Manao Asam-Panoloratena Maimaimpoana Ny Mpifindra-monina Kolombiana ao Shily Ho Fanoherana Ny Fitsarana An-tendrony Atao Azy Ireo

Faritra ao Shily niharan'ny tondra-drano noho ny orambe. Veoverde.com. (Zon'ny mpamorona reuse license.)

Tao anatin'ny taona vitsivitsy, nitangorona tao avaratr'i Shily ireo karazan'olona mandrafitra ny mpifindra monina Kolombiana nandao ny fireneny mba hikaroka zavatra tsara kokoa. Tany am-boalohany, tonga tao Shily voasariky ny kisarisary fahamarinan-toerana ara-politika, ny fandrosoan'ny toe-karena sy ny fampanantenan'ny indostrian'ny fitrandrahana miroborobo ireo mpifindra monina ireo. Ho an'ny hafa kosa, ny herisetra tsy an-kiato izay namely ny faritra maro ao Kolombia no nandroaka azy ireo. Nahita fahamarinan-toerana ara-toekarena tsaratsara ihany sy fiarovana manokana tao an-tranony vaovao ny ankamaroan'ireo mpifindra monina ireo, saingy niatrika fanavakavahana avy amin'ny olona manana fitsarana an-tendrony amin'ny Kolombiana amin'ny ankapobeny sy ny tarakana Afrikanina indrindra ihany koa izy ireo.

Taorian'ny fifandonana teo amin'ny mpifindra monina sy ny mponina ao an-toerana, nanatontosa Google Hangout miaraka amin'ny fampahalalam-baovao hafa ny Global Voices  tamin'ny 13 Martsa mba hiresaka momba ny firohotr'ireo teratany Kolombiana ho ao Antofagasta. Ahitana fijoroana vavolombelona manokana avy amin'ireo mpifindra monina Kolombiana tao Shily, fanehoan-kevitra avy amin'ireo manam-pahaizana momba ny fifindra-monina ao amin'ny faritra, ary mpanoratra gazety manaraka akaiky ireo tantara ireo ny lahatsary.

Namely vao haingana ny avaratr'i Shily ny tafio-drivotra ratsy indrindra tao anatin'ny 80 taona, ny tanànan'i Atacama sy Antofagasta no tena voa mafy indrindra tamin'izany, nihoatra ny Renirano Copiapó vokatry ny orambe. Raha niezaka hiatrika ny tondra-drano sy ny fotaka nanarona ny lalana, ny trano sy ny tetezana ny olona ao an-toerana, nahasarika ny sain'ny olona kosa ireo vondrona mpifindra-monina Kolombiana tamin'ny fikarakarana hetsika fanampiana mahomby nataon'izy ireo. Nizara ny sarin'ireo Kolombiana mpilatsaka an-tsitrapo manaisotra fotaka sy manadio lalana, manao ny fanamian'ny ekipam-pirenena mpilalao baolina kitran'izy ireo ny mpiserasera, ary niasa tamin'ny toerana nilàna ny fanampian'izy ireo.

Tao amin'ny Facebook, Maite Vanessa Castro, vehivavy avy ao Cali, Kolombia, monina ankehitriny ao Copiapó, nizara sary misy ny asa fanampiana.

Nandritra izany, nilaza ny olona sasany tao amin'ny faritra niharan'ny tondra-drano fa ireo Kolombiana mpilatsaka an-tsitrapo  no “tonga voalohany” ary nanome fanampiana fa tsy ny manampahefana Shiliana:

Miara-miasa ao Copiago ireo Kolombiana mpifindra monina. Ireto ny sary

Mifandamina ny [Rahalahy] Kolombiana mpifindra monina mba hanampy ireo niharan'ny tondra-drano ao Copiapó.

Nilaza ny mpiserasera maro fa tokony hampieritreritra indray ny olona mikasika ny fijeriny momba ireo mpifindra monina ny sary.

Hoan'ireo izay mihevitra fa jiolahimboto ny mpifindra-monina REHETRA, fampanginana tsy mampino ireo sarin'ny Kolombiana tao Copiapo.

Ireto ny rahalahy Kolombiana manampy manadio ny lalana ao Copiago. Mba hiheverana fa hoan'ny sasany, olana izy ireo

Ovay ny toetranao, indreto “ireo Kolombianan-diky” manampy manadio lalana.

Naneho ny fankasitrahan'izy ireo ny asa an-tsitrapo nataon'ny fiarahamonina Kolombiana ny Shiliana :

Kolombiana mpifindra monina. Mankasitraka.

Tsy dia manantena firy avy amin'i Cachacos sy Corronchos aho. Kolombiaakaiky ny foko ianao ary fantatro ny fanananao lanja sy ny firaisankinanao. Mankasitraka! Amerikana Latina

Andeha hofenoina Kolombiana ity firenena ity

Niarahana nanoratra tamin'i Robert Valencia, mpanoratra ato amin'ny Global Voices ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.