Fa Ahoana no Ahatafavoahan'ny Malagasy Miaina Amin'ny Vola Kely? Amin'ny Fahaiza-Mamoron-Javatra Maro

ady gasy

pikantsarin'ny sombin'ny “Ady Gasy”, lahatsarim-panadihadiana amin'ny karataka ataon'ny olona eto Madagasikara hahazoana vola [mahavita iray volana], notontosain'i Lova Nantenaina hita YouTube

Nitohitohy ny vintan-dratsin'i Madagasikara tao anatin'ny taona vitsivitsy. Mbola mitolona dia mitolona hiavo-tena ny toekareny taorian'ny rivodoza sy ny krizy politika misesisesy. Efa zatra ny mikarataka ny Malagasy na dia henjana dia henjana aza ny fanamby miandry azy.

Manolotra tahirin-kevitra momba izany fomba fiainana mampiavaka ny kolontsaina sy ny fiaraha-monina eto Madagasikara izany indrindra ny Ady Gasy. Amin'ny fitsipahana ny fanjifana diso be tafahoatra izay manimba ny tany mandroso, fotopotorin'ny sarimihetsika ny fomba nandraisan'ny mponin'i Madagasikara ny fiainana tia mitahiry [mahay mamadi-javatra iray tsy ilaina ho azo ampiasaina zavatra hafa indray] sy fahazakana tena ao anatin'ny krizy ara-toekarena manerantany, amin'ny fampiasana ny hakingan-tsaina ho fakàna aingam-panahy.

Na dia eo aza ny fahantrana raiki-tampisaka eto Madagasikara, ny kere ary ny tondradrano, dia tsy mitady fitserana avy amin'ny mpijery ny lahatsarim-panadihadian'i Lova Nantenaina, mpanatontosa sarimihetsika mijoro sy misandratra. Ny ifantohany kokoa dia ny fomba handresen'ny vahoaka malagasy ny tolony isan'andro, araka ny hita ao anatin'ny mason'ny ankizy iray (ny mpandray anjara voalohany ao amin'ny lahatsarim-panadihadiana). Mirona mankany amin'ny tsara ny ankamaroan'ny fijerin'ny mpanatrika sy ny mpanao tsikera. Ilay Frantsay mpanao tsikera filma Rémy Roche mitatitra ny fomba nataon'ny fanadihadiana nampiseho ny hakingan-tsaina tamin'ny antsipirihany madinika :

Ce que veut montrer Ady Gasy (prononcer as “Ad Gash”), du nom d'une expression commune là-bas: débrouillons-nous. Et il savent faire, pour survivre. Un briquet jetable ne se jette pas, il se répare et se recharge de gaz, de vieux pneus on fait de belles sandales inusables, on transforme une ampoule grillée en lampe à pétrole, des boites de conserves vides on fabrique des jouets

Ny tian'ny Ady Gasy haseho, fomba fiteny maro mpiteny eto, dia ny mikarataka. Hainy ny miavo-tena. tsy fanary izany “briquet” fanary izany, azo amboarina sy fahanana gazy indray. Ny kodiarana tonta avadika ho lasa kapa, ny takamoa maty lasa atao jiron-tsolika ary ny kapoaka avadika ho kilalao vita an-trano.

Scenes from the documentary Ady Gasy

Sehatra hita ao amin'ny lahatsarim-panadihadiana “Ady Gasy”

Ho an'ny Malagasy, zava-dehibe tokoa ny nanomezan'ilay filma ny zavamisy marina ary tsy mampiseho ny olom-pirenena ho lasibatra. Kalabasivava,  Malagasy mpikaroka iray monina ao Frantsa, manazava ny antony:

C'est un vibrant hommage à la résistance et au courage d'un peuple longtemps abandonné et soumis à diverses contraintes extrêmement difficiles

Fanomezam-boninahitra mampangovingovitra ho an'ny faharetana sy ny herim-pon'ny vahoaka navela ela irery sy miatrika faneriterena sarotra dia sarotra isan-karazany

Jereo ny sombiny eto ambany :

Resy lahatry ny vinan'ny mpanatontosa ny sarimihetsika i Tomavana, olom-pirenena malagasy izay nanatrika ny seho manerantany voalohany ilay lahatsarim-panadihadiana tany Soisa:

Lova Nantenaina donne la parole au rocher sur laquelle la société malgache est solidement bâti: le peuple. Sans fard ni complaisance, le regard qu’il propose est une incursion dans le quotidien des « gens ordinaires » à Madagascar. Le spectateur est invité à cheminer au travers des dédales de ruelles, de quartiers qui abritent ces petits ateliers, autant de repères pour des petits métiers où la vie bouillonne et où l’espoir foisonne, un terreau fertile pour la résilience du peuple malgache.

Nanome fitenenana ny vatolampy iorenan'ny fiaraha-monina malagasy mafy i Lova Nantenaina [mpanatontosa sarimihetsika] : ny vahoakany. Tsy mirentirenty ary tsy manasohaso, ny fijery atolony dia fitsofohana ao amin'ny fiainana andavanandron'ny olon-tsotra ao Madagasikara. Asaina ny mpijery hivezivezy any amin'ireo sakeli-dalana miolikolika, any amin'ireo fokontany ahitana ireo toeram-piasana madinika, ahitana ireo asa madinidinika ahitana fiainana mangotrangotraka sy fanantenana mipotrapotraka, tany lonaka amin'ny faharetan'ny vahoaka malagasy.

Lova Nantenaina at the projection of his film - with his permission

Lova Nantenaina nandritra ny fotoana namoahana voalohany ny filma nataony. Nahazoana alalana

Sandrine Marques, ao amin'ny blaoginy ao amin'ny Le Monde, nanampy fa tena ao anatin'ny mari-panondroana tanteraka ny malagasy sy ny filma ny fahaiza-miteny [mitantara]:

De l'art oratoire pour conjurer la misère et célébrer les vertus de la solidarité. Voilà en quoi consiste l'argument de ce documentaire aussi humble que son sujet et qui nous montre les différentes facettes de la débrouille à Madagascar. L'expression « ady gasy » recouvre plusieurs sens dans la culture malgache et concerne autant les pratiques culturelles, culturales que médicinales.

Ny fahaiza-miteny mba handroahana ny fahantrana ary fankalazana ny hatsaran'ny firaisankina ao amin'ny firenena. Izay no ventin'ny fandresen-dahatr'ity fanadihadiana manetry tena tahaka ny lohahevitra dinihany ary maneho amintsika ireo karazana karataka eto Madagasikara. Manana dika maro ao amin'ny kolontsaina malagasy ny ady gasy ary mihatra any amin'ny fanao ara-kolontsaina, ara-pambolena ary ara-panafody.

Mahagaga, tsara ihany ny manamarika fa mihamivelatra miroborobo ny sehatry ny filma malagasy na dia eo aza ny fitarazohana ara-toekarena. Colin Dupre ao amin'ny INA Global manazava izany fifanoheran-javatra izany:

Sur l’île rouge, il n’existe plus de salles de cinéma et aucune structure étatique n’est véritablement en mesure d’œuvrer pour le développement du secteur, faute de volonté politique, faute de financements… le véritable renouveau est venu du format court. Un court-métrage coûte moins cher, et le réalisateur n’a pas à besoin de chercher un apport financier auprès des financeurs du Nord. Ainsi donc, libéré de toute contrainte scénaristique et esthétique, le court-métrage s’émancipe du formatage subi par le long métrage… ll y a une vraie mutualisation des compétences durant le processus de création. Il s’agit d’un des rares secteurs artistiques à Madagascar où les acteurs collaborent afin d’optimiser les résultats.

Eto amin'ny Nosy Mena, tsy misy intsony ny efitra lehibe fandefasana sarimihetsika ary tsy misy ny rafi-panjakana miasa ho amin'ny fampandrosoana ny sehatr'asa, noho ny tsy fisian'ny finiavana politika sy ny tohana ara-bola… avy any amin'ny sarimihetsika fohy no iavian'ny tena fihavaozana. Mora kokoa ny sarimihetsika fohy, ary tsy voatery hitady fanohanana ara-bola avy any amin'ny firenena mpanankarena ny mpanatontosa. Amin'izay fotoana izay, rehefa tsy voatery hanaraka ny teritery ara-panehoan-tsehatra sy ara-bikabika ny sarimihetsika fohy dia afaka amin'ny lasitra apetraky ny sarimihetsika lava… Ankoatra izay, misy dia misy ny fifanampiana ara-talenta mandritra ny fanatontosana azy ao amin'ny filma malagasy. Ity ny iray amin'ny sehatr'asa artistika vitsy eto Madagasikara ka miara-miasa ny mpisehatra mba hahazoana vokatra tsara.

Mazava dia mazava ny kinendrin'i Lova Nantenaina ho vitan'ny filma. Hoy ny najorony tamin'ny antsafa farany indrindra nataony:

Il est de notre devoir de donner confiance à tous ces héros du quotidien

Adidintsika ny manao izay ananan'ireo olo-maherin'ny andavanandro ireo toky

Mivoaka ao Eoropa sy eto Madagasikara hatramin'ny volana jona ho avy izao ilay lahatsarim-panadihadiana. Ato ny lisitry ny toerana ahafahan'ny tsirairay manenjika fotoam-pandefasana azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.