i Maruki Iri sy Maruki Toshi, naranty tao amin'ny Tempoly Higashi Honganji, Kyoto. Sary avy amin'i Nevin Thompson.

Nitsidika an'i Hiroshima ny Ambasadaoro Ameriakana ao Japana, Caroline Kennedy tamin'ity volana Aprily ity, niteraka fanirianatsara avy amin'ireo Japoney mpampiantrano.

Fahatsiarovana lehibe tokony hanohizantsika ny asa hoan'ny tontolo lavitry ny fitaovam-piadiana nokleary ny fitsidihana an'i Hiroshima

Satria nanatrika ny tsingeritaona faha-69-n'ny daroka baomba atomika tamin'ny Aogositra 2014 ny masoivoho Amerikana ao Japana, Kennedy - vao fanindroany izao ny masoivoho Amerikana no nanatrika ny hetsika fanao isan-taona ho fahatsiarovana ireo niharam-boina tamin'ny daroka baomba Hiroshima tamin'ny 1945.

John Roos, masoivoho Amerikana tao Japana teo aloha izay nodimbiasan'i Kennedy no solontena Amerikana voalohany nanatrika ny hetsika fahatsiarovana ofisialy fanao isan-taona hoan'ny Hiroshima. Nanatrika ny lanonana i Roos tamin'ny volana Aogositra 2010, fanamarihana ny tsingerintaona faha-65-n’ny daroka baomba atomika sy ny faran'ny Ady Lehibe faharoa.

Satria nametraka fifandraisana lalina teo amin'i Etazonia sy Japana i John Roos taorian'ny loza tao Tohoku tamin'ny 2011, izay nitondrany fanampiana goavana avy amin'ny Amerikana sy ezaka fanarenana ny avaratra atsinanan'i Japana izay voa mafy tamin'izany.

Ny manamarika ny fitsidihan'ny Ambasadaoro Kennedy an'i Hiroshima tamin'ny volana Aprily dia izy nitsidika ny Mozeam-Pahatsiarovana ny Fandriampahalemana ao Hiroshima ary nametraka fehiloha tao amin'ny tsangambaton'ireo namoy ny ainy tamin'ny daroka baomba - fihetsika tsy mbola nisy teo amin'ny ambasadaoro Amerikana tao an-toerana.

Nitsidika voalohany ny mozea Hiroshima tamin'ny taona 1978 niaraka tamin'ny rahalahin-drainy, Loholona Amerikana Edward Kennedy ny Masoivoho Kennedy, sisa hany tavela tamin'ny taranaky ny Filoha John F. Kennedy, .

Zava-dehibe hoan'ny mponina Japoney maro ny fanapaha-kevitry ny Masoivoho Amerikana hitsidika ny fahatsiarovana an'i Hiroshima sy ny Mozean'ny Fandriampahelamana, ary manohana ny antson'i Obama hoan'ny tsy fampiasana fitaovam-piadiana nokleary tamin'ny taona 2009 sy 2013. Efa ela ny mponin'i Hiroshima sy Nagasaki, tanàna roa hany niharan'ny fanafihana nokleary no niantso ho fanafoanana ny fitaovam-piadiana nokleary.

Niseho iray volana katroka taorian'ny fanehoan'i Ben'ny tanànan'i Hiroshima Kazumi Matsui ny fahadisoam-panantenany tamin'ny fanamarihan'ny filoha Rosiana Vladimir Putin tamin'ny fandaharana fanadihadiana fa vonona hampiasa ny fitaovam-piadiany nokleary ao anatin'ny krizy ao Okraina i Moskoa raha ilaina ny fitsidihan'i Kennedy an'i Hiroshima , raha vao avy nanao fifanekena ara-barotra tamin'i Rosia i Japana; ary nametraka sazy hoan'i Rosia i Japana taty aoriana noho ny fananiham-bohitra an'i Krimea.

“Tsy miraharaha ny fitakian'i Hiroshima (tanàna niaina voalohany ny daroka baomba atomika) i Rosia.” - nitsikera ny filoha Rosiana Vladimir Putin mikasika ny fanamarihany momba ny fitaovam-piadiana nokleary Okraina ny ben'ny tanànan'i Hiroshima. [Nilaza i Putin tamin'izany fa vonona hampiasa fitaovam-piadiana nokleary mandritra ny krizy Krimea herintaona lasa izay.]

Namaly ny masoivohon'i Rosia ao Japana, Evgeny Afanasiev hoe:

Alohan'ny hanakianana an'i Rosia mikasika ny fitaovam-piadiana nokleary, miresaha amin'i Amerikafirenena  nandatsaka baomba anao (voalohany).” valintenin'ny Masoivoho Rosiana hoan'ny ben'ny tanànan'i Hiroshima.

Na dia izany aza, faly ny mponina maro ao Hiroshima fa nanokatra kianja filalaovana baseball hoan'ny Carp, ekipa be mpankafy ao an-toerana, ao an-tanànan'i Hiroshima i Kennedy.

Alefa Carp!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.