Politika Sosialy Ao Shina: Nataon'ireo Kisary Famantarana Malazan'ny Sarimiaina Ho Zava-Mahafinaritra

Image from Wikipedia

Fuwa. Sary avy ao amin'ny Wikipedia

Ito ambany ito ny endriky ny dika natao printy tamin'ny “Mascots: the Cutest Social Police” an'i Christina Xu, navoaka voalohany tao amin'ny bilaogy 88 Bar ary naverna navoaka etoana noho ny fifanarahana mifampizara votoaty. 

Tany amini'reo taona nialoha ny Lalao Olaimpika tao Beijing tamin'ny 2008, ny Fuwa (福娃, “saribakolin'ny fananan-karena”), kisary famantarana ofisialin'ny Olaimpika no hita teny rehetra teny: eny amin'ny takelaka fanaovana dokambarotra, tany anaty dokambarotry ny fahitalavitra, natao ho amin'ny endrik saribakoly vorodamba, ary natsangana ho toy ny sarivongana kely tany amin'ireo toeram-pivarotana salantsalany sy ny seranam-piaramanidina nanerana ny firenena.

Nanomboka tamin'izany, nirongatra ve ny fisian'ireo kisary famantarana faran'izay mahafatifaty, nomena endrika manaiky ny an'ny olombelona, noforonina avy aminà fifaninanana natao ho an'ny daholobe. Ho fanampin'ny maha-goavana azy ho an'ny resa-barotra sy sary, matetiko koa ireny kisary famantarana ireny no nampiasaina ho fandrisihana sy ho lasitra fakan-tàhaka amin'ny fitondrantenan'ny olo-“mandroso” (文明).

Tian Tian (天天, “Isanandro”) no kisary famantarana ofisialin'ny fampahafantarana ny marika “Sunny Border”, ezaka iraisan'ireo departemanta samihafa ao amin'ny governemanta hanomezana endrika maha-te-ho tia kokoa ny fanaraha-maso ny sisintany  Shinoa.

A TianTian poster in the immigration line at Shanghai Pudong. Photo by Christina Xu

Sariben'i Tian Tian ao amin'ny filaharana mankamin'ny biraon'ny fifindrà-monina ao Shanghai Pudong. Sary an'i Christina Xu

Ao anatin'ireo saribe ao amin'ny biraon'ny fifindrà-monina (ary anatin'ireo saribe dokambarotra eny akaikin'ny seranam-piaramanidina), arahabain'i Tian Tian ireo mpitsidika ary ampanantenainy fiainana “maha-te-ho tia, mahomby sy matianina”. Tao anaty fanambaràna an-gazety nampahafantarana ilay fanentanana nandritry ny fandefasana azy tamin'ny 2012, nasongadina ho toy ny fahombiazana teny anivon'ny ankizy madinika i Tian Tian.

TianTian on a billboard near Shanghai Pudong airport. Photo by Christina Xu

Tian Tian ery amin'ny saribe dokambarotra eny akaikin'ny seranam-piaramanidina ao Shanghai Pudong. Sary an'i Christina Xu

Chang Chang (畅畅) no voafidy ho ny kisary famantarana ofisialy ny fiarandalamby ambanin'ny tany ao Shanghai, taorian'ny fifaninanana naharitra telo volana natao ny 2009. Ho hitanao izy eny anaty takelaby famantarana sy any anaty lahatsary manerana ny toby fiantsonan'ny fiaran-dalamby ambanin'ny tany ao Shanghai, mandrisika mba hanana fitondrantena tsara na mamoaka fampitandremana, hatrany anatin'ireo trano heva fivarotana manokana any amin'ireo toby fiantsonana be mpandeha.

A Chang Chang toy poses with fan letters and next to a safety sign normally posted near the track that reads “For your personal safety and convenience, please don’t loiter here during high traffic areas.” Image from SHMetro.

Kilalao Chang Chang maka sary miaraka amin'ny taratasin'ireo mpankafy azy ary eo akaikin'ny takelaka iray milaza fampitandremana napetraka manakaiky ny làlana ary mivaky hoe  “Ho fitandroana sy ho filaminana ho anao manokana, azafady midoladola eto mandritry ny fotoana mahabe ny fifamoivoizana.” Sary avy amin'ny SHMetro.

Ampahany amin'ireo ao ambalan'ny kisary famantarana tsy mitsaha-mitombo i Tian Tian sy Chang Chang, amin'ireo karazana fotodrafitrasa tsy misy endriny. Nandritry ny diako, hitako izy ireny teny amin'ny sampana mpamono afo, banky, ary maro tamin'ireo toerana natao ho an'ny daholobe, toy ireo toeram-pivarotana sy seranam-piaramanidina. Toy ny hoe natao voalohany indrindra haseho amin'ireo tontolo azo tsapain-tanana ry zareo ireny—ho toy ny sarivongana, mpisehatra malaza anaty PSA, entam-barotra, ary takelaka sy sorabaventy fanaovana dokambarotra—fa tsy any anaty tranonkala na media sosialy.

Ampahany amin'ny andianà fanentanana alefa manerana ny firenena ireo lahatsary sy takelaka mampalaza an-dry zareo ireo mba hanefena fitondrantena “sivilyl” ary hanapariahana fenitra vaovao mikasika izay fitondrantena azo ekena eny imasom-bahoaka, amin'ny fikendrena manokana ireo mpifindra-monina vaovao vao tafakatra an-tanan-dehibe izay sambany no hifampizara ireo toerana natao ho an'ny rehetra.

Misolo vava ireny fenitra ireny ireo kisary famantarana ireo—aza mijoro kakiky loatra ny làlan'ny fiarandalamby, tsitsio  ny rano amin'ny paompy, aza mifoka sigara ao anaty efitra, milahara—mampitombo ny antso amin'ny zavatra misarika ny maso sy maha-te-ho tia hanantanteraka azy ireny, indrindra fa ho an'ireo andian-taranaka tanora. Tsy hoe maneho fotsiny ny ampahany mahaliana amin'ny firesahana amin'ny alàlalan'ny zavatra hita maso ao Shina ireny kisary famantarana amin'ireo fotoana ireny, fa koa fomba milamina/malefaka (na pitsompitsony) ho fandrindràna sosialy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.