Misy Sahady Hira Rap Natao Ho An'ireo Tanora Mitafy Toy Ny Tantely Mampandihy Vody Ao Rosia

Bumblebee Man defends his kindred spirits in Orenburg. Image edited by Kevin Rothrock.

“Bumblebee Man” miaro ireo mpiombom-panahy aminy tao amin'ny Orenburg. Sary narafitr'i Kevin Rothrock.

Tantara iray miavaka nisarika ny sain'ireo Rosiana mpisera amin'ny aterineto tany ampiandohan'ity herinandro ity : ny lahatsary iray misy tovovavy efa ho ampolony mitafy toy ny tantely niaraka “nampandihy vody” taminà fampisehoana iray tao Orenburg.

Ny fampandihizana vody (Twerking), raha tsy fantatrao, dia fandihy vaovao mifandray amin'ny fikitikitihana/fisafoana ny tapany ambany amin'ny vatanao amin'ny fihetsika miadana, eo am-pitsongolohana mandohalika. Raha efa namaly ny antson'ny natiora teny ivelan'ny trano ianao, nandritry ny horohorontany iray, mety efa nampandihy vody kely ihany an, raha tsy hoe kisendrasendra fotsiny.

Ampidiro ny olona sy ny polisy

Toa nanao hadisoana roa ihany ny ankamaroan'ireo olona naneho hevitra momba ireo mpandihy tao Orenburg : (1) lazain-dry zareo fa nandritry ny seho fanehoana talenta tany an-tsekoly iray no natao ilay fampisehoana, ary (2) heverin-dry zareo fa 13 taona any ireo nandray anjara.

Hita avy eo fa avy ao amin'ny “studio” Credo fanaovana dihy (fa tsy lisea) no nanaovana ilay hetsika tamin'ny 31 Janoary, ary tsy nisy latsaky ny 16 taona ireo tovovavy teny an-tsehatra. Araka ny filazan'ilay ramatoa mitantana ilay toerana fampianarana dihy, nila faneken'ny ray aman-dreny daholo izay mpandihy tsy ampy taona vao afaka nandray anjara.

Tsy nahasakana ny polisy tsy hanokatra raharaha fanenjehana ilay “studio” fianarana dihy anefa ireny, taorian'ny fanadihadiana savaranonando namaritana hoe nanao “tsirambina lasa heloka” ilay sekoly no sady nanandratra “fitondrantena vetaveta.” Taorian'ireny fiampangana ireny, mandra-pivahan'ilay raharaha dia natsahatry ny Credo daholo ny fampianarana .

Saingy tsy nitsahatra hatreo ny famoretana.

Ny 14 Aprily, napetraky ny governemanta ao Orenburg ny kaomisiona ofisialy iray hitsirika ireo studio tsy miankina rehetra ao an-tanàna ka mampianatra dihy. Misy tomponandraikitra ambony nilaza fa hamerina hijery ny zava-panaon'ireny sekoly fianarana dihy ireny ny governemanta “miainga amin'ny fomba fijery ny toetsaina.”

Tantara iray tonga lafatra

Nahasarika ny sain'ny maro tamin'ny tety anaty aterineto sy teny anaty vaovao ilay tantara, nanerana ny tontolo politika Rosiana. Raiso ny ohatra avy amin'ny fahitalavitra Rosiana: raha ny mahazatra, tsy misy maha-samihafa loatra ireo fahitalavitra roa fampitàm-baovao amin'ny fantsona LifeNews mpomba an'i Kremlin sy ny Rain, fahitalavitra tsy miankina. Kanefa, tamin'ity herinandro ity, ireo vehivavy tao amin'ireo fantsom-pahitalavitra roa ireo dia samy nahazo lesona momba ny “fampandihizana vody” avokoa.

Mba ho fitadidy fotsiny, hafahafa ny androany. Samy nandefa ny vehivavy tao aminy ny @lifenews_ru sy @tvrain hianatra “dihy vody”

Manome zavatra ho an'ny isam-batan'olona ity tantara ratsy ity: faly ireo Liberaly ao Rosia tamin'ny fanesoana hoe mianatra ireo dihy manentana filàna ataon'ny Amerikana ny tovovavy ao amin'ny firenena, raha ireo politisiana indray miteny manohitra ny fitankosinana loatra amin'ny Tandrefana; ireo mpifikitra amin'ny nentin-drazana ao Rosia nampiasa ilay tranga ho toy ny porofon'ny fanimbàn'ny soatoavina vahiny ny tanora ao amin'ny firenena; ary ireo gazety nigoka ny fiakaran'ny famakiana azy, satria tonga mba hizaha ireo sary vaovao sahisahin'ireo nofo tanora ny mpamaky.

Ho an'ny lazan'izy ity niparitaka be, nisy ihany fahasahiranana tsy nahafahana niresaka mazava tsara mikasika ireo tanora nampandihy vody tao Orenburg. Ny ankamaroan'ny olona, na dia tsy manamarika hoe manameloka ilay dihy aza na manesoeso fotsiny an'ilay dihy vody atao ao anatinà “firenena iray mandàla ny maoraly”, dia tahàka ny mijery ilay tantara ratsy ho toy ny olan'ny fanararaotana ankizy, na farafaharatsiny lazain-dry zareo fa ny hatanoran'ireo mpandihy ao anatiny no tena mahatonga ilay lahatsary ho tena mahatohina.

Toherin'ireo tanora ao Orenburg
The protest banner many young people in Orenburg have started making their avatars on VKontakte.

Ilay kisary nanomboka nampiasain'ireo tanora maro ao Orenburg ho solon'ny sariny tao amin'ny VKontakte.

Fomba iray hafa hijerena ity tantara ity ny fanitsakitsahana ny zon'ny vehivavy. Nanova ny sariny tao amin'ny VKontake ny sasany tamin'ireo tanora any Orenburg, ilay tambajotra be mpampiasa indrindra ao Rosia, ho lasa teny mivaky hoe, “Tsy mila miady izahay, Mandihy no ilainay” (jereo eto ankavanana).

Ny 14 Aprily, Dasha Murzaliyeva, izay toa nanaraka ny fampianarana tao amin'ny Credo, nanoratra lahatsoratra iray ho an'ny daholobe nanome henatra ireo “zokiolona tsy ampy filàna” izay manakiana ilay dihy vodin'ny tantely. Manome ity torohevira manaraka ity izy ho an'ireo mpanofana amin'ny dihy :

[…] понимайте какого возраста ваши девочки и не гоните со стрипперденсом и тверком 13летник горячих чикит на обозрения мужиков, у которых секса кроме как с руками уже много лет не было и их жен, которые не то, что задом двигать не умеют, а ноги не всегда побрить догадываются […]

[…] mahafantatra ny taonan'ny zanakareo vavy sy tsy mahita ny zanakareo 13 taona miala sakana manao dihy manaitaitra sy mampandihy vody hitan'ireo lehilahy izay efa elabe ny fiainany ara-nofo no voafetra ho filalaovana ny tànany fotsiny, ary ny vadiny tsy afaka manao intsony afa-tsy ny manetsika ny vodiny sisa, sady tsy miasa saina amin'izay hanala ny volon-tongony […]

Tohizan'i Murzaliyeva amin'ny filazana fa tokony “ho lavitra an'ireo mpandihy ny resaka politika, indrindra fa ny politikan'ny Fiangonana Ortodoksa Rosiana,” ary mivazivazy izy hoe tokony “handositra hiala ny firenena daholo ireo Rosiana mpankafy dihy vody alohan'ny hanambaràna anareo ho mpitsikilon'ny Amerikana ary raràna ny gadona Hip Hop”

Ny 15 Aprily, namoaka hira iray aza ny mpiangaly rap ao an-toerana, nomeny lohateny hoe  “Ny dihin'ny Tantely,” natolony ho an'ireo vehivavy ao amin'ny Credo, tamin'ny filazàny hoe “mivatravatra loatra” ireo mpampahalala vaovao manenjika ilay “studio” fampianarana dihy no sady manao tantara ratsy miainga amin'ny zavatra tsy misy dikany. Mivaky toy izao ny iray amin'ireo andàlana ao anatin'ilay hira, “Noho io, nanana ny toerany teny amin'ny masoandro ny tao Oren—na ny BBC aza miresaka antsika, vita ve ny amintsika ankehitriny?”

Efa manana 600 “tia” any ho any ao amin'ny VKontakte ilay hira.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.