Nepal : Tendrombohitra Rakotra Ranomandry Sy Renirano Misasasasa Fa Tsy Misy Rano Fisotro Ny Renivohitra

People lining up for water an hour before it is supposed to be flowing, in Kathmandu, Nepal on July 10 2014. Image by Flickr user @Ingmar Zahorsky (CC BY-NC-ND 2.0)

Milahatra adiny iray mialohan'ny handefasana ny rano ny olona, any Katmadou ao Nepal tamin'ny 10 Jolay 2014. Sary avy amin'i @Ingmar Zahorsky, mpampiasa Flickr (CC BY-NC-ND 2.0)

Mijaly amin'ny tsy fahampian-drano mandrakariva i Nepal na dia iray amin'ireo manana tahanà rano fisotro madio ambony isam-batan'olona maneran-tany sy mitàna ny 2,7 isanjaton'ny fitambaran'ny tahirin-dranomamy maneran-tany aza.

Miaraka miady amin'ny korontana ara-politika efa am-polo taona, ny tsy fahaiza-mitantana tafahoatra ny rano fisotro madio ary ny habetsahan'ny fifindrà-monina avy any ambanivohitra ho any Katmandou renivohitra, tsy manana afa-tsy ny fianteherany amin'ny herin'ny tenany mba hahazoana rano madio ireo olona sahirana antsasaky ny mponina any Nepal.

Asehon'ny Birao Foibe misahana ny Antontan'isan'ny fitondrana Nepale ao Katmandou fa tokantrano iray amin'ny dimy no tsy tafiditra rano ao an-trano raha toa ka rano fisotro tena tsy manara-penitra amin'ny atao hoe ‘ rano madio sy azo antoka’ no tafiditra sy iainan'ny roa ampahatelo.

Maro ireo mponina efa zatra. I Pinky Gupta, mpivarotra enta-madinika ao Katmandou no voatanisa tao amin'ny lahatsoratra iray atao hoe : ‘Fanjakana Maina’ :

Ny zava-misy ao an-drenivohitra dia toy ny hoe efa lasa filàn'ny olona ny fianaran'izy ireo fomba fitehirizana rano.

Tranga efa tena mahazatra ny any Gupta any amin'ireo mponina sahirana ao Katmandou, izay tsy afaka mividy rano .

Mangal Raj, mponina iray hafa voatanisa ao amin'ilay lahatsoratra, manazava ny fomba ataony mba hitehirizana rano :

Efa dimy taona izao no nisian'ny rano farany tao amin'ny fantsona voalohany mpitondra ranonay. Nisy fantsona iray hafa napetraka saingy tsy nanampy loatra. Isaky ny telo andro izahay vao mahazo rano. Tsy ampy ho an'ny fianakaviana maro an-trano izany. Ny fampiasana ny rano efa niasa no fomba iray nataonay. Ohatra, tsy rano vaovao no ampiasainay ao amin'ny trano fandroana. Matetika rano avy nanasana lamba no ampiasainay ao amin'ny trano fidiovana. Fomba tsotra sady mety izany. Raha nanana zaridaina izahay, dia azonay nampiasaina tsara tany koa izany.

Betsaka ny milaza ny fanahiany momba ny tsy fahafahan'ny fitondrana hanatsara ny zava-misy ao anatin'ity fanadihadiana fohy ity. Azo jerena eto ilay fanadihadiana :

Mazava be ilay endrika malahelo raha tsiahivina ilay fampanantenana tsy tanteraka efa ho roapolo taona izay, fampanantenana ny hametraka fantson-drano fantatra amin'ny hoe ‘ Tetikasa Melamchi‘ izay noheverina fa hamatsy rano 170 tapitrisa litatra isan'andro an'i Katmandou avy amin'ny reniranon'i Melamchi izay any amin'ny faritra manamorona ny sisintanin'i Shina.

15 taona aty aorian'ny fandaharan'asa, mbola toy ny nahemotra indray ilay tetikasa Melamchi

Fa nampanantena tao amin'ny Twitter i Madhu Marisini, mpiasam-panjakana iray ao amin'ny Ministeran'ny Vola :

Fifanarahana vita sonia niaraka tamin'ny ADB $ 90 M., fitsinjarana ny ranon'i Melamchi any Ktm. Ezahana ny fahazoana antoka fa tsy hijanona ho nofy intsony i Melamchi !

Ny zava-misy amin'izao fotoana izao, dia mety mbola tsy haharaka io tetikasa io : mamatsy rano 130 tapitrisa litatra isan'andro ho an'ny renivohitra ny fitondrana, izany hoe mbola 100 tapitrisa litatra no tsy ampy na dia tontosa antsakany sy andavany aza ilay tetikasa, satria manodidina ny 400 tapitrisa litatra isan'andro ny filàn'ny renivohitra.

Loharano ho an'ny fanavaozana

Raha toa ka mikatsaka mafy ny famenoana ny banga amin'ny famatsiana siniben-drano sy fisintonana rano any ambanin'ny tany amin'ny alàlan'ny fantson-davadrano ireo orinasan'olon-tsotra, dia maneho ny ahiahiny ny amin'ny fiarovana kosa ny maro. Mampiseho ny tahony momba ny hisian'ny loza ateraky ny iona metalika, poizina tsy hita maso, ao anatin'ny rano amidin'ireny orinasa ireny, izay mety hiteraka homamiadana sy aretina mahafaty hafa ilay Nepale mpahay simia, Kosh P. Neupane.

Nefa na eo aza ny olana amin'ny fitondràna rano madio sy azo antoka ho an'ny Nepal, dia misy tsirim-panantenana ihany.

Tamin'ny volana Febroary, nahazo ny Loka Lehibe Maneran-Tanin'ny Ranon'i Kyoto andiany faha-4 ny fikambanana ifotony Nepale antsoina hoe ‘ Fikambanana ho an'ny Tontolo iainana sy ny Fahasalamam-bahoaka’ (ENPHO) noho ny fiantraikan'izany hetsika izany amin'ny famahàna ny olana momba ny rano amin'ny alàlan'ny hevi-baovao : vovonana momba ny rano fisotro sy trano fivoahana ho an'ny lahy sy ny vavy…

Mandray $20K amin'ny Loka Lehibe Maneran-tanin'ny #Ranon'i Kyoto ny ONG ENPHO mpiaro ny tontolo iainana avy ao Nepal

Ity fanentanan'ny fikambanana amin'ny fanapariahana ny teknolojia tsotra mba hankaherezana ireo vondrom-piarahamonina ivelan'ny renivohitra ity angamba no làlana tokony hizorana, tsy ho an'i Nepal ihany fa ho an'ireo firenena maro hafa misedra olana momba ny rano tahaka izao, toy ny fanangonana ranon'orana.

Kiririoka iray ho fanairana izao tontolo izao

Araka ny filazan'i Rajendra Pachauri Filoha taloha tao amin'ny vondron'ny manam-pahaizana iraisan'ny governemanta momba ny fiovaovan'ny toetr'andro (IPCC) ao amin'ny Firenena Mikambana, dia miatrika olana momba ny rano izao tontolo izao ary hanampy trotraka izany ny fiovaovan'ny toetr'andro. Mitarika mankany amin'ny ho avy mampalahelo io olana io ary atahorana hiteraka ady eo amin'ireo vondrom-piarahamonina sy firenena. Maherin'ny 2 lavitrisa ny olona ianjadian'ny haintany — betsaka raha oharina amin'ireo trangam-pahavoazana hafa miantraika amin'ny vatana.

Ho fiatrehana io olana io, dia hampiantrano ny Vovonana Maneran-tany faha-7-n'ny Rano i Korea Atsimo ny 12 ka hatramin'ny 17 Aprily, izay andraisan'ny firenena maherin'ny 160 anjara ka hiadiana hevitra momba ny olan'ny rano mahazo izao tontolo izao, ao anatin'izany ny fahafatesana noho ny tsy fahadiovan'ny rano fisotro.

Araka ny filazan'ny Tale mpanatanteraka mpanampy ao amin'ny UNICEF dia :

Manodidina ny 1k isan'andro no ankizy latsaky ny 5 taona matin'ny aretina izay azo sorohana, noho ny tsy fisian'ny fotodrafitrasa momba ny fahasalamana, ny tsy fisian'ny fahadiovana na tsy fahadiovan'ny #rano fisotro

Pragya Lamsal, Tompon'andrikitra ambonin'ny Seraseran'ny WaterAid any Katmandou, fikambanana iray izay misolovava ny andraikitra fototry ny rano madio, ny fanatsarana ny fahadiovana, ary ny fotodrafitrasa momba ny fivoaran'ny fahasalaman'ny olona, no mizara izao fahatsapàna izao :

Ny fahafatesan-jaza menavava iray amin'ny dimy any #Nepal dia azo nosorohana tamin'ny rano madio, ny fanadiovana ary ny tànana madio :

Na betsaka aza ireo niangaran'ny vintana ka tsy mandany iray minitra akory hisainana ny momba ny mety tsy hisian'ny rano dia mahamenatra ny milaza ny ady isan'andro ataon'ny maro mba ahazoana rano madio indray mitete. Hita amin'ity lahatsary ity ny fankalazana ataon'ny tanàna kely iray any Nepal amin'ny hira sy ny dihy rehefa tafapetraka ireo paompy mifantsitsitra rano madio .

Ambonin'ny Vovonana faha-7 momba ny rano, dia mety mbola ho anton-dresak'ireo mpandray anjara mavitrika sy ireo governemanta mandritry ny fivoriana famelabelaran-kevitra faha-21 amin'ny fifanarahana lasitry ny Firenena mikambana momba ny fiovaovan'ny toetr'andro (UNFCCC) atao any Parisy ny rano amin'ny Desambra 2015.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.