Nohon'ny Famoahana ‘Tsiambaratelom-Panjakana’, Nogadrain'i Shina i Gao Yu, Mpanao Gazety Malaza

Gao Yu. Photo from Wikipedia Commons.

Gao Yu. Sary tao amin'ny Wikipedia Commons.

Ny 17 aprily, nomelohan'ny Fitsarana ao Beijing 7 taona an-tranomaizina i Gao Yu, Shinoa mpanao gazety efa za-draharaha, nohon'ny “nanomezany tsy ara-dàlana tsiambaratelom-panjakana ho an'ny Vahiny”.

Satria ny fitsarana tsy namaritra mazava ny zavatra navoakany, mino ny mpanara-baovao ao Shina fa ireo heverina ho ” tsiambaratelom-panjakana” dia baiko avy amin'ny Antoko Kaominista Shinoa (CCP), fantatra amin'ny anarana hoe Antontan-taratasy laharana faha 9, mikasika ny ady ideolojika ataony amin'ny soatoavina tandrefana. Mifandraika manokana amin'ny lafin-javatra fito izany (fantatra amin'ny anarana hoe “zavatra fito tsy azo resahana”) “) izay tsy tokony ho ampianarin'ireo mpampianatra eny amin'ny oniversite :ny soatoavina iraisan'izao tontolo izao, fahalalahana amin'ny fanaovana gazety, fiarahamonina sivily, zon'olombelona, ny hadisoana teo aloha nataon'ny antoko kaominista, kapitalisma kiantranoantrano ary ny fahaleovantenan'ny fitsarana.

Tamin'ny 1980 no nanombohan'i Gao Yu ny asa fanaovan-gazety. Nigadra nihoatran'ny iray taona izy taorian'ny fanoherana mandala ny demokrasia tao Tiananmen tamin'ny 1989, nohon'ny fanohanana ny hetsika tao anatin'ny tatitra nataony. Nigadra indray izy nandritry ny enina taona, teo anelanelan'ny 1993 sy 1999, nohon'ny famoahana tsiambaratelom-panjakana.

Tamin'ity  fanenjehana faramparany ity, ilay mpanao gazety 71 taona dia nogadraina tamin'ny Aprily 2014 ary noterena “hiaiky” tao amin'ny Fahitalavi-panjakana Shinoa ho nanao “hadisoana goavana”, taorian'ny nitazonan'ny polisy ny zanany lahy.

Tohina tamin'ny vaovao momba ny nanamelohana an'i Gao Yu ny fikambanan'ny Shinoa any ampitan-dranomasina. Ny firaisan'i Hong Kong Manohana ny Hetsika Demokratika Tia Tanindrazana any Shina, izay fitambaran'ny O.N.G. niorina taorian'ny vono olona mahatsiravina tao Tiananmen tamin'ny 1989, dia naneho fanoherana teo ivelan'ny Birao Fifandraisan'ny Governemanta Foiben'ny Vahoaka tao Hong Kong, mangataka ny hamotsorana azy tsy misy hatakandro.

Hong Kong Alliance in Support of Patriotic Democratic Movements in China protested outside the Liaison Office of the Central People's Government in Hong Kong soon after they heard the result of the court sentence. Photo from Twitter user @HKfighter

Ny Firaisan'i Hong Kong Manohana Ny Hetsika Demokratika Tia Tanindrazana any Shina, dia naneho fanoherana teo ivelan'ny Birao Fifandraisan'ny Governemanta Foiben'ny Vahoaka tao Hong Kong, mangataka ny hamotsorana azy tsy misy hatakandro. Sary avy amin'ny mpampiasa Twitter @HKfighter

Nanazava tao amin'ny “Twitter” i Hu Jia, mpanohitra ara-politika izay eo ambany fanaraha-mason'ny polisy ao Beijing, ny antony nahatonga an'i Gao Yu nahazo izany didim-pitsarana henjana izany tamin'ny fanaovana ny asany amin'ny maha mpanao gazety azy :

Ny “zavatra fito tsy azo resahana” dia nampiseho ny lafy ratsin'ny CCP. Ny marimarina kokoa, mamaritra mazava ny fitondrana jadona ataon'i Xi Jinping [Filoha Shinoa ankehitriny]. I Shina no firenena ahitana hoe midika fanagadrana ny fanehoana ny haratsian'ny fitondrana. Ny raharaha Gao Yu dia mampiharihary amin'izao tontolo izao ny fandehanan'ny CCP mifanohitra amin'ny soatoavina iraisan'izao tontolo izao.

Nanamarina i Wu Zuolai, mpamakafaka ny raharaha andavanandro, fa ny antontan-taratasin'ny antoko kaominista dia tsy tokony ho raisina ho toy ny antontan-taratasim-panjakana :

Mahamenatra ny fanamelohana fito taona an-tranomaizina mpanao gazety efa 71 taona. Inona no karazana tsiambaratelom-panjakana navoakan'i Gao Yu ? Ny “zavatra fito tsy azo resahana” dia tokony ho antontan-taratasy famakin'ny daholobe. Nizara ny antontan-taratasin'ny antoko ihany no nataon'i ranabavy Gao. Toy ny antoko mitondra, ny antontan-taratasy dia fananan'ny antoko, inona no maha tsiambaratelom-panjakana an'izany ? Tsy mahamenatra ve izany ? Raha niteraka fanoherana iraisam-pirenena ny zava-nitranga, ny fitondrana vaovao ihany no manome laza ratsy ho an'ny tenany.

Nino i Wang Dang, mpitarika ny hetsiky ny demokrasia tamin'ny 1989 tao Tiananmen, fa izao raharaha izao dia ho lasa lakolosy fanairana ho an'ireo izay mbola manana fanantenana amin'ny fitondrana vaovao ao Shina tantanin'i Xi :

這就是一些人嘴裡的“進步了的中國”,一些人歌功頌德的習近平的“中興新政”,這就是一個所謂充滿自信的政黨的所作所為:他們可以禁止討論憲政,但是禁止讓外界知道他們的禁止。多麼荒唐,多麼滑稽,多麼卑劣,多麼狠毒。
這告訴我們:習近平上台之後,中共在政治上繼續大步後退,繼續向嚴厲打擊異議人士的方向大步邁進,只要習近平還在台上,中國的人權狀況將繼續呈現最黑暗的狀況;
任何對習近平會開明專制的期待,在我看,都是完全不了解中國,不了解太子黨和習近平的表現。高瑜用自己的自由,告訴了我們這一點,你如果還是看不到,還說習近平會政治改革,那你不是瘋子,就是傻子。

Manohy mandoka ny politikan'i Xi JinPing ho toy ny “fanavaozana” ny olona sasany. Mampiseho ny tena endrik'i “Shina mandroso” [ny raharaha Gao]. Ny asan'ilay ambara hoe “antoko matoky tena” – mandrara ny resaka rehetra momba ny lalampanorenana, tsy mamela ny olona hahalala ny zavatra norarany. Tena mahatsikaiky, tena mahamenatra ary tena mahatsiravina.

Manambara amintsika ny zava-misy : na dia taorian'ny niakaran'i Xi Jinping teo amin'ny fitondrana aza, mbola nitotongana hatrany ny CCP amin'ny fanavaozana politika ataony ary lasa mivatravatra amin'ny fampijaliana ataony amin'ny fanoherana. Raha mbola eo amin'ny fitondrana i Xi, ho fotoana maloka ho an'ny zon'olombelona izany.

Ny fanantenana rehetra ho an'ny fitondrana tsy refesi-mandidy ataon'i Xi dia mifototra amin'ny tsy fahalalàn'izy ireo ny politikan'ny “princelings“, XI Jinping sy i Shina. Nampiasa ny fahalalàhany i Gao Yu mba hilazana amintsika izany zava-misy izany. Raha mbola tsy mahita izany ianareo ary manantena ny hitondran'i Xi ny fanavaozana ara-politika, dia na ianareo adala na ianareo dondrona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.